2018
Ny fahasambarana: mihoatra lavitra ny hetsi-po
April 2018


Ny fahasambarana: mihoatra lavitra ny hetsi-po

Sary
happy breakfast plate

Nampianarina isika fa ny tanjon’ny fisiantsika dia ny mba hahazo fifaliana (jereo ny 2 Nefia 2:25). Koa nahoana ary ny fahasambarana no sarotra azo indraindray? Satria mety hoe tsy takatsika ny tena atao hoe fahasambarana … sy ny atao hoe tsy fahasambarana.

Inona no atao hoe fahasambarana?

Raha raisina amin’ny heviny tsotra indrindra, ny fahasambarana dia ny fisondrotan’ny toe-tsainao ao anatin’ny fotoana tsy maharitra amin’ny haavo ambony kokoa noho ny toetran’ny fahatsapana anananao mahazatra.1 Raha lazaina amin’ny teny hafa dia midika hoe mahatsapa ho metimety tsara no dikan’izany.

Maro be ireo fomba afaka mitondra fahatsapana tsara, toy ny fanaovana sangisangin-teny miaraka amin’ny namana, ny fanaovana kilalao mahafinaritra, eny fa na ny fihinanana sombina cheesecake aza, saingy tsy maharitra mihitsy izany. Matetika isika no miafara amin’ny fanovaovana haingana ny zavatra mitondra fahafinaretana iainantsika mba hiezahana hiaina indray izany fahatsapana tsara izany. Fa misy ve ny fahasambarana maharitra?

Eny, saingy sarotsarotra kokoa noho izay hiheveranao azy ny fomba hahazoana azy, ka izay matetika no antony tsy hahazoantsika azy. Izao tontolo izao dia milaza amintsika fa ny tena fiainana dia tokony ho feno zavatra kisendrasendra, ary tokony ho feno zavatra mora atao sy hahatsapana fientanentanana tsy tapaka ny androm-piainanao. Saingy ny marina dia tsy mila fientanentanana tsy tapaka ianao mba hiainana “ao amin’ny toetry ny fahasambarana” (2 Nefia 5:27). Ny fahasambarana maharitra, izay mety antsointsika hoe ny tena fahasambarana, dia fahatsapana ho metimety tsara ao anaty mangina bebe kokoa sy tsy tapaka, fa tsy fahatsapana fifaliana lehibe izay hita maso. Ny fahafinaretana dia mety lefy, fa ny tena fahasambarana dia tsy hetsi-po mandalo fotsiny. Maharitra ela kokoa izany. Raha toa ka mampiakatra ny toetran’ny fahatsapana anananao mahazatra ny fahatsapana fahafinaretana, ny fahazoana ny tena fahasambarana kosa dia toy ny mampisondrotra ilay toetra mahazatra mihitsy.2

Mety hihevitra ianao fa ny fahasambarana tsy tapaka dia mitaky firoboroboana tsy tapaka sy fahafahana amin’ny fanaintainana sy ny fitsapana. Saingy ny voka-pikarohana dia maneho fa ny toe-javatra ahitan-tsoa dia tsy manome antoka ny fahazoana fahasambarana, ary ny toe-javatra tsy ahitan-tsoa dia tsy manakana izany. Raha ny tena marina kosa dia ny safidy ataonao, eo anivon’ireo zavatra rehetra izay mitondra fiantraikany eo amin’ny fahasambaranao, no mitondra ny sasany amin’ireo fiantraikany lehibe indrindra.3 Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe: “ny fahasambarana dia faritan’ny fahazarana, ny fitondrantena, ary karazana fomba fisainana izay azontsika fehezina avy hatrany amin’ny alalan’ny asa ataontsika avy amin’ny nahim-po.” Ny fahasambarana dia mihoatra lavitra ny fahatsapana tsara na ny fiainana mandeha ho azy. Fomba fisainana sy fomba fiainana azontsika fehezina izany. Ny tahan’ny hetsi-po amin’ny ankapobeny dia azo antoka fa misy idiran’ny fototarazo sy ny fomba nitaizana antsika, kanefa ny safidy ataontsika manokana dia mitana anjara asa manan-danja ao anatin’izany. Raha fintinina dia “safidy azon’ny rehetra atao ny fahasambarana.”4

Ahoana no ahafahako ho sambatra?

Koa ahoana marina ary no “hisafidianantsika” ny ho sambatra? Inona no tsiambaratelo hahazoana ny fahasambarantsika? Araka ny nohazavain’ny Loholona Soares dia mitaky “ezaka natao efa hatry ny ela mba hahazo zavatra manan-danja kokoa eo amin’ny fiainana” ny tena fahasambarana. Tahaka izany ihany, i Viktor Frankl, izay tafavoaka velona tamin’ny Fandringanana olona tany Alemana sady mpitsabo aretin-tsaina dia nilaza fa ny fahasambarana dia ny “vokatra azo avy amin’ny fahafoizan-tena ataon’ny tena manokana ho amin’ny fivoarana lehibe kokoa noho ny tena.”5

Koa inona ary no mety ho fivoarana lehibe kokoa noho ilay iray izay nomanin’ Andriamanitra ho antsika? Rehefa mikatsaka ny fahasambarana isika dia tsy tokony hitady zavatra mihoatra lavitra ny drafitry ny Ray any An-danitra. Sady misy antony ihany koa no niantsoana azy io hoe “drafitry ny fahasambarana”! (Almà 42:8, 16). Maro ireo soratra masina mijoro ho vavolombelona fa mitondra fahasambarana ny fanarahana ny drafitr’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 2:13; Helamàna 13:38). Na dia tsy hanakana ny fahatsapantsika ny ratram-po rehetra aza ny fananana fiainana marina, dia hametraka antsika amin’ny toerana iray izay hahafahantsika bebe kokoa mahatsapa fahasambarana eto amin’ity fiainana ity izany, ary hitondra antsika ho amin’ny fisandratantsika sy ny fifaliana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy izany.

Ny fahasambarana, izay misy itovizany be amin’ny finoana, dia afaka ny hihen-danja na hitombo tanjaka miankina amin’ny asa ataonao. Raha mandany ny fotoanao amin’ny fikatsahana fifaliana tsy maharitra ianao dia “ampitambolimbolenin’ny rivo[tra]” (Efesiana 4:14) ny fahasambaranao. Fa raha miezaka miaina amim-pahamarinana ianao dia lasa hahatsapa fiadanana sy fahatsapana ho metimety izay miorim-paka ary afaka ny ho tsapa hatrany na dia eo aza ny fitsapana. Ary rehefa alefanao mialoha ny fahafinaretana ny finoana dia afaka mahazo fifaliana marina ianao, ilay karazana fifaliana izay tsy misy mahazo afa-tsy “ny olona mibebaka marina tokoa sy ny mpikatsaka fiadanana mietry tena” (Almà 27:18).

Fanamarihana

  1. Jereo ny Carolyn Gregoire, “This Is Scientific Proof That Happiness Is a Choice,” HuffPost, Dec. 13, 2013, huffingtonpost.com/2013/12/09/scientific-proof-that-you_n_4384433.html.

  2. Jereo ny Alex Lickerman, “How to Reset Your Happiness Set Point,” Pyschology Today, Apr. 21, 2013, psychologytoday.com/blog/happiness-in-world/201304/how-reset-your-happiness-set-point.

  3. Jereo ny Michael Mendelsohn, “Positive Psychology: The Science of Happiness,” ABC News, Jan. 11, 2008, abcnews.go.com/Health/story?id=4115033&page=1.

  4. Carolyn Gregoire, “This Is Scientific Proof That Happiness Is a Choice.”

  5. Viktor E. Frankl, Man’s Search for Meaning (1984), 17.