2022
Loholona James W. McConkie III
Mey 2022


“Loholona James W. McConkie III,” Liahona, mey 2022.

Loholona James W. McConkie III

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Tamin’ny Loholona James W. McConkie III tonga tany Tchécoslovaquie tamin’ny 1990 fony izy misiônera tanora, dia vao niala tamin’ny kôminisma ilay firenena ary vonona ny hanomboka indray hanome vahana ny fanehoan-kevitra ara-pivavahana sy ny finoana. “Tamin’ny toerana nilana ahy tamin’ny fotoana tena nampety izany ary niaraka tamin’ny olona tokony niarahako aho,” hoy izy.

Taty aoriana izy dia niverina tany an-toerana fa matihanina indray tamin’io, nanangana fikambanana tsy mitady tombontsoa niaraka tamin’olona, ary avy eo dia lasa filohan’ny Misiôna Tseky/Slôvaky.

Fony izy 12 taona dia nanasa azy handalina boky nosoratan’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny ary hifanakalo hevitra momba ny zavatra novakiany avy eo. “I dada sy neny dia nino ny maha-zava-dehibe ny fampianarana ny filazantsara amin’ny zanaka, araka ny aroso ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,” hoy ny Loholona McConkie. “Ny fizarana 68 dia manasa ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany -ny fotopampianaran’ny fibebahana- sy ny -finoana an’i Kristy- (andininy 25). Tena noraisin’ny ray aman-dreniko tamim-pahamatorana tokoa izany.”

Ny fahatsapany ny fahafahan’ny herin’ny filazantsara manova olona dia niditra lalina tao amin’ny fanahiny. Hitany ny fitrangan’izany teo amin’ireo Olomasina tao amin’ny Repoblika Tseky sy tao Slôvakia.

Teraka tao Salt Lake City, Utah, Etazonia, tamin’ny 27 aogositra 1971 ny Loholona James Wilson McConkie III ary zanak’i James Wilson McConkie II sy i Judith Miller McConkie. Nanambady an’i Laurel Springer tamin’ny jolay 1995 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy. Manan-janaka efatra izy ireo.

Ny Loholona McConkie dia nahavita fianarana tao amin’ny Oniversiten’i Utah ka nahazo mari-pahaizana maîtrise amin’ny haitantara tamin’ny 1995 ary nahazo mari-pahaizana amin’ny fianarana lalàna tamin’ny 1999 tao amin’ny National Law Center tao amin’ny Oniversite George Washington. Ny vao haingana indrindra dia mpisolovava tao amin’ny Workman Nydegger izy ary talen’ny Wallace Toronto Foundation, ary nanampy tamin’ny fananganana izany izy.

Ny Loholona McConkie dia filohan’ny tsatòka tamin’ny fotoana nahazoany ny antsony. Efa eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona, mpampianatra mpiomana ho misiônera, mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara, ary filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy ihany koa izy.