2018
Ny pejintsika
April 2018


Ny pejintsika

Sary
our page
Sary
drawing of someone standing in front of a chapel

Natahotra aho tamin’ny batisako, fa rehefa niroboka tao anaty rano aho dia nahatsapa fifaliana sy fahasambarana feno.

Thomas B., 8 taona, Uruguay

Sary
sisters in front of the temple

Nandeha niala avy any Cambodge nankany amin’ny Tempolin’i Hong Kong Chine izahay mba hahafahana mamehy an’i Laura zandrikeliko vavy tamin’ny fianakavianay. Nahatsapa ny Fanahy aho tao amin’izany toerana miavaka izany.

Rosa P., 9 taona, Cambodge

Sary
winnie w

Indray mandeha tao an-dakilasy dia namaky boky tamim-pahanginana aho, raha toa kosa ny ankizy hafa rehetra ka nilalao jeu de société. Rehefa naneno ny lakolosy fanairana dia nasesik’izy ireo tao amin’ilay talantalana fotsiny ireo kilalao ka dia nikorontana be. Nanomboka nandamina an’ilay izy aho, ary vetivety teo dia nanomboka nanampy ny hafa rehetra. Namela ny fahazavako hamiratra ny fanehoako ohatra tsara.

Winnie W., 10 taona, Kanadà

Sary
baptism day and donating hair

Rehefa feno valo taona aho dia namonjy ny batisako ny ray aman-drenibeko sy ny namana maro. Ny raiko no nanao batisa sy nanatanteraka ny fandraisana ahy ho mpikambana. Taty aoriana dia nanome 30 santimetatra tamin’ny voloko ho an’ny ankizy iray voan’ny homamiadana aho. Nitondra fifaliana lehibe ho ahy ny tsingerintaona nahaterahako!

Lavona R., 8 taona, Indonésie