2018
Namidy tany Egypta i Josefa
April 2018


Tantara ao amin’ny soratra masina

Namidy tany Egypta i Josefa

Avy ao amin’ny Genesisy 37–41.

Sary
Joseph Is Sold into Egypt 1
Sary
Joseph Is Sold into Egypt 2
Sary
Joseph Is Sold into Egypt 3

Nanana rahalahy miisa 11 i Josefa. Nomen’ny rainy akanjo lava miloko tsara tarehy izy. Nilaza tamin’i Josefa Andriamanitra fa izy no hitarika ireo rahalahiny.

Tezitra ireo zokin’i Josefa lahy. Tsy tian’izy ireo ho mpitarika azy izy! Namidin’izy ireo tamin’olona handeha ho any Egypta izy ary lasa andevo.

Niasa mafy i Josefa. Nanao safidy tsara izy na dia nilaza zavatra tsy marina momba azy aza ny olona ary nanagadra azy.

Natoky an’ Andriamanitra i Josefa na dia nandritra ireo fotoan-tsarotra aza. Niaraka tamin’i Josefa Andriamanitra. Lasa mpitarika tany Egypta i Josefa! Rehefa nihalehibe izy dia nanampy tamin’ny fitarihana ny fianakaviany izy toy ny nolazain’Andriamanitra.

Afaka matoky an’ Andriamanitra tahaka ny nataon’i Josefa aho. Afaka misafidy ny tsara aho. Hiaraka amiko Andriamanitra na inona na inona mitranga.