2022
Kristin M. Yee
Mey 2022


“Kristin M. Yee,” Liahona, mey 2022.

Kristin M. Yee

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany

Ao anatin’ny tontolo izay itomboan’ny fisaratsarahana sy ny fitokana-monina, ny Rahavavy Kristin M. Yee dia nahita ny fanefitr’ireo rofy ara-piarahamonina ireo tamin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Fikambanana Ifanampiana.

“Ny Fikambanana Ifanampiana dia mampiray anay eo ambany fiahiany,” hoy ny teniny. “Na aiza na aiza alehako eto amin’izao tontolo izao, dia mitady ireo rahavaviko ato amin’ny Fikambanana Ifanampiana aho, ary avy hatrany aho dia mahatsapa hoe tiana sy misy mahafantatra. Manana zavatra iombonana ao amin’i Kristy sy ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananay momba Azy izahay.”

Ny Rahavavy Yee, izay mpikambana tao amin’ny filankevitra mpanorohevitry ny Kilonga maneran-tany, dia mandray ny antsony vaovao amin’ny maha Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany miaraka amin’ny fananana toky fa tsy miasa irery izy.

“Ny Tompo no mitantana ary matoky Azy aho,” hoy izy. “Tsapako lalina ihany koa fa mila ny tsirairay isika ao amin’ny asany. Samy manana anjara asa sahanina isika rehetra, ary samy afaka miara-mandray anjara amin’ity asa ity. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana hanompo.”

I Kristin Mae Yee dia teraka tamin’ny 5 mey 1981, tao Sacramento, Californie, Etazonia, ary zanak’i Ryan R. Yee sy Jaydean Fox McKay. Taty aoriana izy dia nifindra tany Idaho, Etazonia, ary avy eo tany Utah.

Mbola kely izy dia efa nahita ny fitiavany sy ny talenta ananany momba ny zavakanto, izay nitarika ny lalana nodiaviny teo amin’ny lafiny ara-pianarana sy ara-kasa. Manana mari-pahaizana amin’ny fianarana beaux-arts avy tao amin’ny Oniversite Brigham Young–Idaho sy ny Oniversite Brigham Young izy. Tamin’ny 2019 dia nahazo masters en administration publique avy tao BYU izy.

Ny fahaiza-manao nananany sy ny fifantohan’ny Rahavavy Yee teo amin’ny zavakanto dia nahafahany nahazo toerana ho mpamorona sy mpamokatra ao amin’ny Disney Interactive Studios, izay niasany nandritra ny 13 taona. Amin’izao dia izy no mpitantana ny ekipan’ny mpanao sarimiainan’ny Fiangonana. Ny sary hosodokony miompana amin’ny filazantsara dia ahitana sary maneho ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany.

Ny Rahavavy Yee dia efa nanana antso maro tato amin’ny Fiangonana, isan’izany ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny tsatòka, mpanolotsaina sy mpampianatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny paroasy, filohan’ny Zatovovavy teo anivon’ny paroasy, mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara, misiôneran’ny paroasy, ary mpiasan’ny tempoly misahana ôrdônansy.