2018
Rakotomalala Alphone, Sarodroa, Madagasikara
April 2018


Fanehoana ny finoana

Rakotomalala Alphonse

Sarodroa, Madagasikara

Rehefa lasa liana tamin’ny filazantsara Rakotomalala, dia tany Antsirabe izay tanàn-dehibe 50 km miala ny tanàna misy azy ao Sarodroa no nisy ny fiangonana akaiky indrindra. Nahita fomba hanaovana ilay dia isaky ny alahady Rakotomalala sy ny namany iray.

Amin’izao fotoana izao dia manana trano kely fivavahana i Sarodroa izay ahitana mpikambana 100 mahery manatrika isaky ny alahady. Hitan-dRakotomalala ny nandraisan’ny tanàna kely misy azy ny filazantsara. Misiônera efatra avy ao Sarodroa no efa nanompo ary miha-mitombo hatrany ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana.

Cody Bell, mpaka sary

Rehefa lasa narary ny dadabeko dia nandeha niaraka taminy tany Antsirabe aho. Nitsidika tany an-tranony imbetsaka ny misiônera. Tsy mpikamban’ny Fiangonana izaho sy i dadabe, kanefa tiany ny niresaka tamin’ny misiônera. Indray hariva dia nomen’izy ireo tsodrano i dadabe, ary taorian’ny takarivan’ny mpianakavy dia nomen’izy ireo Bokin’i Môrmôna izahay.

“Mba vakio ity boky ity dia manontania an’ Andriamanitra raha marina izany,” hoy izy ireo.

Rehefa niverina tany Sarodroa aho dia tsy te hamaky ny Bokin’i Môrmôna satria noheveriko fa tsy marina ilay izy. Avy eo, indray andro dia narary mafy tokoa aho ka tsy afaka niala tao an-trano nandritra ny andro maromaro. Rehefa nitady zavatra hatao aho dia hitako ilay Bokin’i Môrmôna ka nanomboka namaky izany aho.

Niverina tany Antsirabe aho taty aoriana dia nihaona tamin’ny misiônera. Nampianatra ahy bebe kokoa momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo. Nolazaiko azy ireo fa tsy mila mpaminany isika ary tsy misy mpaminany amin’izao fotoana izao. Nangataka ahy hivavaka amin’ Andriamanitra ny misiônera dia hanontany raha misy mpaminany amin’izao fotoana izao. Nampanantena izy ireo fa hamaly ahy Andriamanitra. Nivavaka aho dia nahatsapa fa marina ny zavatra nolazain’ny misiônera.

Naniry ny handeha hivavaka aho, saingy tsy nanam-bola handehanana amin’ny fiara fitateram-bahoaka. Niresaka tamin-dRazafindravaonasolo namako aho, dia nilaza izy fa afaka mitaingina ny bisikiletako izahay. Nandeha bisikileta nandritra ny adiny roa tamin’ny dia mandroso avy any Sarodroa nankany Antsirabe izahay isaky ny alahady. Rehefa reraka nivoy ny bisikileta aho dia nitaingina tao aoriana, ary izy indray no nanomboka nivoy izany. Dia rehefa reraka izy, dia nifamadika indray izahay.

Taty aoriana dia lasa mpikamban’ny Fiangonana izaho sy ny fianakavian-dRazafindravaonasolo. Nivavaka tany Antsirabe izahay mandra-pisokatry ny sampana iray tao Sarodroa. Faly ery izahay rehefa afaka nivavaka tao amin’ny tanànanay ihany!

Nantsoina ho filohan’ny sampana ny rain-dRazafindravaonasolo. Indray mandeha dia nihaona tamiko izy ka namporisika ahy hiomana hanao asa fitoriana ny filazantsara. Tsy nieritreritra ny tenako hahavita hanompo aho, saingy nanome toky ahy izy fa vitako izany. Nekeko ilay antso hanompo tao amin’ny Misiônan’i Madagasikara Antananarivo. Manambady aho izao ary manan-janaka roa. Feno fankasitrahana aho noho ny fianakaviako, ary nahazo traikefa bebe kokoa mihoatra izay azoko zaraina aho, izay nanampy ahy hahafantatra fa marina ity Fiangonana ity.

Sary
Rakotomalala and friend

Rehefa lasa mpikambana izy ireo, dia nanompo tao amin’ny Misiônan’i Madagasikara Antananarivo Rakotomalala (ankavanana), ary nanompo tany amin’ny Misiônan’i Repoblika Demôkratikan’i Congo Kinshasa Razafindravaonasolo (ankavia).

Sary
sitting inside the chapel

Tamin’ny 2013 dia nanangana trano fivavahana kely vita tamin’ny hazo ny mpikambana tao Sarodroa mba hivavahana. Fifaliana ho an-dRakotomalala ny hitondra fanampiana amin’ny fitondrana izay fanovana ilaina amin’ilay trano.

Sary
rice fields

Voly foto-tsakafo ny vary any Madagasikara. Saika ny olona rehetra ao Sarodroa no miasa eny an-tanimbary mba hamelomana ny fianakaviany.

Sary
constructing a chapel

Rehefa nitohy niroborobo ny Fiangonana dia nila trano fivavahana vaovao ireo mpikambana ao Sarodroa. Noho izy ireo efa manana trano fivavahana vaovao eo akaiky eo, dia miasa mba hanova ilay trano fivavahana vita tamin’ny hazo ho lasa efitrano fianarana sy biraon’ny eveka Rakotomalala sy ny olona hafa.

Sary
sitting outside the chapel

Hatramin’ireo fotoana nitaingenan’izy ireo bisikileta nandritra ny adiny roa tamin’ny dia mandroso nankany am-piangonana isaky ny alahady, dia nijanona ho mpinamana akaiky Rakotomalala sy Razafindravaonasolo. Feno fankasitrahana izy ireo noho ny fitahiana nentin’ny filazantsara teo amin’izy ireo sy ny fianakaviany.

Sary
standing in front of a new chapel

Mijoro eo anoloan’ilay trano fivavahana vaovao ao Sarodroa Rakotomalala sy Razafindravaonasolo. Io trano fivavahana vita amin’ny simenitra sy biriky io dia natsangan’ny mpikambana.