2018
Lesona iray mahatalanjona
April 2018


Lesona iray mahatalanjona

“Hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana … ho anareo” (Malakia 3:10).

Sary
An Amazing Lesson

Rehefa nihalehibe tany Guatemala aho, dia nanana orinasa mpanamboatra fanamiana ho an’ny ekipa mpanao fanatanjahan-tena ny fianakaviako.

Tian’ny dadako hianatra hiasa mafy ny ankizy tao amin’ny fianakavianay. Nanampy azy tao amin’ilay orinasa izahay. Matetika loatra aho no nanao hadalana fony aho mbola kely. Toa manimba zavatra izany foana aho! Fa rehefa lehibe kokoa aho, dia navelan’ny dadako nikarakara an’ireo milina fanaovam-ba.

Nomen’ny dadako karama izahay tamin’ny asa nataonay. Dia nanontany izy avy eo hoe: “Inona izao no hataonao amin’ny volanao?” Fantatro hoe inona ny valinteny marina: “Handoa ny fahafolonkarenako dia hanangom-bola hanaovako asa fitoriana.”

Rehefa teo amin’ny 13 taona teo aho dia very vola be ny orinasanay. Tsy maintsy nesorinay ny maro tamin’ireo milina fanaovam-banay. Raha tokony hanana mpiasa roanjato izahay, dia lasa latsaky ny dimy izany. Niasa tao amin’ny fitoeran’ny fiaranay tao an-trano izy ireo.

Nandoa ny fahafolonkarenako foana aho hatrizay, fa tsy mbola tena takatro mihitsy ny lanjan’izany. Dia nianatra lesona mahatalanjona aho avy eo. Indray sabotsy maraina dia nahare ireo ray aman-dreniko niresaka moramora aho. Nilaza tamin’i neny i dada fa vola ampy handoavana fahafolonkarena na hividianana sakafo no sisa tao. Tsy ampy hanaovana azy roa izany. Nanahy aho. Inona no hataon’ny dadako?

Ny alahady dia hitako ny dadako nanome valopy iray an’ny filohan’ny sampana misy anay. Nisafidy ny handoa fahafolonkarena izy! Faly aho fa nanao izany izy, fa nanahy ihany koa aho. Inona no hohaninay?

Ny ampitso marainan’izay dia nisy olona vitsivitsy nandondona ny varavaranay. Nilaza tamin’ny dadako izy ireo fa nila fanamiana teo no ho eo. Raha ny mahazatra dia rehefa vita ny asa nampanaovina vao manome karama anay ny olona. Fa ireo olona ireo dia nandoa ny karaman’i dadako tamin’io andro io, na dia mialoha ny nanamboaranay ireo fanamiana aza!

Tao anatin’ny faran’ny herinandro iray no nianarako lesona tena tsara izay tsaroako nandritra ny androm-piainako. Ny lalàn’ny fahafolonkarena dia manampy antsika hampiorina ny finoantsika sy haneho fankasitrahana ny Ray any An-danitra. Fitahiana ny fandoavana fahafolonkarena!