2018
Ilay alahady maraina namiratra
April 2018


Fianarana filazantsara

Ilay alahady maraina namiratra

Nalaina avy tamin’ny lahateny natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 2006.

Tamin’io andro io dia nandresy ny famatoran’ny fahafatesana ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty. Niakatra avy tao amin’ny fasana Izy dia niseho tamin’ny fandresena feno voninahitra amin’ny maha-Mpamonjy ny olombelona rehetra Azy.

Sary
Mary Magdalene at the tomb

Fantatsika ny atao hoe Fitsanganana amin’ny maty: ny fitambaran’ny fanahy sy ny vatana indray amin’ny endriny lavorary. …

Azonao an-tsaina ve izany? Miaina mandrakizay ao anatin’ny sokajin-taona maha-matotra sy mampatanjaka indrindra antsika? Tsy marary na oviana na oviana, tsy manaintaina na oviana na oviana, tsy vesaran’ireo fahoriana izay manemitra antsika manodidina matetika tokoa mandritra ny fiainana an-tany?

Ny Fitsanganana amin’ny maty no ampahany manan-danja indrindra amin’ny zavatra inoantsika amin’ny maha-Kristianina antsika. …

… Rehefa nitsangana avy tao am-pasana ny Mpamonjy, … dia nanao zavatra tsy azon’iza na iza natao Izy. Nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana Izy, tsy ho Azy irery fa ho an’ireo rehetra izay efa niaina, dia ny marina sy ny meloka. …

… Nomeny izany fanomezana izany daholo ny rehetra. Ary tamin’ny alalan’izany asa tena tsara izany no nanamaivanany ilay alahelo mahaketraka sy mikiky izay mandrotika ny fanahin’ireo izay namoy havan-tiana sarobidy.

“Azoko sary an-tsaina hoe maizina tokoa io andro zoma io rehefa nakarina teo amin’ny hazofijaliana i Kristy. …

… “Nihorohoro ny tany ary nihamaizina ny andro. …

“Nifaly ireo lehilahy ratsy fanahy izay nifofo ny ainy. …

Tamin’io andro io dia nizara roa ny voalin’ny tempoly.

“I Maria Magdalena sy i Maria renin’i Jesoa dia samy vonton’alahelo. … Nihantona efa tsy nisy aina intsony teo amin’ny hazofijaliana ilay lehilahy mahatalanjona izay tian’izy ireo. …

… Nalahelo mafy ireo Apôstôly. I jesoa, ilay Mpamonjy azy ireo, ilay lehilahy izay nandeha teo ambony rano sy nanangana ny maty, dia teo am-pelatanan’ireo ratsy fanahy. …

Zoma feno alahelo nahakivy sy nikiky izany. …

Mieritreritra aho fa amin’ny andro rehetra hatramin’ny nanombohan’ny tantaran’ity izao tontolo izao ity dia izany zoma izany no maizina indrindra.

[Saingy] tsy naharitra ilay fahadisoam-panantenana satria ny alahady dia nandresy ny famatoran’ny fahafatesana ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty. Niakatra avy tao amin’ny fasana Izy dia niseho tamin’ny fandresena feno voninahitra amin’ny maha-Mpamonjy ny olombelona rehetra Azy.

Maina tao anatin’ny fotoana fohy ireo maso izay kotsan’ny ranomaso nijohy. Ireo molotra izay nibitsika vavaka fitarainana sy alahelo dia nanjary nameno ny tontolo tamin’ny fiderana mahafinarina, satria i Jesoa Kristy, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona, dia nijoro teo anoloan’izy ireo ho … porofo fa ny fahafatesana dia fanombohan’ny fisiana vaovao sy mahatalanjona fotsiny ihany

“Ny tsirairay avy amintsika dia handalo ny zoma izay antsika manokana, izany hoe ireo andro izay ahatsapana fa toy ny hoe mirodana avokoa ny tontolo manodidina antsika ary tsy tanteraka ny nofinofintsika. …

Saingy mijoro ho vavolombelona aminareo aho amin’ny anaran’ilay Iray izay nandresy ny fahafatesana, fa ho avy ilay Alahady. Raha ao anatin’ny alahelo lalina isika dia ho avy ilay Alahady.

… Na toy ny ahoana ny alahelontsika dia ho avy ilay Alahady. Ho avy ilay Alahady na eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tsy angano ny Fitsanganana amin’ny maty. Manana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo olona nahita Azy isika. Olona an’arivony tao amin’ny Kaontinanta Eorôpeana sy Aziatika sy ny Kaontinanta Amerikana no nahita ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty. Nitsapa ny holatra teo amin’ny tanany sy ny tongony ary ny lanivoany izy ireo. …

Nahazo hery vaovao ny mpianatra taorian’ilay Fitsanganana tamin’ny maty. Nitety an’izao tontolo izao izy ireo … nanambara tamim-pahasahiana ny amin’i Jesoa ilay Kristy, ilay Zanak’ilay Andriamanitra velona nitsangana tamin’ny maty.

Ny maro tamin’izy ireo … dia maty maritiora, sady nijoro ho vavolombelona momba ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty teo am-pialany aina.

Nanova ny fiainan’ireo izay nahita maso izany ilay Fitsanganana tamin’ny maty. Tsy tokony hanova ny antsika koa ve izany?

Hitsangana avy ao am-pasana daholo isika. …

Noho ny fiainan’ny Mpamonjy izao tontolo izao sy ny sorona mandrakizay nataony dia ho tafaraka indray amin’ireo olona nolalaintsika isika.

… Hifaly isika amin’izay andro izay fa nandresy ny zavatra rehetra ilay Mesia, ka ho afaka hiaina mandrakizay isika.

Noho ireo ôrdônansy masina raisintsika ao amin’ny tempoly masina dia tsy afaka handrava ny fifandraisana izay nohamafisina tamin’ny fatorana mandrakizay ny fialantsika eto amin’ity fiainana an-tany izay tsy maharitra ity.

Mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba ôfisialy aho fa tsy ny fahafatesana no fiafaran’ny fisiana. …

Enga anie isika hahatakatra sy hiaina amin’ny fananana toe-tsaina tia mankasitraka noho ny fanomezana tsy hay sandaina izay azontsika amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana antsika, sy noho ilay fampanantenana izany andro mamiratra izany rehefa hitsangana amim-pandresena avy ao am-pasana isika rehetra.

… Na toy ny ahoana ny Zoma atrehantsika, dia ho avy ilay Alahady.