2018
Very dia hita indray
April 2018


Very dia hita indray

Sary
lost and found

Fantatro fa mamaly vavaka ny Ray any An-danitra. Rehefa nipetraka tany Alemana ny fianakaviako dia nandeha nanao Volksmarch tao amin’ny tanànanay izahay. Ny Volksmarch dia fotoana iray ahafahan’ny mpinamana sy ny mpiray vodirindrina miaraka amin’ny alalan’ny fiarahana mitsangantsangana eny anivon’ny zavaboary. Nilaza ireo ray aman-dreniko fa afaka mandeha mialoha lalana ilay andiany miaraka amin’ny iray amin’ireo namako aho, ka dia nanomboka nandeha tamin’ilay lalana lava be izahay.

Minitra vitsy taorian’izay dia tsy nahita na iza na iza tao amin’ny fianakaviako aho. Niteny tamin’ilay namako aho hoe handeha hijanona eo amin’ilay lalana aho dia hiandry azy ireo. Vetivety teo dia tsy nisy hitako intsony na ilay namako na ny fianakaviany, ary tsy mbola tonga ireo ray aman-dreniko. Tavela irery tao anaty ala aho, ka dia natahotra. Nanapa-kevitra ny hivavaka aho mba hisy olona hahita ahy.

Tany amin’ny toerana hafa tao anatin’ilay ala, dia nahatsapa ny Fanahy Masina ny dadako niteny taminy hoe “Mandehana tadiavo ny zanakao.” Tsapany fa tena nila azy aho, ka dia niverina ny dadako sady niteny tamin’ny neniko fa handeha hitady ahy izy. Minitra vitsy taorian’izay dia tonga nihazakazaka nankeo amin’ilay lalana niandrasako ny dadako ka dia hitany aho. Faly ery aho nahita ny dadako! Rehefa notantarainy tamiko ny nananany fahatsapana mahery vaika fa nila fanampiana aho, dia fantatro fa namaly ny vavaka nataoko ny Ray any An-danitra.

Faly ery aho mahafantatra fa na aiza na aiza no misy ahy dia afaka miresaka amin’ny Ray any An-danitra aho. Hanampy ahy hahita ny lalako Izy.