2022
Nanova mandrakizay ny fiainako ny nanaovako asa fitoriana
Mey 2022


Nanova mandrakizay ny fiainako ny nanaovako asa fitoriana

Mivavaka aho mba hahitanareo sy hahafantaranareo zatovolahy sy zatovovavy ary ny ray aman-dreninareo ny fomba hampiova mandrakizay ny fiainanareo noho ny fanaovana asa fitoriana.

Misaotra ry Filoha Nelson noho ny fizarana indray izany torohevitra mikasika ny fanaovana asa fitoriana izany.

Ry rahalahy sy ranabavy, taona maro lasa izay raha teo am-panaovana lahateny tamin’ny fihaonambe maneran-tany aho dia nanjavona tampoka ny masoko havia noho ilay antsoina hoe dégénérescence maculaire, izay nihombo taty aoriana ka tsy nahita intsony io masoko ilany io.

Raha niatrika izany olana izany aho dia velom-pankasitrahana kokoa noho ireo karazana fahitana hafa, isan’izany ny fananana fomba fijery vaovao mikasika ny zava-nitranga tany aloha tany. Rehefa nanao jery todika ny fiainako aho dia lasa afaka nahita ireo traikefa sasany izay nanova zavatra tokoa. Iray amin’ireo traikefa ireo ny fomba nahafahan’ny fanaovana asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Angletera fony aho zatovo nanova ny fiainako sy niantraika tamin’izay hiafarako teo amin’ny ara-panahy.

Nodinihiko ny fomba nahatonga ireo olana ara-toekarena nentin’ny Krizy Lehibe tamin’ny taona 1930 hitondra fiovana nampalahelo teo amin’ny fiainan’ny ray aman-dreniko sy ny fianakavianay. Lasa rempotra tokoa ny raiko nanavotra ilay fivarotana fiara notantaniny sy namelona ny ankohonany nandritra izany vanim-poatoan-tsarotra izany ka nisy fotoana tsy tonga nivavaka intsony ireo ray aman-dreniko.

Na dia tsy niara-namonjy fotoam-bavaka aza ny fianakavianay, dia tsy nanakana ahy izany tsy hanatrika tsindraindray niaraka tamin’ireo namako.

Tamin’izany andro izany dia tao an-tsaiko tao ny hoe handeha hanao asa fitoriana, saingy tsy noresahiko tamin’ireo ray aman-dreniko ny momba izany.

Rehefa tany amin’ny ambaratonga ambony izahay dia nanapa-kevitra aho sy ny namako maromaro handeha hanao asa fitoriana. Raha nihaona tamin’ny eveka aho dia nameno ny taratasy fangatahana ho misiônera raha sendra tsy teo an-toerana ny ray aman-dreniko. Rehefa tafaverina ireo ray aman-dreniko dia tsy nampoizin’izy ireo tanteraka ny nanambarako fa voantso hanompo any Grande Bretagne aho. Feno fankasitrahana aho noho ny fanohanan’izy ireo feno fientanentanana an’izany fanapahan-kevitra izany, ary noho ireo namana tsara izay nanampy ahy hanapa-kevitra hanompo.

Nanomana ahy ho tonga vady sy raim-pianakaviana, ary ho mpandraharaha mahomby ny nanompoako nanao misiônera. Nanampy ahy koa izany ho amin’ny fanompoana mandritra ny androm-piainana ho an’ny Tompo ato amin’ny Fiangonany.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 1985, dia voatendry aho handray fitenenana nandritra ny fivorian’ny fisoronana. Nafantoko tamin’ireo zatovolahy ny hafatra nentiko. Niresaka momba ny fiomanana hanompo hanao misiônera aho. Hoy aho: “Tamin’ireo fiofanana rehetra noraisiko tamin’ireo asa nampandraiketina ahy tato am-piangonana, dia tsy nisy nanan-danja ho ahy mihoatra noho ny fampiofanana noraisiko fony aho misiônera sivy ambin’ny folo taona nanompo tamin’ny fotoana feno.”1

Mahafantatra anao ny Tompo. Mandritra ny fotoana hanompoanao amin’ny asa fitoriana dia hiaina zavatra maro ianao izay hanampy anao hahafantatra Azy tsara kokoa. Hitombo ara-panahy ianao rehefa manompo Azy. Amin’ny anarany no hanirahana anao hisolotena Azy hanompo ny hafa. Homeny traikefa ianao mikasika ny fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina. Homen’ny Tompo lalana ianao hampianatra amin’ny anarany. Azonao aseho Azy fa afaka matoky anao Izy, ary afaka miantehitra aminao.

Vao dimy volana mahery kely fotsiny izay no niaraka tamiko nihaona tamin’ireo mpikambana sy ireo misiônera tany amin’ireo Nosy Britanika ny Loholona Jeffrey R. Holland sy ny Loholona Quentin L. Cook, izay efa avy misiônera nanompo tany amin’izany faritra kanto izany. Tamin’izahay tany dia nandinika mikasika ireo zavatra niainako fony aho misiônera vao herotrerony. Mijoro ho vavolombelona aho fa tany amin’ny misiôna no nahafantarako fa mahafantatra ahy sy tia ahy ny Raiko any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy ahy.

Nahazo tombony aho nanana filohan’ny misiôna anankiroa nahafinaritra, i Selvoy J. Boyer sy i Stayner Richards, niaraka tamin’ny vadin’izy ireo feno fanoloran-tena dia i Gladys Boyer sy i Jane Richards. Raha nanao jery todika aho dia vao mainka nahita mazava kokoa fa natoky ahy izy ireo ary tia ahy. Nampianatra ahy ny filazantsara izy ireo. Betsaka ny zavatra nandrandrainy tamiko. Nomen’izy ireo andraikitra sarotra maro aho ary fahafahana mitarika izay nanampy ahy hivoatra sy hiomana ho amin’ny fiainam-panompoana.

Nodinihiko ihany koa ny niantsoan’ny Filoha Spencer W. Kimball ahy ho filohan’ny Misiôna Kanadiana tao Toronto, niaraka tamin’i Barbara vady malalako sy ireo zanakay. Tamin’ny volana aprily 1974 izahay no nantsoin’ny Filoha Kimball hanompo, fotoana fohy taorian’ny nanomezany ilay hafatra nentanim-panahy nampitainy mitondra ny lohateny hoe “When the World Will Be Converted [Rehefa hiova fo izao tontolo].”2 Tao amin’io hafatra io ny Filoha Kimball dia nanazava ny fahitana nananany mikasika ny fomba hitondrana ny filazantsara ho any amin’izao tontolo izao. Nanao antso avo izy hahazoana misiônera maro be kokoa maneran-tany. Nampahatsiahiviny antsika ilay zavatra andrandrain’ny Tompo hoe “ny olona tsirairay … hanandra[tra] feo fampitandremana amin’ny mponin’ny tany.”3 Lasa ambetin-dresaka tany an-tokantrano maneran-tany ilay fampianaran’ny Filoha Kimball mikasika ny fiandrandrana an’ireo zatovolahy hanao asa fitoriana. Tsy mbola niova io zavatra andrandraina io. Feno fankasitrahana aho fa nantitranterin’ny Filoha Nelson tamin’ny maraina teo ihany koa io zavatra andrandrain’ny Tompo io.

Efa ho 10 taona izay no nanambaran’ny Filoha Thomas S. Monson ny fampidinana ny taona ahafahan’ireo zatovolahy sy zatovovavy manompo manao asa fitoriana.4 Araka ny fijeriko dia antony iray voalohany amin’izany fanovana izany ny hanomezana an’ny maro kokoa amin’ireo zatovontsika ilay fahafahana manompo manao mpitory filazantsara izay manova fiainana.

Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy no anaovako antso avo aminareo ry zatovolahy isany, ary koa ireo zatovovavy izay maniry hanao asa fitoriana, ny hanombohanareo miresaka dieny izao ankehitriny izao amin’ireo ray aman-dreninareo mikasika ny hanaovana asa fitoriana. Manasa anareo ihany koa aho hiresaka amin’ireo namanareo mikasika ny hanaovana asa fitoriana, ka raha misy namanareo iray misalasala hanompo dia amporisiho izy hiresaka amin’ny evekany.

Manolora tena amin’ny tenanareo sy amin’ny Ray any An-danitra fa hanompo hanao asa fitoriana ianareo ka manomboka hatreo dia hiezaka hitandrina ny fonareo sy ny tananareo ary ny sainareo ho madio sy mendrika ianareo. Manasa anareo aho hikatsaka fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Ry ray aman-drenin’ireto zatovo mahatalanjona ireto, manana anjara asa manan-danja ianareo eo amin’izany fiomanana izany. Atombohy anio ny firesahana amin’ny zanakareo mikasika ny hanaovana asa fitoriana. Fantatsika fa ny fianakaviana no manana fitaomana lalina indrindra eo amin’ny fanampiana ireo zatovolahy sy zatovovavintsika hiomana.

Raha mbola ao amin’ny sokajin-taona afaka manompo manao asa fitoriana ianao kanefa mbola tsy nanompo noho ny valanaretina maneran-tany na noho ny antony hafa, dia manasa anao aho hanompo ankehitriny. Miresaha amin’ny evekanao, ary miomàna hanompo ny Tompo.

Mamporisika anareo eveka aho hanampy ireo zatovolahy sy zatovovavy rehetra izay efa akaikin’ny taona hanaovana asa fitoriana hiomana hanompo, ary mamporisika anareo eveka ihany koa aho hitily an’ireo efa ampy taona nefa mbola tsy nanompo. Asao ny zatovolahy tsirairay ho tonga misiônera, ary koa ny zatovovavy tsirairay izay maniry hanompo.

Ianareo misiônera izay manompo ankehitriny, misaotra anareo izahay. Ny fanompoanareo dia tao anatin’ny valanaretina maneran-tany. Vokatr’izany, ireo zavatra niainanareo eo am-panompoana dia tsy mitovy amin’ny zavatra niainako na ny zavatra niainan’izay mety ho misiônera nanompo talohan’ny 2020. Fantatro fa tsy mora izany. Saingy na dia tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny aza dia nanana asa ho ataonareo ny Tompo, ary nataonareo tsara tamin’ny fomba nahatalanjona izany. Ohatra, nampiasa ny teknôlôjia tamin’ny fomba vaovao ianareo hikarohana ireo izay vonona hianatra mikasika ny famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny. Raha nanompo tamim-pahazotoana ianareo sy araka izay vitanareo, dia fantatro fa faly amin’ny ezaka nataonareo ny Tompo. Fantatro fa hitahy ny fiainanareo ny fanompoana nataonareo.

Rehefa isaorana amin’ny asa fitoriana nataonareo ianareo dia tsarovy fa tsy isaorana amin’ny fandraisanareo anjara ato amin’ny Fiangonana. Miorena amin’ireo fahazarana tsara nianaranareo tany am-panompoana, tohizo ny fampatanjahana ny fijoroanareo ho vavolombelona, miasà mafy, mivavaha, ary mankatoava ny Tompo. Hajao ireo fanekempihavanana izay nataonareo. Tohizo ny fitondrana fitahiana ho an’ny hafa sy ny fanompoana azy ireo.

Mivavaka aho mba hahitanareo sy hahafantaranareo zatovolahy sy zatovovavy ary ny ray aman-dreninareo ny fomba hampiova mandrakizay ny fiainanareo noho ny fanaovana asa fitoriana. Enga anie ianareo hahafantatra ao an-tsainareo sy hahatsapa ao am-ponareo ny herin’ilay fanasana natolotry ny Tompo tamin’ireo misiônera lehibe zanakalahin’i Môzià. Hoy izy: “Mandehana … ary aoreno ny teniko; kanefa dia hanampaharetana sy ho mahari-po amin’ny fahoriana ianareo hahazoanareo maneho … ohatra tsara ao Amiko, ary Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako ho famonjena fanahy maro.”5

Andriamanitra anie hitahy ireo tanoran’ny Fiangonana izay maniry hiomana sy hanompo Azy, izany no vavaka ataoko amim-panetren-tena ka atolotro androany maraina amin’ny anarana masin’ny Tompo Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, “Prepare to Serve [Miomàna mba hanompo],” Ensign, May 1985, 41.

  2. Spencer W. Kimball, “When the World Will Be Converted [Rehefa hiova fo izao tontolo izao],” Ensign, Oct. 1974, 2–14. Ity lahateny ity dia natao tamin’ny 4 aprily 1974, nandritra ny seminera ho an’ireo solontenam-paritra.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:37.

  4. Jereo ny Thomas S. Monson, “Tonga soa eto amin’ny Fihaonambe,” Liahona, nôv. 2012, 4–5.

  5. Almà 17:11.