2018
Fanambadiana, vola, ary finoana
April 2018


Fanambadiana, vola, ary finoana

Mipetraka any amin’ny Faritr’i Ashanti Ghana ny mpanoratra.

Tsy nanam-potoana firy izaho sy ny fofombadiko talohan’ny fanambadianay, ary tsy dia nanam-bola firy, kanefa nanana zavatra manan-danja kokoa noho izany izahay: finoana.

Sary
Sunday and Priscilla on their wedding day

Nanatrika ny fivorian’ny tanora tokan-tena tao Kumasi Ghana aho, tsy hitady olon-tiana akory, satria efa vita fifamofoana aho, fa noho ny fahatsapako fa nila famporisihana bebe kokoa aho ary ilay fivoriana no ho toerana tsara hahitana izany. Mazava ho azy fa novalina tany amin’ilay fivoriana ny vavaka nataoko rehefa avy nanao lahateny momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana any amin’ny Tempoly Rahavavy Call, izay misiônera zokiolona nomena andraikitra hiara-hiasa amin’ny tanora tokan-tena.

Rehefa akaiky hifarana ilay resadresaka dia niova tampoka ny endriny, ka hoy izy hoe: “Tsy mila vola ianareo mba hahafahana manambady, finoana no hany ilainareo.” Tsapako ho toy ny niresaka tamiko mivantana izy, saingy tsy neritreretiko hoe tena azo ampiharina amiko tokoa izany satria tsy maintsy nividy zavatra maromaro izahay mba hanomanana ilay fampakaram-bady. Niteny anakampo aho hoe: “Amin’ny fomba ahoana no ahafahako tsy hila vola fa finoana fotsiny ihany?”

Nieritreritra izany imbetsaka aho nandritra ilay herinandro. Nandritra izany dia nanontany tena aho hoe: “Fa angaha moa Andriamanitra voafetra amin’ny zavatra azony atao? Tamin’ny voalohany dia nieritreritra aho hoe tsia, saingy taorian’izay dia nieritreritra aho hoe eny. Kanefa taorian’izay dia tonga ny fanontaniana fanampiny hoe: “Fa nahoana moa Izy no ho voafetra raha manana ny hery rehetra?” Ny Fanahy no nampianatra ahy ny valiny: Miankina amin’ny fankatoavantsika Azy ny fitahiana avy amin’ Andriamanitra. Tsy voafetra Izy amin’ny fahafahany mitahy antsika, kanefa tokony hanao izay hiavian’ireo fitahiana ireo isika amin’ny alalan’ny fampiharana finoana hanao ny zavatra asainy ataontsika.

Taty aoriana dia niantso an’i Priscilla fofombadiko aho mba hiresaka momba ilay drafitra naroso momba ny fanambadianay. Na dia tsy nanam-bola aza izahay, dia nanapa-kevitra ny hifidy daty hanaovana ny fanambadianay, kanefa tsy afaka nanapa-kevitra ny amin’ny daty iray manokana izahay. Nifanaiky izahay fa tokony hanontany ny evekany izy ny amin’izay daty malalaka ao amin’ny kalandirien’ny paroasy sy ny tsatòka. Tamin’ireo daty roa natolony, dia nifidy ny 27 septambra 2014 izahay, izay nidika fa zara raha nanana fito herinandro izahay mialoha ilay datin’ny fanambadiana!

Nanontany i Priscilla hoe: “Obim [izay midika hoe “ry foko” amin’ny fiteny Igbo], manam-bola ve ianao? Tsy manam-potoana firy intsony isika.”

Novaliako hoe: “Tsia, fa mba manana finoana ihany aho.”

Nihomehy izy dia niteny hoe: “Tsy maninona izany. Andao hifady hanina sy hivavaka.” Notohizany tamin’ny fitenenana ny 1 Nefia 3:7 tamin’ny teniny manokana hoe: “Hanomana lalana ho antsika ny Tompo satria nandidy antsika hanambady Izy.”

Tao anatin’izay herinandro izay dia nomena ahy ny karamako avy amin’ny asa iray nataoko volana maromaro teo aloha. Dia niteny tamiko avy eo i Priscilla fa te hanokatra orinasa kely izy mba hahazoana vola bebe kokoa. Nividy poaketram-behivavy efa niasa tamin’ilay vola azoko izy, dia namerina nivarotra izany. Rehefa avy nividy ny sasany tamin’ireo zavatra tao anatin’ny lisitr’ireo zavatra tena nilaina izy, dia mbola nanana indroa avo henin’ilay vola nomeko azy.

Nandritra io fotoana io dia tsy nisy asa azoko natao. Tsy nisy azoko ireo asa nampanantenain’ny olona ahy. Roa herinandro sisa no nanananay kanefa mbola nisy zavatra nilainay novidina. Nandroso sosokevitra ny fofombadiko ny hanemorana ilay daty. Ny hany nolazaiko dia hoe: “Efa misy fahagagana miala any.”

Roa andro monja mialoha ny andro hanambadiany dia nitranga ilay fahagagana: Nomena ahy ny karamako tamin’ny asa iray izay nataoko tao anatin’ny roa herinandro mialoha izay. Nianatra ihany koa aho fa rehefa manam-pinoana sy miasa mafy dia hitahy antsika ny Tompo mba hanatanterahana ny tanjona mendrika ananantsika.

Nankany amin’ny banky izahay haka vola tamin’ilay seky ary avy eo dia nankany an-tsena nividy ny sisa tamin’ireo zavatra tena nilaina tao anatin’ny oram-be, izay noraisinay ho toy ny fankatoavan’ Andriamanitra ny fanehoanay finoana.

24 ora latsaka taorian’izay dia notanterahina ny fanambadianay. Rehefa nasaina nifanolotra voady izahay dia tsy mbola nisy fahatsapana nitovy tamin’izay tsapako tamin’izay teo amin’ny fiainako. Nahatsapa ho tena nahatontosa zavatra lehibe aho ka nanjary nino fa afaka hanao ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny finoana nanomboka tamin’izay fotoana izay. Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Accra Ghana izahay taty aoriana.

Na dia mety mila vola kely hanomanana fanambadiana aza ianao dia ny finoana no zavatra manan-danja indrindra ilainao.