2018
Harona sy tavoahangy
April 2018


At the Pulpit (Eo amin’ny polipitra)

Harona sy tavoahangy

Sary
Sister Okazaki

Sarin’ny Rahavavy Okazaki, nahazoana lalana avy tamin’ny trano fitehirizana ny tantaran’ny Fiangonana; sary hafa avy amin’ny Getty Images

Sary
baskets and bottles of fruit

Nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana maro, sy karazan-javatra maro samihafa, ary fahasamihafana maro isika, saingy ny tena manan-danja dia ny zavatra fantatsika momba antsika samy isika, dia ny hoe zanany daholo isika.

Ny fanamby ho antsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia ny mba hianarantsika zavatra avy amin’ny tsirairay amintsika mba hifankatiavantsika sy hiarahantsika mivoatra.

Tena ilaina ireo fotopampianaran’ny filazantsara. Manan-danja izy ireo saingy azo safidina izay zavatra hanasiana azy. Mamela ahy ianareo hizara ohatra tsotra izay mampiseho ny fahasamihafana misy eo amin’ireo fotopampianaran’ny Fiangonana sy ny famonosana amin’ny fomba miavaka ara-kolontsaina. Ity misy tavoahangy iray misy paiso avy any Utah, izay namboarin’ny renim-pianakaviana mpikarakara tokantrano iray avy any Utah mba hamahanany ny fianakaviany mandritra ny vanimpotoana filatsahan’ny ranomandry. Tsy mametraka voankazo ao anaty tavoahangy ny renim-pianakaviana mpikarakara tokantrano any Hawaї. Mioty voankazo ampy mandritra ny andro vitsivitsy izy ireo, dia tehiriziny ao anatin’ny harona toy izao izany ho an’ny fianakavian’izy ireo. Ity harona ity dia ahitana manga, akondro, mananasy ary mapaza … izay notazan’ny renim-pianakaviana mpikarakara tokantrano iray avy any Polynésie mba hamahanana ny fianakaviany any amin’ny toerana manana toetrandro mampamasaka ny voankazo mandritra ny taona.

Fanasian-javatra tsy mitovy ny harona sy ny tavoahangy, saingy mitovy ny ao anatiny: voankazo ho an’ny fianakaviana. Moa ve tsara ny tavoahangy ary ratsy ny harona? Tsia, samy tsara izy roa ireo. Fanasian-javatra mety amin’ny kolontsaina sy ny zavatra ilain’ny olona izy ireo. Ary samy mety asiana ireo zavatra ao anatiny izy ireo, izay voankazo.

Inona ary ilay voankazo? Miteny amintsika i Paoly hoe: “Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy [ary] fahononam-po” [Galatiana 5:22–23]. Ao anatin’ny fiarahan’ny mpirahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, ao anatin’ny fiarahan’ny mpirahalahy ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana ary ao anatin’ny fiarahana amim-panajana mba handray ny Fanasan’ny Tompo, dia ampiraisin’ny vokatry ny Fanahy ao anatin’ny fitiavana sy fifaliana ary fiadanana isika na any Taipei na Tonga ny Fikambanana Ifanampiana, na any Montana na Mexique ny kôlejin’ny fisoronana ary na any Fidji na Philippines ny fivoriana Fanasan’ny Tompo.

… Rehefa voantso ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany aho, dia nanoro hevitra ahy ny filoha [Gordon B.] Hinckley hoe: “Mitondra karazana toetra miavaka ao amin’ity fiadidiana ity ianao. Ho fantatra amin’ny maha-olona iray anao izay misolo tena an’ireo any ivelan’ny faritr’i Etazonia sy Kanadà ianao. … Ho hitan’izy ireo ao aminao ny fanehoana ny maha-iray azy ireo amin’ny Fiangonana.” Nanome tsodrano ahy izy mba hivaha ny lelako rehefa miresaka amin’ny olona aho.4

… [Rehefa nandray fitenenana tany amin’ireo tany hafa aho,] dia afaka nahatsapa ny Fanahy izay nitondra ny teniko tao am-pon’izy ireo ary afaka nahatsapa “ny vokatry ny Fanahy” izay nitondra taty amiko indray ny fitiavan’izy ireo sy ny fifalian’izy ireo ary ny finoan’izy ireo. Afaka nahatsapa ny Fanahy izay nampiray anay aho.

Ry anadahy sy rahavavy, na paiso na mapaza ny voankazonareo, na entinareo ao anaty tavoahangy na harona izany, dia misaotra anareo izahay noho ny fanoloranareo izany amim-pitiavana. Ry Ray any An-danitra, enga anie izahay ka ho iray ary mba ho anao.5 Izany no vavaka ataoko amin’ny anarana masin’ny Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Chieko N. Okazaki, Lighten Up! (1993), 7.

  2. Jereo ny Okazaki, Lighten Up!, 48–50; Gregory A. Prince, “‘There Is Always a Struggle’: An Interview with Chieko N. Okazaki,” Dialogue: A Journal of Mormon Thought 45, no. 1 (Spring 2012): 114–115.

  3. “Obituary: Okazaki, Chieko,” Deseret News, Aug. 7, 2011.

  4. Jereo ny Prince, “There Is Always a Struggle,” 121. Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany i Gordon B. Hinckley tamin’ny niantsoana ny Rahavavy Okazaki tamin’ny 1990.

  5. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27.