2018
Inona, nahoana, ary tamin’ny fomba ahoana: Fanazavana amin’ny antsipiriany ny Famerenana amin’ny laoniny
April 2018


Inona, nahoana, ary tamin’ny fomba ahoana: Fanazavana amin’ny antsipiriany ny Famerenana amin’ny laoniny

Mba hampianarana ny filazantsara, dia tokony ho afaka hanazava ny atao hoe apôstazia, fotoampitantanana, ary ny Famerenana amin’ny laoniny ianao. Afaka manampy ity tabilao ity.

Sary
a breakdown of the restoration 1
Sary
a breakdown of the restoration 2

Mody ataovy hoe manao dia mandritra ny herinandro any amoron-dranomasina miaraka amin’ny fianakavian’ny namanao ianao. Nahazo fahafinaretana be ianao, kanefa manomboka malahelo ny fianakavianao. Dia nandefa hafatra an-tsoratra ho anao ny dadanao mba hahafantarany izay mitranga any, ary izay mihitsy no nilainao mba hahatsapanao fa tiana sy misy mahatsiaro ianao.

Mitovitovy amin’izany ny fiainana eto an-tany. Tsy mandefa hafatra an-tsoratra ho antsika Andriamanitra, kanefa lavitra ny fonenantsika any an-danitra isika, ka noho izany dia fomba iray hampitan’ny Ray any An-danitra ny fitiavany antsika ny fanirahana mpaminany.

Fotoampitantanana

Sary
prophets called of God

Sary nataon’i Ben Simonsen

Ny mpaminany no mitarika ny antsoina hoe vanim-potoan’ny fotoampitantanana, rehefa (1) manana mpitarika mpihazona ny fisoronana iray farafahakeliny eto an-tany Andriamanitra ary (2) io mpitarika io, izay mpaminany, dia mianatra momba ny drafitry ny famonjena mivantana avy amin’ Andriamanitra. Avy eo ilay mpaminany dia mampianatra, na mizara, ny filazantsara amin’ny olona.

Noho ny soratra masina dia mahafantatra ny mombamomba ny maro amin’ireo fotoampitantanana isika. Anisan’ireo manan-danja ny an’i Adama, Enôka, Noa, Abrahama, Mosesy, Jesoa Kristy, ary Joseph Smith. Nanomboka fotoampitantanana iray ny Tompo tamin’ny alalan’ny tsirairay avy tamin’ireo mpaminany ireo.

Apôstazia

Sary
apostasy cycle

Apôstazia=faharatsiana. Rehefa miala amin’ny fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny olona iray na ny andian’olona iray, ary mandà ny mpaminany sy manomboka manota, dia ao anatin’ny apôstazia izy ireo.

Ny fomba fitrangan’ny Apôstazia

Miantso mpaminany iray izay mampianatra ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy Andriamanitra.

Voatahy ireo olona manaraka ny fampianaran’ilay mpaminany.

Manomboka feno avonavona sy mandà ny mpaminany ny olona sasany.

Matetika ny Tompo no manaisotra ny mpaminaniny tsy ho eo amin’ireo olona mandà ny fitsipiky ny filazantsara.

Rehefa tonga ny fotoana maha-mety izany, dia miantso mpaminany vaovao Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny ny fisoronana sy ny Fiangonana.

Famerenana amin’ny laoniny

Sary
restoration

Ny famerenana amin’ny laoniny dia ny famerenana zavatra iray ho amin’ny toetrany tany am-piandohana. Tsy fanavaozana izany, izay manova zavatra iray efa misy mba hamoronana zavatra vaovao. Ohatra, raha te hamerina amin’ny laoniny ny trano efa antitra iray ianao, dia hamerina hanangana izany amin’ny rafi-trano izay nananany tany am-boalohany. Mety te hanampy cheminée vaovao ianao, fa amin’izay fotoana izay ianao dia manova ilay trano, fa tsy mamerina izany amin’ny laoniny.

Nilaina naverina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy satria tsy teo intsony izany nandritra ny Apôstazia Lehibe. Niaina nandritra ny taonjato maro tsy nisy ny Fiangonana marina ny olona. Noho izany ny Tompo dia namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany sy ny filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith, tahaka izay naminanian’ireo mpaminany fahiny izany (jereo ny Isaia 2:1–3; 29:13–14; Asan’ny Apostoly 3:19–21; Apokalypsy 14:6–7; 2 Nefia 3:3–15).

Hitoetra eto foana ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy, ka moa ve ianao hijanona ho mahatoky amin’izany mandritra ny fotoana maha-eo izany? Na dia miharatsy hatrany hatrany aza izao tontolo izao, dia hitoetra hatramin’ny farany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Manana safidy tokony hatao ianao, dia ilay safidy efa nataon’ny olombelona rehetra hatrany am-piandohana: hanaraka ny mpaminany ve ianao? Raha manao izany ianao dia hotahiana sy hanana ny Fanahy hitarika anao.

Adama

I Adama dia tena mpamaky lay: izy no lehilahy voalohany teto an-tany sady mpaminany voalohany. Nampianariny ny fianakaviany ny filazantsara, kanefa na dia tany am-piandohana aza, dia maro no “nikatsaka ny toroheviny ihany tao amin’ny maizina” ka nandà ny fahamarinana (Mosesy 6:28).

Enôka

Sary
city taken up to heaven

Efa nandre mikasika ny tanàna iray manontolo nakarina tany an-danitra ve ianao? Ny tanànan’i Ziona, izay naorin’i Enôka, dia tena marina tokoa ka dia lasa niara-nitoetra amin’ Andriamanitra ireo vahoaka tao (jereo ny Mosesy 7:23).

Noa

Sary
noahs ark

Mahafantatra ny tantaran’ny sambofiaran’i Noa ianao. Olona valo ihany, dia ny fianakavian’i Noa, no tafavoaka velona tamin’ilay Safodrano satria nihaino ny fampitandreman’i Noa izy ireo (jereo ny Genesisy 7; Mosesy 8). Fa fantatrao ve fa teo amin’ny faha-10 taonany izy no nandray ny fisoronana (jereo ny F&F 107:52) ary nisy “olona goavam-be … [nitady an’i] Noa hanalany ny ainy”? (Mosesy 8:18).

Abrahama

Sary
abraham

Efa saika nataon’ny mpisorona ratsy fanahy sorona i Abrahama, saingy nisy anjely nanavotra azy (jereo ny Abrahama 1). Nahazo fanambarana vitsivitsy mahatalanjona izy, anisan’izany ny fahitana iray nahitany ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Taranany ny mpikamban’ny Fiangonana, ary nampitondrana ny anarany ny fanekempihavanan’i Abrahama. (Jereo ny Abrahama 2–5.)

Mosesy

Sary
moses

Nitarika ny Isiraelita niala avy tao Egypta i Mosesy ary nanampy azy hahazo fahafahana. “[Nikatsaka] tamin’ny fahazotoana tokoa [izy] hanamasinana ny vahoakany, ka hahazoan’izy ireo mahita ny tavan’ Andriamanitra; nefa nohamafisin’ izy ireo ny fony ka tsy tantin’izy ireo ny fanatrehana Azy” (F&F 84:23–24). Raha ny marina, dia nirenireny tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona izy ireo noho ny fihemorany!

Jesoa Kristy

Sary
Jesus Christ

Tsy vitan’ny hoe nampianatra ny filazantsara sy nanatontosa fahagagana maro fotsiny i Jesoa Kristy, fa nanorina ny Fiangonany teto an-tany koa Izy. Nanao sorona fanavotana noho ny fahotantsika Izy ary nohomboina sy nitsangana tamin’ny maty mba hanomezana fahafahana antsika handresy ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana. Izy no lohan’ny Fiangonany amin’izao fotoana izao, ary Izy sy ny Ray any An-danitra no loharanon’ny fahefan’ny fisoronana.

Ny Apôstazia Lehibe

Sary
the great apostasy

Taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia niezaka nampiely ny filazantsara ny Apôstôliny sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, saingy nolavin’ny olona ny fampianaran’izy ireo, ary novonoin’izy ireo mihitsy aza ny ankamaroan’ireo Apôstôly. Noho ny faharatsian’ny olona dia tsy teto an-tany intsony ny fahafenoan’ny filazantsara. Tafalatsaka tao anatin’ny haizina ara-panahy izao tontolo izao (jereo ny Isaia 60:2).

  • Nandritra ny 1.000 taona mahery, dia tsy afaka nandray ny ôrdônansin’ny famonjena, ny fitahiana avy amin’ny tempoly, na ny fitarihan’ny mpaminany ny olona.

  • Tsy hita tao amin’ny Baiboly intsony ireo fahamarinana sarobidy.

  • Hevi-diso maro no nampianarina momba ny tena toetran’ Andriamanitra.

  • Novaina na nampianarina tamin’ny fomba diso ny sasany tamin’ireo ôrdônansin’ny famonjena (jereo ny Isaia 24:5).

  • Ity apôstazia ity tamin’ny farany dia nitarika ny fiforonan’ny fiangonana maro.

Ny Fanavaozana

Sary
reformation

Nandritra ny Apôstazia Lehibe, dia nahatsikaritra ny sasany tamin’ireo olona tena nifantoka tamin’ny fivavahana tao Eorôpa fa tsy nampianarina araka ny tokony ho izy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireo mpanavao ireo dia tsy mpaminany, kanefa nanao izay azony natao rehetra izy ireo mba hampianarana ny fahamarinana araka izay nahatakarany izany. Nanampy tamin’ny fanomezana fahafahana ny olona hampiasa ny Baiboly izy ireo. Maro ireo izay niady ho an’ny fahalalahana ara-pivavahana ka dia nahatonga ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara ho azo notanterahina.

Joseph Smith

Sary
joseph smith

Ka very tanteraka ary ve ny fahafenoan’ny filazantsara? Tsia! Nanambara fahamarinana manan-danja tamin’i Joseph Smith indray Andriamanitra. Nisy iraka avy any an-danitra namerina tamin’ny laoniny taminy ireo fanalahidin’ny fisoronana nilaina rehetra (jereo ny F&F 27:8–13; 110; 128:18–21), ka nahatonga an’izao fotoana izao ho ny “fitantanan’ny fotoam-pahafenoana” (F&F 138:48). Antsoina hoe andro farany ihany koa izany satria izao no fotoampitantanana farany mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Ny Famerenana amin’ny Laoniny

Mba fantatrao ve? Nahazo ny fitahiana avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny IANAO. Eny, ianao!

  • Naverina tamin’ny laoniny niaraka tamin’ny mpaminany sy apôstôly mba hitarika izany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Voahangy Lafo Vidy, ary ireo fanambarana maoderina dia namerina tamin’ny laoniny ireo fahamarinana sarobidy izay very (jereo ny 2 Nefia 27).

  • Nahazo ny Fisoronana Aharôna avy tamin’i Jaona Mpanao Batisa i Joseph Smith (jereo ny F&F 13) ary ny Fisoronana Melkizedeka avy tamin’ny Apôstôly isany Petera sy Jakoba ary Jaona (jereo ny F&F 128:20).

  • Mpihazona ny fisoronana manana fahefana no manatanteraka araka ny tokony ho izy ireo ôrdônansin’ny famonjena.

  • Ary fantatsika fa tsy ho very na oviana na oviana indray ao anatin’ny apôstazia ny fahamarinana (jereo ny Daniela 2:44).