2018
Sahia maneho hatsaram-panahy!
April 2018


Ataovy mamirapiratra ny fahazavanao

Sahia maneho hatsaram-panahy!

Sary
dare to be kind

Manahoana! Claudia no anarako ary mipetraka any Australie aho. Mandrehitra ny fahazavako amin’ny alalan’ny fanehoana hatsaram-panahy amin’ny hafa aho.

Mijoro ho an’ny hafa aho

Misy ankizilahy iray sahirana amin’ny fianarana ao amin’ny kilasiko. Miaro azy aho rehefa manaraby azy ny olona, ary manampy azy aho rehefa mila izany izy. Nilaza ny mpampianatra ahy fa ity no hany taona nahatsapany fa manana ny toerany ao amin’ilay kilasy izy.

Ny orsa kely kilalaoko

Rehefa maty ny dadatoan’ilay mpampianatro dia nalahelo mafy izy. Tsy nahafantatra ny Fiangonana izy, ka dia nolazaiko azy fa tia azy ny Ray any An-danitra. Nanamboarako karatra kely izy dia nolazaiko azy tao fa mbola hahita ny dadatoany indray izy. Nomeko azy ilay orsa kely kilalaoko miavaka mba hanampy azy hiaritra ireo fotoana hahatsapana alahelo.

Mpinamana samy tsara vintana

I Olivia mpifanolobodirindrina amiko dia manana olana amin’ny fandehanana sy ny firesahana ary ny fandrenesana. Nilaza ny renin’i Olivia fa tsara vintana i Olivia noho ny fananany namana tahaka ahy. Izaho koa mba tsara vintana!

Ny fihirana sy ny Fanahy Masina

Tiako ny mihira ireo hira ao amin’ny Chants pour les Enfants. Milaza ny fianakaviako fa manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy Masina izany. Manome ahy fahatsapana hafanana ao anaty ny Fanahy Masina.