2018
Nahoana Andriamanitra no mamela ny hisian’ny ady?
April 2018


Mivantana

Nahoana Andriamanitra no mamela ny hisian’ny ady?

Sary
soldiers

Sary avy amin’ny Getty Images

Ny ady dia efa nisy hatrizay teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona teto amin’ity tany ity efa ho hatrany am-piandohana. Kanefa ny Tompo, ilay Andrian’ny Fiadanana, dia tsy maniry ny hiadiantsika. Mitomany Izy rehefa mifidy ny tsy hifankatia sy “tsy manam-pitiavana [ny olona], ary mankahala ny iray ra aminy” (Mosesy 7:33), ary manimba ny tany amin’ny alalan’ny herisetra (jereo ny Genesisy 6:11–13). Ireo olona izay miteraka ady eto an-tany ny faharatsiany dia hotsaraina noho ny asany.

Nandidy ny olony ny Tompo mba “[Handà] ny ady ary [hitory] ny fandriampahalemana” (F&F 98:16). Kanefa, rehefa miady ireo firenena dia nilaza ihany koa ny Tompo fa indraindray isika dia hamarinina amin’ny fiarovana ny fianakaviantsika, ny firenentsika ary ny fahafahantsika amin’ny fandravana, ny didy jadona, ary ny tsindry hazo lena (jereo ny Almà 43:47; Almà 46:12–13; F&F 134:11). Ary ny Olomasin’ny Andro Farany izay manompo ao amin’ny tafiky ny fireneny dia mankatò ilay fitsipika momba ny “fanoavana ny mpanjaka …, ny filoha, ny mpanapaka, ary ny mpitsara” (Fanekem-pinoana 1:12).