2018
“Mitsambikìna ao anatin’ny renirano!”
April 2018


“Mitsambikìna ao anatin’ny renirano!”

Elvin Jerome Laceda

Pampanga, Philippines

Sary
mother and baby in a hammock

Sary nataon’i Gary Alfonso

Indray andro dia nangataka ahy ny renibeko mba hanatitra sakafo izay namboariny tany amin’ny nenitoako. Sabotsy tolakandro nafana tamin’izay ary zavatra maro hafa no tiako hatao toy izay handeha hirahin’ny renibeko. Nasaiko nangataka ny iray amin’ireo zafikeliny hafa izy mba handeha any eo amin’ny toerako, kanefa niziriziry izy hoe izaho ihany.

Lasa ny adiny iray ary nanomboka nahatsapa aho fa tokony hanao izay nangatahin’ny renibeko. Nalaiko ny sakafo dia nandeha tany amin’ny tranon’ny nenitoako aho. Tena lavitra izany ary rehefa tonga aho dia tsy nikasa ny hijanona maharitra.

Hitako teo amin’ny fandriana harato nifatotra teo amin’ny hazona manga mbola tanora anankiroa ilay nenitoako sy ny zanany kely dimy volana. Teo akaikin’ny renirano iray izay nikoriana tao ambadiky ny trano ireo hazo ireo. Nandeha teny amin’izy ireo aho mba hanome ilay sakafo. Kanjo tapaka ireo tady nihazona ilay fandriana harato. Nikodiadia tany amin’ilay reninrano ny nenitoako sy ny zanany kely. Raiki-tahotra mafy aho. Tsy nahay nilomano aho ary tsy nisy olona afaka nanampy teo amin’ny manodidina. Tsy fantatro izay tokony hatao.

Tonga aho dia naheno ny feon’ny Fanahy nanao hoe: “Mitsambikìna!”

Tsy nieritreritra intsony aho fa tonga dia nitsambikina. Soa ihany fa hitako tao anatin’ny segondra vitsy monja ilay zazakely ary afaka nivoaka tao anatin’ny rano ny nenitoako. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano niaraka tamin’ilay zazakely aho dia tsy nino ny zavatra vao nitranga teo. Nitsambikina tao anatin’ilay renirano aho nefa tsy nahay nilomano, saingy noho ny fihainoako ny Fanahy dia tsy nilentika izaho sy ilay zazakely zanaky ny nenitoako.

Tsapako ny maha-zava-dehibe ny fahatsapana sy ny fihainoana ny fitarihana sy ny fitaomana omen’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Feno fankasitrahana aho fa nanao izay nangatahin’ny renibeko ihany tamin’ny farany ary nitondra ilay sakafo tany amin’ny tranon’ny nenitoako. Fantatro fa tsy maintsy manao ezaka mba hahatsapa ireo bitsika ara-panahy isika mba hahafahantsika ho lasa tanan’ Andriamanitra mba hanampiana ny zanany.