2022
Hafatra fampahafantarana
Mey 2022


Hafatra fampahafantarana

Manome voninahitra ireo zanakavavin’ Andriamanitra isika amin’ity fivoriana manokana ity amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ireo olan’izy ireo sy ny an’ny rafitra misy azy ireo.

Ry rahavaviko malala, eto am-panombohantsika ity fivoriamben’ny vehivavy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany miavaka ity, dia fifaliana ho ahy ny mizara ity hafatra fampahafantarana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany ity.

Ireo fivoriana sabotsy fanaontsika dia manana tantara misy tanjona samihafa sy mpanatrika samihafa. Manatevina izany tantara izany isika izao takariva izao eto am-panombohantsika tanjona sy fomba fiasa vaovao hiatrehana ny hoavy izay efa voavinantsika. Tsy miova ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy miova ny fotopampianaran’ny filazantsara. Tsy miova ireo fanekempihavanana ataontsika manokana. Fa ao anatin’izay taona maro izay dia miova ireo fivoriana izay ataontsika mba hampitana ireo hafatra ho antsika, ary azo antoka fa hitohy hiova hatrany ao anatin’ny taona maro.

Amin’ity fotoana ity, ny fivoriana amin’ity sabotsy hariva ity dia fivoriana ao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, fa tsy fivoriana natokana ho ana rafitra iray na inona izany na inona. Tahaka ireo fivoriana rehetra mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia ny Fiadidiana Voalohany no misafidy ny drafitra sy ireo mpandahateny ary ny hira.

Nangatahinay ny Filoha Jean B. Bingham, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, mba hitarika ity fivoriana ity. Ireo fivoriana sabotsy hariva any aoriana dia mety hotarihin’ny iray amin’ireo Mpiandraikitra Ambony hafa ato amin’ny Fiangonana, toy ny mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, ny an’ny Zatovovavy, ary ny an’ny Kilonga, ary tendren’ny Fiadidiana Voalohany.

Androany hariva dia hifantoka amin’ny olan’ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany ity fivoriana sabotsy hariva ao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Ho tafiditra ao anatin’izany ny fotopampianaran’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny fitsipiky ny Fiangonana izay mifandray manokana amin’ny vehivavy, ary ireo andraikitra sy asa amin’ny ankapobeny izay sahanin’ireo rafitra ahitana ny vehivavy sy ny ankizivavy ato amin’ny Fiangonana. Na dia iniana ampitaina amin’ny mpijery sy mpihaino maneran-tany tahaka ny fivoriana rehetra amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aza ity fivoriana ity, dia ny vehivavy sy ny ankizivavy 12 taona no ho miakatra no mpanatrika asaina ho tonga ao amin’ny Ivon-toeran’ny Fihaonambe. Nanasa mpitarika vitsivitsy ao amin’ny fisoronana izay mpiahy ireo rafitra mandray anjara izahay.

Ny zavatra atombokay eto dia famaliana ireo loharanom-pifaneraserana izay azon’ireo mpitarika sy mpikambana ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo maneran-tany ampiasaina amin’izao fotoana izao. Natao ho an’ny rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ka izany no antony fototra mandrisika anay sy mahatonga anay haniry ny hizara ireo hafatra ireo amin’ny olona rehetra. Manome voninahitra ireo zanakavavin’ Andriamanitra isika amin’ity fivoriana manokana ity amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ireo olan’izy ireo sy ny an’ny rafitra misy azy ireo.

Feno fankasitrahana izahay fa manome fahafahana an’ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana ankehitriny ny fampitana mivantana amin’ny alalan’ny teknôlojia mba hanao fampiofanana amin’ny antsipiriany amin’ny alalan’ny firesahana amina mpanatrika voafaritra manokana any lavitra any. Velom-pankasitrahana ihany koa izahay fa mihamitombo ny fahafahana mivezivezy amin’izao fotoana izao. Izany dia mamela anay handefa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hitarika fiofanana mivantana ilaina atao tsy tapaka ho an’ny mpitarika eny ifotony.

Asan’i Jesoa Kristy Tompo ity. Mpanompony isika, tarihin’ny Fanahiny Masina. Mangataka ny fitahian’ny Tompontsika isika ho eo amin’ny mpitarika an’ireo rafitra ireo sy eo amin’ireo vehivavy mahatoky izay manompo ny Tompo eo anivon’ireo rafitra ireo sy eo amin’ny fiainany manokana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.