2018
Inty ilay toerana
April 2018


Inty ilay toerana

Simeon Nnah

Aba, Nigéria

Sary
man standing in the temple

Sary nataon’i Allen Garns

Ny raiko, izay Kristianina mahatoky, dia nampianatra ahy hino an’i Jesoa Kristy. Nanampy ahy ho tafavoaka velona nandritra ny ady an-trano telo taona tao Nigéria io finoana io tamin’ny faramparan’ny taona 60 fony aho tao amin’ny tafika. Taty aoriana anefa dia lasa niroaroa saina aho ka tsy nandeha nivavaka intsony.

Rehefa nankany Etazonia aho tamin’ny 1981 mba handranto fianarana dia tsapako fa nila an’ Andriamanitra teo amin’ny fiainako aho. Nandritra ny roa taona dia nivavaka tany amin’ny fiangonana isan-karazany tao Boston Massachusetts aho, saingy tsy nisy nahasarika ahy izy ireo. Tsy nahatsapa ny Fanahy aho ka dia tsy nitady intsony.

Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’i Mabel vadiko avy any Nigéria taty amiko tamin’ny 1984, dia nanomboka nanana faniriana niredareda ny hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra indray aho, ary hiditra ho mpikambana ao amin’ny fiangonana iray. Ny namako iray izay nitsidika anay avy any Nigéria dia tsy nahafantatra hoe nitady fiangonana iray aho, fa niresaka tamiko momba ny fiangonana iray izy, izay reny fa manana boky antsoina hoe ny Bokin’i Môrmôna.

Taorian’izay dia nanohy nitady fiangonana aho. Nahita fiangonana iray aho, izay antsoina hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nahaliana ahy ilay teny hoe olomasina. Tsy fantatro hoe nisy fiangonana iray nahitana mpikambana nantsoina hoe olomasina. Tamin’izay alahady izay dia nanapa-kevitra ny hanadihady ny momba izany aho.

Tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo izay natrehako, dia nihira fihirana tamin’ny fomba feno fanajana ireo mpiangona, nanamasina mofo sy rano ny mpisorona, ary notarihina tamim-pilaminana sy tamim-panetrentena ilay fivoriana. Taorian’izay, rehefa nandeha teo an-dalantsara aho ka nandinika ilay fivoriana, dia nahare ny anarako.

“Simeon a!” hoy ny feon’ny Fanahy, “inty ilay toerana.”

Tamin’izay fotoana izay indrindra dia nisy misiônera roa nanatona. Nampahafantatra ny tenany sy ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Nijery azy ireo aho dia niteny hoe: “Tsy misy zavatra fantatro momba ny Bokin’i Môrmôna, fa mahafantatra ny Baiboly aho. Vonona aho.”

Nanomboka nampianatra ahy momba ny drafitry ny famonjena izy ireo. Iray volana latsaka taorian’izay dia natao batisa aho. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny vadiko fotoana fohy taorian’izay. Taona vitsy taorian’izay dia nofehezina tany amin’ny Tempolin’i Washington D.C. izahay ary nofehezina taminay ny zanakay dimy.

Maro ny zavatra nambara tamiko tao amin’ny tempoly, fa ireo teny reko fony aho nandeha voalohany tany am-piangonana dia nohamafisina tamiko im-betsaka tao anatin’ny fanambarana tao amin’ny tempoly manao hoe: “Inty ilay toerana.” Ny fiantraikan’izany teny nambaran’ny Fanahy Masina izany dia nanova tanteraka ny fiainako sy ny fiainan’ny vady aman-janako.