2022
Manome fanampiana sy fanohanana ny Fiangonana
Mey 2022


Manome fanampiana sy fanohanana ny Fiangonana

Ireo Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao dia mandray anjara mavitrika amin’ny fanampiana mpitsoa-ponenana. Any Eorôpa izy ireo dia manampy amin’ny fanomezana sakafo, akanjo, kojakoja ilain’ny zazakely, fialofana, ary zavatra hafa hanampiana ny olona voatery nifindra toerana. Vao tsy ela ny Fiangonana no nanolotra2 tapitrisa dôlara ho an’ny Haut Commissariat des Nations Unies pour les réfugiés ary2 tapitrisa dôlara fanampiny ho an’ny Programme Alimentaire Mondial. Izany vola natolotra izany dia hanampy ny PAM hanome sakafo olona 11.000 mandritra ny efa-bolana.

“Manana mpikambana any amin’ireo firenena rehetra voakasika isika,” hoy Rahavavy Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany sy filohan’ny Latter-day Saint Charities. Koa satria ny Fiangonana manana tahirim-bola natokana ho an’izany dia afaka nandefa sakafo sy rano mialoha ny krizy tany Ukraine, hoy izy, sady nanamarika fa ny Fiangonana dia manolo-tena ny hanampy amin’ny fotoana maharitra ireo firenena voakasika.

Tany Paraguay sy Pérou dia nanampy tamin’ny fividianana fitaovana fitsaboana ho an’ireo hôpitaly ny volan’ny Fiangonana, ary tany Pérou dia nanome ventilateurs, jiro, fanaka, seza, fitaovana ao an-dakozia, ary solosaina miisa fito ho ana fikambanana manampy ny zaza sy ny be antitra, sy fikambanana laika iray, ary toby fitaizana zazavavy iray ny Fiangonana. Tany Colombie, ny volan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia nampiasana hanomezana baoritra misy sakafo sy kojakoja miisa 1.200 ho an’ireo izay sahirana. Tao Panama, ny Fiangonana dia nanome fampitaovana hanampiana tamin’ny fitahirizana vakisiny COVID-19.

Olona avy amin’ny tanàna 10 ao Etazonia no nitsidika ny Light the World Giving Machine (Milina fandraisana fanomezana ho an’ny Hazavao izao tontolo izao) nandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy 2021, ka nanolotra 5,8 tapitrisa dôlara ny fitambaran’izy rehetra. Ilay milina dia mamela olona iray hividy entana (toy ny akanjo, sakafo, rano madio, ary biby fiompy) izay hozaraina any amina fikambanana mpanao asa soa 44 ao Etazonia ary koa amina fikambanana maneran-tany miisa dimy avy eo.

Ny Fiangonana dia nanampy ihany koa ireo izay tratran’ny rambon-danitra goavana tany amin’ny faritra andrefana afovoan’i Etazonia, tratran’ny rivo-doza tany Philippines, ary tratran’ny fipohana volkano sy tsunami tany Tonga.