2022
Horonan-tsary: “Ianareo no ireo vehivavy izay hitany mialoha!”
Mey 2022


Horonan-tsary: “Ianareo no ireo vehivavy izay hitany mialoha!”

Tamin’ny 1979 dia tao amin’ny hôpitaly ny Filoha Spencer W. Kimball ary nangataka an’i Camilla vadiny izy mba hamaky ny lahateniny nandritra ny fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany.

Rahavavy Camilla Kimball: “Ny ankamaroan’ny firoboroboana lehibe izay hitranga ao amin’ny Fiangonana amin’ny andro farany dia hitranga satria ho maro dia maro amin’ireo vehivavy tsara eto amin’izao tontolo izao (izay ahitana toetra tsara ara-panahy foana any anatiny) no ho voasarika ho lasa mpikamban’ny Fiangonana. Izany dia hitranga ka ny vehivavin’ny Fiangonana dia hampiseho fahamarinan-toetra sy fahaizana maneho hevitra eo amin’ny fiainan’izy ireo ary ireo vehivavin’ny Fiangonana dia hisongadina sy hiavaka, amin’ny fomba mahafaly, raha oharina amin’ireo vehivavin’izao tontolo izao.”1

Filoha Russell M. Nelson: “Ry anabavy malala isany, ianareo izay mpiara-miombon’antoka manan-danja aminay mandritra ity vanim-potoana farany ity! Anio no andro izay hitan’ny Filoha Kimball mialoha. Ianareo no ireo vehivavy izay hitany mialoha! Hisarika vehivavy tsara maro tsy tambo isaina eto amin’izao tontolo izao miaraka amin’ny fianakaviany ho ao amin’ny Fiangonana ny hatsaram-panahinareo, ny fahazavanareo, ny fitiavanareo, ny fahalalanareo, ny risim-ponareo, ny toetranareo, sy ny finoanareo ary ny fiainanareo feno fahamarinana!

“Mila ny tanjakareo, ny fiovam-ponareo, ny finoanareo, ny fahaizanareo mitarika, ny fahendrenareo ary ny feonareo izahay … . Tsy feno ary tsy afaka ny ho feno ny fanjakan’ Andriamanitra raha tsy misy ireo vehivavy izay manao fanekempihavanana masina, ka mitandrina izany avy eo, ireo vehivavy izay afaka miteny amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra! …

“… Na inona na inona antsonareo, na inona na inona toe-javatra iainanareo, dia mila ny fahatsapanareo sy ny hevi-baovao avy aminareo ary ny fitaomam-panahy anananareo izahay. Mila anareo mba hiteny amim-pahasahiana mandritra ireo filankevitry ny paroasy sy tsatòka izahay. Mila ny rahavavy manambady tsirairay izahay mba hiteny amin’ny maha —mpiara-miasa mitondra anjara biriky sy feno— anareo rehefa miray hina amin’ny vadinareo ianareo amin’ny fitantanana ny fianakavianareo. Ianareo rahavavy, na manambady na tokan-tena, dia manana fahafahana manao zavatra miavaka sy fahatsapana manokana izay noraisinareo toy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra. Tsy afaka manana hery mitarika tahaka ny anareo izahay rahalahy.

“Fantatsika fa ilay asa farany sady lehibe indrindra tamin’ny fahariana iray manontolo dia ny fahariana ny vehivavy! “Mila ny tanjakareo izahay! …

“… Misaotra anareo aho, ry anabavy malala isany, ary mitsodrano anareo mba ho tonga amin’ny tena maha-ianareo anareo tanteraka, mba hanatanteraka ny tanjona nahariana anareo, eo am-piarahantsika mandray anjara ato amin’ity asa masina ity. Hanampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany isika ao anatin’ny fiarahantsika.”2

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball (2006), 222–23.

  2. Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona, nôv. 2015, 96, 97.