2022
Fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny Ray
Mey 2022


Fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’ny drafitry ny Ray

Ny tanjon’ny fotopampianarana sy ireo fitsipika mifehy ato amin’ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia ny hanomana ireo zanak’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena any amin’ny voninahitra selestialy sy ny fisandratana ao amin’ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’izany.

Ny drafitry ny filazantsara dia maneho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany rehetra. Mba hahatakarana izany dia mila mikatsaka ny hahatakatra ny drafiny sy ireo didiny isika. Tena tia ny zanany tokoa Izy ka nomeny ny Zanany Lahitokana, dia i Jesoa Kristy, mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, mba hijaly sy ho faty ho antsika. Ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany naverina tamin’ny laoniny dia manana fahatakarana miavaka isika momba ny drafitry ny Raintsika any An-danitra. Izany dia manome antsika fomba fijery hafa mikasika ny tanjon’ny fiainana eto an-tany, ilay fitsaran’ Andriamanitra aorian’izany sy ny anjara feno voninahitra an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra amin’ny farany.

Tiako ianareo ry rahalahy sy anabaviko. Tiako ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. Rehefa nanontaniana i Jesoa hoe: “Ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?” Dia nampianatra Izy fa ny mitia an’ Andriamanitra sy ny mitia ireo namantsika no voalohany amin’ireo didy lehiben’ Andriamanitra.1 Voalohany ireo didy ireo satria manasa antsika hitombo ara-panahy amin’ny alalan’ny fikatsahantsika haka tahaka ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Iriko ny hananantsika rehetra fahatakarana tsaratsara kokoa momba ilay fotopampianarana sy ireo fitsipika mifehy feno fitiavana izay napetraky ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny zavatra lazaiko eto dia mikatsaka ny hanazava fa ny fitiavan’ Andriamanitra dia manazava izany fotopampianarana izany sy ny fitsipika mifehy nentanim-panahy ao amin’ny Fiangonana.

I.

Misy fahadisoan-kevitra iraisana momba ilay fitsaràna farany aorian’ny fiainana an-tany fa ny olona tsara dia mankany amina toerana antsoina hoe lanitra ary ireo olon-dratsy kosa dia mankany amina toerana mandrakizay antsoina hoe helo. Ity fiheverana diso fa hoe toerana anankiroa ihany no toerana hiafarana any aoriana any ity dia midika fa ireo izay tsy afaka mitandrina ireo didy rehetra takina mba ho any an-danitra dia tsy maintsy hoe hiafara any amin’ny helo mandrakizay.

Manana drafitra tsaratsara kokoa ho an’ireo zanany ny Ray any An-danitra be fitiavana. Ny fotopampianarana nambara ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mampianatra fa ireo zanak’ Andriamanitra rehetra—izay voafetra loatra ireo tranga maningana ka tsy azo heverina—dia hiafara ao amin’ny fanjakam-boninahitra iray.2 “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro,”3 hoy i Jesoa raha nampianatra. Fantantsika avy amin’ny fanambarana maoderina fa ireo fitoerana ireo dia hita ao amin’ny fanjakam-boninahitra telo samihafa. Mandritra ny Fitsarana Farany dia hotsaraina araka ny asany sy ny fanirian’ny fony ny tsirairay amintsika.4 Alohan’izany dia mila mijaly noho ireo fahotana tsy nibebahantsika isika. Mazava ireo soratra masina momba izany.5 Avy eo dia hanome antsika fitoerana ao amin’ny iray amin’ireo fanjakam-boninahitra ireo ilay Mpitsarantsika marina. Noho izany, araka ny fantantsika avy amin’ny fanambarana maoderina, dia “hotsaraina [ny rehetra] … , ary ny olona tsirairay dia handray araka ny asany avy, ny fanapahany ao amin’ireo fitoerana izay efa voaomana.”6

Nisafidy ny hanambara zavatra vitsivitsy ihany momba ny roa amin’ireo fanjakam-boninahitra ireo ny Tompo. Mifanohitra amin’izany dia nanambara zavatra betsaka momba ilay fanjakam-boninahitra ambony indrindra ny Tompo izay fariparitan’ny Baiboly hoe “voninahitry ny masoandro.”7

Ao amin’ny voninahitra8 “selestialy” dia misy lanitra telo na ambaratonga.9 Ny ambony indrindra amin’ireo dia fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy izay hahafahantsika ho lasa tahaka ny Raintsika sy i Jesoa Kristy Zanany. Mba hanampiana antsika hampivoatra ireo toetoetra araka an’ Andriamanitra ireo sy ilay fiovan-toetra izay ilaina mba hahatonga antsika ho andriamanitra dia nanambara fotopampianarana sy nametraka didy mifototra amin’ny lalàna mandrakizay ny Tompo. Izany no ampianarintsika ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany satria ny tanjon’ny fotopampianarana sy ireo fitsipika mifehy an’ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia ny hanomana ireo zanak’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena ao amin’ny voninahitra selestialy ary indrindra indrindra ho an’ny fisandratana ao amin’ny ambaratonga ambony indrindra amin’izany.

Ireo fanekempihavanana natao sy ireo fitahiana nampanantenaina ireo mahatoky tao amin’ireo tempolin’ Andriamanitra no fanalahidy. Izany no manazava ny fananganantsika tempoly maneran-tany, izay nohirain’ny amboram-peo tamin’ny fomba kanto ery ny momba azy. Tsy azon’ny olona sasany ity fanantitranterana ity satria tsy takatry ny sainy fa ireo fanekempihavanana sy ireo ôrdônansin’ny tempoly dia mitarika antsika amin’ny fanatratrarana ny fisandratana. Ao anatin’ny sahan-kevitry ny fahamarinana nambara momba ireo ambaratongam-boninahitra telo irery ihany no ahafahana mahatakatra izany. Noho ny fitiavana lehibe tsapan’ny Raintsika any An-danitra ho an’ireo zanany rehetra, dia nanome fanjakam-boninahitra hafa Izy—araka ny nohazavain’ny Loholona Quentin L. Cook omaly— izay mbola mahatalanjona kokoa mihoatra noho izay takatsika.10

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mahatonga izany rehetra izany ho azo tanterahina. Nanambara Izy fa “mankalaza ny Ray sy mamonjy ny asan’ny tanany rehetra” Izy.11 Izany famonjena izany dia omena ao amina fanjakam-boninahitra samihafa. Fantantsika avy amin’ny fanambarana maoderina fa “manana lalàna izay nomena ny fanjakana rehetra.”12 Tsara homarihina fa:

“Izay tsy afaka mandray ny lalàn’ny fanjakana selestialy dia tsy afaka handray ny voninahitra selestialy.

“Ary izay tsy afaka mandray ny lalàn’ny fanjakana terestrialy dia tsy afaka handray ny voninahitra terestrialy.

“Ary izay tsy afaka mandray ny lalàn’ny fanjakana telestialy dia tsy afaka handray ny voninahitra telestialy.”13

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia ireo lalàna safidiantsika harahana ao amin’ny drafitra feno fitiavan’ny Raintsika any An-danitra no mamaritra izay fanjakam-boninahitra raisintsika mandritra ny Fitsarana Farany. Ao anatin’izany drafitra izany dia misy fanjakana maro mba hahafahan’ireo zanany ho voatendry amina fanjakana izay hahazoan’ireo “mitoetra”.

II.

Ireo fampianarana sy ireo fitsipika mifehy ao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny an’ny Tompo dia mampihatra ireo fahamarinana mandrakizay ireo amin’ny fomba azo takarina tsara ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitra feno fitiavan’ny Raintsika any An-danitra ho an’ireo zanany rehetra.

Noho izany dia manaja ny fahafahan’ny tsirairay misafidy isika. Betsaka no mahafantatra ny ezaka lehibe ataon’ity Fiangonana ity mba hanome sehatra ny fahalalahana ara-pivavahana. Ireo ezaka ireo dia manampy amin’ny fampandrosoana ny drafitry ny Raintsika any An-danitra. Mikatsaka ny hanampy ireo zanany rehetra isika—fa tsy ireo mpikambana ao amintsika fotsiny ihany—mba hianoka ilay fahafahana misafidy sarobidy.

Toy izany koa, dia anontaniana isika indraindray hoe nahoana isika no mandefa misiônera any amin’ny firenena marobe, eny, hatrany anivon’ireo vahoaka Kristiana aza. Anontaniana antsika ihany koa ny antony anomezantsika fanampiana goavana hanaovana asa enti-miantra olona ho an’ireo olona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana sy ny tsy hampifandraisantsika izany amin’ny ezaka ataontsika hitoriana ny filazantsara. Manao izany isika satria nampianatra antsika ny Tompo hijery ireo zanany rehetra ho toy ny rahalahintsika sy anabavintsika, ary te hizara ny firoboroboantsika ara-panahy sy ara-batana amin’ny olon-drehetra isika.

Manome fomba fijery miavaka momba ny zanaka ihany koa ny fotopampianarana mandrakizay. Amin’ny alalan’izany fomba fijery izany no ahitantsika fa ny fananana zanaka sy ny fitaizana azy ireo dia ampahany amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Andraikitra mahafinaritra sy masina izany ho an’ireo izay nomena hery handray anjara amin’izany. Noho izany dia didiana isika mba hampianatra sy hiaro ireo fitsipika sy fomba fanao izay manolotra ny fepetra tsara indrindra ho an’ny fampivoarana sy ny fahasambaran’ireo zanaka ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra.

III.

Farany, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia fantatra tsara amin’ny hoe Fiangonana mifantoka amin’ny fianakaviana. Fa ny tsy takatry ny olona tsara dia tena zava-misy marina fa ny fifantohantsika amin’ny fianakaviana dia tsy voafetra amin’ny fifandraisana eto amin’ny fiainana an-tany. Zavatra tena manan-danja amin’ny haifinoantsika ihany koa ny fifandraisana mandrakizay. Ny iraka tontosain’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia ny hanampy ireo zanak’ Andriamanitra rehetra hahazo ny zavatra irin’Andriamanitra mba ho tanjona hiafaran’izy ireo. Amin’ny alalan’ny fanavotana atolotry ny Sorompanavotan’i Kristy no ahafahan’ny rehetra mahazo ny fiainana mandrakizay (fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy), izay nambaran’i Eva Renintsika fa “omen’ Andriamanitra ho an’ny mpankatò rehetra.”14 Mihoatra ny famonjena izany. Nampahatsiahy antsika ny Filoha Russell M. Nelson fa “ao amin’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra, ny famonjena dia zavatra mahakasika ny tena manokana, [fa] ny fisandratana dia zavatra mahakasika ny fianakaviana.”15

Zava-dehibe ho antsika ny fanambaran’ Andriamanitra fa ny fisandratana dia tsy afaka ny ho azo raha tsy amin’ny alalan’ny fahatokiana tamin’ireo fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ihany.16 Izany fotopampianarana masina izany no antony ampianarantsika fa “ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay.”17

Izany ihany koa no antony nitakin’ny Tompo amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny mba hanohitra ny fanerena ara-piarahamonina sy araka ny lalàna mba hialana amin’ny fotopampianarany momba ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, sy mba hanohitra ireo fiovana izay mampitovy ireo fahasamihafana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy na mampisavoritaka na manova ny maha-lahy sy ny maha-vavy.

Matetika no miteraka fanoherana ny hevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ireo zavatra manan-danja ireo. Takatsika izany. Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra dia mamela ny hisian’ny “fifanoherana amin’ny zava-drehetra,”18 ary ny fanoherana mahery vaika indrindra ataon’i Satana dia mikendry izay tena manan-danja indrindra amin’izany drafitra izany. Vokatr’izany dia mikatsaka ny hanohitra ny fivoarantsika mankany amin’ny fisandratana izy amin’ny fanimbana ny fanambadiana, fanakiviana amin’ny fitondrana vohoka, na ny fanakorontanana ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Kanefa rehefa mandeha eny ny fotoana dia ho fantatsika fa ny tanjona sy ny drafitra masin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana dia tsy hiova. Mety hiova ny zavatra iainan’ny tena manokana, ary ny drafitr’Andriamanitra dia manome antoka fa rehefa mandeha ny fotoana dia hanana fahafahana ny mahatoky izay mitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo ny ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana nampanantenaina tsirairay avy.19

Fampianarana sarobidy izay afaka hanampy antsika amin’ny fiainana mandrakizay, izay “fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra,”20 ny fanambarana ho an’izao tontolo izao21 tamin’ny 1995. Ny fanambarana ao anatin’izany, mazava ho azy, dia tsy mitovy amin’ireo lalàna sy fomba fanao ary hevitra tohanana sasany misy ankehitriny toy ny fanaovana tokantranomaso sy ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy. Ireo izay tsy mahatakatra feno ilay drafitra be fitiavan’ny Ray ho an’ireo zanany dia mety hihevitra ity fanambarana momba ny fianakaviana ity ho toy ny fanambarana lalàna azo ovaina fotsiny ihany. Mifanohitra amin’izany anefa, isika dia manamarina fa ny fanambarana momba ny fianakaviana, izay mifototra amin’ny fotopampianarana tsy azo ovana, dia manoritsoritra ilay karazana fifandraisana ao amin’ny fianakaviana izay itrangan’ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny fivoarantsika mandrakizay.

Izany no sahan-kevitra mifehy ilay fotopampianarana sy fitsipika mifehy miavaka an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany naverina tamin’ny laoniny.

IV.

Ao anatin’ireo fifandraisana sy ny toe-javatra iainana maro tokoa eo amin’ny fiainana an-tany dia tsy maintsy miaina ao anatin’ny fahasamihafana ny tsirairay avy amintsika. Amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy izay tokony hitia ireo mpiara-belona amintsika antsika dia tokony hiaina amim-piadanana miaraka amin’ireo izay tsy mitovy finoana amintsika isika. Zanaky ny Ray any An-danitra be fitia isika rehetra. Nanomana ho antsika rehetra fiainana aorian’ny fahafatesana hovantanintsika Izy, ary fanjakam-boninahitra amin’ny farany. Irin’ Andriamanitra ny hiezahantsika rehetra hahazo ireo fitahiana ambony indrindra avy Aminy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didiny, ny fanekempihavanany ary ireo ôrdônansiny ambony indrindra, izay tanteraka ao amin’ireo tempoliny masina aorina manerana izao tontolo izao. Tsy maintsy mikatsaka ny hizara ireo fahamarinan’ny mandrakizay ireo amin’ny hafa isika. Kanefa noho ny fitiavantsika ireo mpiara-monina amintsika dia manaiky ny fanapahan-kevitr’izy ireo foana isika. Araka ny nampianarin’ny mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy maintsy mibosesika mandroso isika, ka manana “fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.”22

Araka ny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fihaonambentsika farany hoe: “Tsy mbola nisy velively fotoana teto amin’ny tantaran’izao tontolo izao ka nahatonga ilay fahalalana ny Mpamonjintsika ho manan-danja manokana sy zava-dehibe ho an’ny olombelona tsirairay. … Mahery vaika ny fotopampianarana madion’i Kristy. Izany dia manova ny fiainan’ny olona tsirairay izay mahatakatra izany sy mikatsaka ny hampihatra izany eo amin’ny fiainany.”23

Enga anie isika hampihatra izany fotopampianarana masina izany eo amin’ny fiainantsika, izany no vavaka angatahako amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.