2018
Ny vavaka: Fanalahidy hahazoana fijoroana ho vavolombelona sy fanalahidin’ny Famerenana amin’ny laoniny
April 2018


Ny vavaka: Fanalahidy hahazoana fijoroana ho vavolombelona sy fanalahidin’ny Famerenana amin’ny laoniny

Nalaina avy tamin’ny lahateny natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 2003.

Araho ny ohatra nasehon’i Joseph Smith sy ny lamin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Halalino ny soratra masina. Mandohaliha dia mivavaha. Mangataha amim-pinoana. Henoy ny Fanahy Masina.

Sary
clasped hands

Sary avy amin’ny Getty Images

Amin’ny andraikitsika amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny Fiangonana antsika, dia matetika isika no ametrahana fanontaniana hoe: “Ahoana no andraisako fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny?”

Ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona sy ny fiovam-po dia manomboka amin’ny fandalinana sy ny vavaka, ary avy eo ny fiainana ny filazantsara amim-paharetana sy amim-pahavitrihana ary ny fanasana sy ny fahatokiana ny Fanahy. Ny fiainan’i Joseph Smith sy ny lamin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia ohatra tena tsara hanaovana izany dingana izany. Eto [am-pizarako] … ireo zava-nitranga nandritra ny Famerenana amin’ny laoniny dia tadiavo ireo dingana izay mitondra mankany amin’ny fijoroana ho vavolombelona. …

Fifanjevoana lehibe

I Joseph Smith dia teraka tamin’ny 23 desambra 1805 tao Sharon, Vermont, Etazonia. Teraka tao anatin’ny fianakaviana tia nivavaka sy nandalina ny Baiboly izy. Fony izy zatovo dia lasa liana tamin’ny fivavahana izy ary nahita “fifanjevoana lehibe” mahakasika ny fotopampianaran’i Kristy, izay nahitana “pasitera [nifanditra tamina] pasitera, ary niova fo tamina niova fo” (Joseph Smith—Tantara 1:6).

Io fifanjevoana io … dia nanomboka taonjato maromaro talohan’izay tao anatin’ilay nantsoina hoe Apôstazia Lehibe. “Tsy ho avy” ny andron’i Kristy hoy ny Apôstôly Paoly “raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana” (2 Tesaloniana 2:3).

Am-polo taonany vitsivitsy taorian’ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia novonoina ireo apôstôliny, nolotoina ny fampianarany, ary nesorina teto ambonin’ny tany ny fisoronana. Kanefa, rehefa nahita izao androntsika izao i Paoly dia naminany hoe: “Ny andro voatendry, [dia hanangona] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy [Andriamanitra]” (Efesiana 1:10). Hamerina amin’ny laoniny ny tena Fiangonan’i Kristy eto an-tany indray Izy. …

Nahazo valiny i Joseph

I Joseph … , teo amin’ny faha-14 taonany, dia tafalatsaka tao afovoan’ny “horakoraka teo amin’ny hevitra [ara-pivavahana].” Matetika izy no nanontany tena hoe: “Raha marina ny anankiray amin[’ireo fiangonana ireo], dia iza izany? Ary ahoana no hahafantarako azy?” (Joseph Smith—Tantara 1:10).

Nandalina ny Baiboly i Joseph mba hahazoana valiny. “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena,” hoy izy raha namaky tao amin’ny Epistily nosoratan’i Jakoba, “aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany” (Jakoba 1:5).

Sary
joseph praying

Sombiny avy amin’ny Ny fanirian’ny foko II, nataon’i Walter Rane

Mba hanarahana ny torolalana nomen’i Jakoba dia nandeha tany anaty alakely teo akaikin’ny tranony i Joseph dia nivavaka. Rehefa niantso an’ Andriamanitra izy dia nisy “andrim-pahazavana … nidina” namiratra lavitra noho ny masoandro amin’ny mitataovovonana, ary nisy “Olona roa” niseho. “Niteny … , ny anankiray Taminy, niantso [an’i Joseph] tamin’ny anara[ny] sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:16–17).

Niresaka tamin’i Joseph Andriamanitra ilay Ray sy i Jesoa Kristy Zanany. Namaly ny fanontaniany Izy ireo. Nampianatra azy Izy ireo fa tsy eto an-tany intsony ny tena Fiangonan’i Kristy. Nianatra i Joseph fa nisaraka sady olona roa samy hafa ireo mpikambana ao amin’ny Andriamanitra ireo. Nahafantatra ny anarany Izy ireo, ary vonona ny hamaly ny vavaka nataony Izy ireo. Nisokatra ny lanitra, nifarana ilay vanim-potoan’ny haizina, ary naverina tamin’ny laoniny indray ny fahazavan’ny filazantsara.

Tahaka an’i Joseph, dia maro amintsika no mikatsaka manokana ny fahazavan’ny fahamarinana. … Tahaka an’i Joseph, dia tsy maintsy manadihady ny soratra masina isika, mivavaka, … manetry tena, ary [mianatra] mampihatra finoana.

I Môrônia sy ireo takela-bolamena

Nandritra ireo telo taona taorian’ny Fahitany Voalohany dia [nilaza i Joseph fa matetika izy no nahatsapa ho kivy noho ny fahalemeny sy ny tsy fahatanterahany]. Saingy tsy very finoana izy na nanadino ny herin’ny vavaka.

Tamin’ny 21 septambra 1823, teo amin’ny faha-17 taonany, dia nandohalika i [Joseph] “ho famelana ny fahota[ny] … rehetra” … mba [hahafantarany] “ny toerany eo anoloa[n’ Andriamanitra]” (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:29). Teo am-pivavahany dia nisy hazavana … nipoitra, tsy nitsaha-nitombo “mandra-pahatongan [’ilay efitrano] hazava bebe kokoa noho ny amin’ny mitataovovonana” (andininy 30). Tao anatin’izany hazavana izany, dia indro nisy olona iray nijoro nanao akanjo lava “fotsy mangatsakatsaka fatratra” (andininy 31). Nantsoiny tamin’ny anarany i Joseph dia nampahafantatra ny tenany fa izy no Môrônia. Nilaza izy “fa manana asa ampanaovina [an’i Joseph] Andriamanitra”, ary niresaka taminy momba ny rakitsoratra fahiny “voasoratra amin’ny takela-bolamena,” izay lasa ho ny Bokin’i Môrmôna rehefa voadika. Nitahiry ny rakitsoratry ny fahafenoan’ny filazantsara ilay boky. (Jereo ny andininy 33–34.) … I Joseph dia notarihina ho any … amin’izany rakitsoratra izany, izay nalevina … [tao] amin’ny havoana akaiky teo … dia i Komôrà.

Ny ampitson’io dia hitan’i Joseph ireo takelaka, saingy tsy mbola tonga ny fotoana hamoahana azy ireo. Nanome torolalana an’i Joseph i Môrônia ny hihaona aminy teo amin’ilay toerana indray isaky ny herintaona katroka mandritra ireo efa-taona ho avy (jereo ny andininy 52–53). Nankatò i Joseph. Isan-taona izy dia nandeha teo amin’ilay havoana izay nanomezan’i Môrônia azy “torolalana” (andininy 54) mahakasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Kristy.

Nandray ireo takelaka i Joseph tamin’ny 22 septambra 1827, teo amin’ny faha-21 taonany. Izy ihany koa dia nandray fitaovana fahiny handikana azy ireo, izay antsoina hoe Orima sy Tomima. Nanomboka ny asa fandikanteny i Joseph tamin’ny alalan’ny fampiasana io fitaovana masina fandikanteny io, niaraka tamin’ny Fanahy Masina.

Nitranga ny Famerenana amin’ny laoniny

Teo amin’ny faha-23 taonany, dia teo am-pandikana ireo takelaka i Joseph rehefa tonga teo amin’ny andininy iray momba ny batisa ho famelana ny fahotana izy sy i Oliver [Cowdery mpitantsorany]. … Naniry ny hahafantatra misimisy kokoa izy ireo. Fantatr’i Joseph ny zavatra tokony hatao.

Tamin’ny 15 Mey 1829, dia nandeha tany an’ala [i Joseph sy i Oliver] mba hangataka fanazavana tamin’ny Tompo. Raha mbola nivavaka izy ireo dia niseho taminy tao anatin’ny “rahon’ny hazavana” i Jaona Mpanao Batisa (Joseph Smith—Tantara 1:68). Izy … dia nanao batisa ny Mpamonjy fony fahavelony, [ary] izy no nitana ny fanalahidin’ny fisoronana nilaina mba hanatanterahana izany ôrdônansy izany amin’ny alalan’ny fahefan’ Andriamanitra.

Nametra-tanana teo ambony [lohan’i Joseph ary avy eo teo amin’ny lohan’i Oliver] i Jaona ary nanome ny Fisoronana Aharôna tamin’ny [tsirairay avy] tamin’izy ireo (jereo ny F&F 13; Joseph Smith—Tantara 1:68–69). … Tamin’ny faramparan’ny volana mey na voalohandohan’ny volana jona 1829, dia nomen’ny Apôstôly isany Petera, Jakoba ary Jaona an’i Joseph sy i Oliver ny Fisoronana Melkizedeka na ny fisoronana ambony kokoa.

Sary
conferring the Aaronic Priesthood

Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka, nataon’i Walter Rane

Vita tamin’io jona io ihany koa ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, ary navoaka ilay boky tamin’ny 26 martsa 1830. … Andro maromaro taty aoriana, tamin’ny 6 aprily, dia natsangana tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana. … Araka ny faminanian’i Paoly dia tafatsangana indray teto an-tany ny fiangonan’i Kristy fahiny.

Saingy tsy mbola tapitra ny Famerenana amin’ny laoniny. … [Ny Tempolin’i Kirtland, ny tempoly voalohany tato anatin’ity fotoampitantanana ity,] dia notokanana … tamin’ny 27 martsa 1836. Herinandro taorian’izay, ny 3 aprily, dia nisy fivoriana natao tao. Taorian’ny vavaka masina sy mangina, … dia [niseho tamin’i Joseph sy i Oliver] i Jesoa Kristy Tompo. … Niseho [tao amin’ny Tempolin’i Kirtland] koa i Mosesy sy i Elià ary i Elia ary [nanome ny fanalahidin’ny fisoronana] an’i Joseph (jereo ny F&F 110).

Sary
in the Kirtland Temple

Sombiny avy amin’ny Niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jesoa Kristy, nataon’i Walter Rane

Lamina mba harahintsika

Ry rahalahy sy anabavy, hitantsika ve ilay lamina? Ny zava-nitranga lehibe rehetra tao anatin’ny Famerenana amin’ny Laoniny, dia ny Fahitana Voalohany, ny nisehoan’i Môrônia sy ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, ny famerenana tamin’ny laoniny ny fisoronana, ary ny nisehoan’i Jesoa Kristy [tao amin’ny] tempoly masiny, dia nialohavan’ny vavaka. …

Efa [imbetsaka] aho no nahatsapa ilay fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Fanahin’ Andriamanitra izay tsy azo lavina tahaka ny afo nirehitra tato am-poko, fa marina ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. … [Raha tsy mahafantatra ireo zavatra ireo ao anatinao ianao] dia mandroso sosokevitra aho ny hanekenao ilay fanasana nataon’i Môrônia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Ary amin’ ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:4–5). …

… Araho ny ohatra nasehon’i Joseph Smith sy ny lamin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Halalino ny soratra masina. Mandohaliha dia mivavaha. Mangataha amim-pinoana. Mihainoa ny Fanahy Masina. … Ary mampanantena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy aho fa “Raha … mangataka [amin’ny Ray any An-danitra] amin’ny finoana [ianareo], sady matoky fa hahazo izany, no mazoto amin’ny fankatoavana ny didi[n’ny Tompo], dia hampahafantarina anareo marimarina tokoa ireo zavatra ireo” (1 Nefia 15:11).