2022
Ny lalan’ny fanekempihavanana: Ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay
Mey 2022


Ny lalan’ny fanekempihavanana: Ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay

Lalana mankany amin’ny fahatanterahana ny lalan’ny fanekempihavanana, ary i Jesoa Kristy no ivon’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy rehetra.

Nisy mpanjaka manam-pahefana iray naniry ny hanjakan’ny zananilahy amin’ny iray amin’ireo fanjakany. Nila nianatra sy nitombo fahendrena io printsy io mba hahafahany mipetraka eo amin’ny fiandrianana. Indray andro dia nihaona tamin’ilay printsy ny mpanjaka ka nizara ny drafitra nomaniny. Nifanaiky izy ireo fa handeha amina tanàn-dehibe hafa ilay printsy mba hahazoany traikefa. Hiatrika fanamby izy sady hankafy karazan-javatra tsara maro rehefa any. Nalefan’ny mpanjaka tany amin’ilay tanàn-dehibe izy avy eo, izay nantenain’ilay printsy hanaporofoana ny fahatokiany amin’ny mpanjaka sy hanehoany fa mendrika izy ny handray ireo tombontsoa sy andraikitra nomanin’ny mpanjaka ho azy. Nomena ilay printsy ny fahafahana misafidy ny handray na tsia ireo tombontsoa sy andraikitra ireo, miankina amin’ny faniriany sy ny fahatokiany. Azoko antoka fa tianareo ho fantatra ny zavatra nitranga tamin’ilay printsy. Niverina ve izy mba handova ny fanjakana?

Ry rahalahy sy anabavy, printsy sy printsy vavy avokoa isika tsirairay avy. Nalefan’ny Ray any An-danitra be fitiavana ety an-tany isika mba hianoka ny fitahian’ny fananana vatana izay ho lasa tsy mety maty noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany amin’ny maty. Antenaina isika hiomana ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny fanaporofoana fa isika dia “hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamani[tsika] [antsika]” (Abrahama 3:25).

Ho fanampiana antsika dia tonga tety ny Mpamonjy hanavotra antsika sy haneho ny lalana miverina mankany amin’ Andriamanitra. Voasa ireo zanak’ Andriamanitra hanatona ny Mpamonjy ary atao tanteraka ao Aminy. Hitantsika miverimberina in-90 ao amin’ny soratra masina ny fanasana antsika hanatona ny Tompo, ary fanasana manokana avy amin’ny Tompo mihitsy ny antsasa-manilan’izany. Ny hoe manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy dia midika hoe mandray ireo ôrdônansy sy mitandrina ireo fanekempihavanana atao Aminy. Jesoa Kristy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6) ary manainga “ny rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny fahatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy” (2 Nefia 26:33).

Ny tanjon’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara ataontsika dia ny hampiorim-paka ny fiovam-pontsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny hanampiana antsika hitovy kokoa amin’ Izy Ireo. Na dia tsy ny zava-drehetra aza no efa voambara mahakasika “ny fotoana sy ny fomba marina hanomezana ireo fitahian’ny fisandratana” dia azontsika antoka ihany anefa izy ireo (M. Russell Ballard, “Fanantenana ao amin’i Kristy,” Liahona, mey 2021, 55).

I Almà mpisorona avo, raha nampianatra tao Zarahemlà, dia nilazalaza momba ny fanasana mafonja iray avy amin’i Jesoa Kristy manao hoe:

“Indro mandefa fanasana ho an’ny olona rehetra Izy, fa ny sandrin’ny famindram-po dia mitolotra ho azy, ary hoy Izy: Mibebaha dia handray anareo Aho.

Eny, hoy Izy: Mankanesa aty Amiko, ary hihinana amin’ny voan’ny hazon’aina ianareo” (Almà 5:33–34).

Ny Mpamonjy mihitsy no manasa antsika hankany Aminy ary hitondra ny ziogany mba hahitantsika fitsaharana amin’ity tontolo feno korontana ity (jereo ny Matio 11:28–29). Manatona an’i Kristy isika rehefa “mampihatra ny finoantsika Azy, mibebaka isan’andro, manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana, ary maharitra hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.2.1, ChurchofJesusChrist.org). Lalana mankany amin’ny fahatanterahana ny lalan’ny fanekempihavanana, ary i Jesoa Kristy no ivon’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy rehetra.

Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa noho ny fanekempihavanana izay nataontsika, dia lasa zanaka lahy sy zanaka vavin’i Kristy isika, izay niteraka antsika ara-panahy, ary eo ambanin’izany anarana izany no anafahana antsika, fa “tsy misy anarana hafa nomena izay hiavian’ny famonjena” (Môzià 5:7–8). Ho voavonjy isika rehefa maharitra hatramin’ny farany amin’ny “fanarahana ny ohatry ny Zanak’ilay Andriamanitra velona” (2 Nefia 31:16). Nanoro hevitra i Nefia hoe tsy mbola vita hatreo amin’ny fihazoana ny lalana ety sy tery ny zava-drehetra; isika dia tsy maintsy: “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy, amin’ny fananana fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra” (2 Nefia 31:19– 20).

Manampy antsika hahita sy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ny fotopampianaran’i Kristy, ary ny filazantsara dia voarindra tsara fa hoe ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo dia raisina amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina. Nitaona antsika ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminan’ Andriamanitra tamin’ny fampitan-davitra nataony ny 16 janoary 2018 mba “hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny fanoloranao tena hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza. … Ny tanjona ifoforantsika tsirairay dia ny mba handray hery ao amin’ny tranon’ny Tompo, mba hofehezina amin’ny maha-fianakaviana, ary mba ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly izay ahafahantsika mahazo ilay fanomezana faran’izay lehibe avy amin’ Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay” (“Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, apr. 2018, 7).

Andriamanitra dia tsy hanary ny fifandraisany amin’ireo mpitandrina mahatoky ny fanekempihavanana, na hanakana ireo fitahiana nampanantenainy momba ny fiainana mandrakizay. Ary rehefa manaja ireo fanekempihavanana masina isika, dia hoentina akaiky kokoa ny Mpamonjy. Nampianatra antsika ny Loholona David A. Bednar omaly fa ireo fanekempihavanan’ny filazantsara sy ireo ôrdônansy dia miasa eo amin’ny fiainantsika tahaka ny tondrozotra manome antsika ny fitarihana lehibe indrindra hanatonana an’i Kristy sy hahatongavana tahaka Azy bebe kokoa

Manondro ny lalana miverina any amin’ Andriamanitra ny fanekempihavanana. Ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ny Fanahy masina, ny fanendrena ao amin’ny fisoronana ary ny fanasan’ny Tompo dia mitondra antsika mankany amin’ny tempolin’ny Tompo mba handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisandratana.

Te hilaza zavatra roa aho izay nantitranterin’ny Mpamonjy fa manampy antsika hitandrina amim-pahatokiana ireo fanekempihavanana:

  1. Afaka mampianatra antsika ny Fanahy Masina, sy mampahatsiaro antsika ireo fampianaran’ny Mpamonjy, ary hitoetra eo amintsika mandrakariva (jereo ny Jaona 14:16, 26). Afaka ho namantsika tsy tapaka Izy, hitarika antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Nampianatra antsika ny Filoha Russell M. Nelson fa: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96).

  2. Nametraka ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ny Mpamonjy mba hahatsiarovantsika mandrakariva Azy, sy mba hananantsika ny Fanahiny miaraka amintsika. Manokatra ny vavahadin’ny fiainana mandrakizay ny batisa, ary ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hibosesika handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia ho vavolombelona amin’ny Ray izany fa mahatsiaro mandrakariva ny Zanany Lahy isika. Ary rehefa mahatsiaro Azy mandrakariva isika sy mitandrina ny didiny, dia hanana ny Fanahiny mandrakariva miaraka amintsika. Ho fanampin’io fampanantenana io dia manavao ny fampanantenana ny famelana ny fahotana ny Tompo rehefa mibebaka amim-panetrentena amin’ny fahotantsika isika.

Eo am-pijanonantsika ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanantsika dia tokony hiezaka isika ny hanana mandrakariva ny Fanahy izay manomana antsika ho mendrika ny handray ny fanasan’ny Tompo, ary tahaka izany koa dia mila mandray tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo isika mba hanana mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika.

Fony dimy taona ny zanakay vavy dia nanana fiara kely mandeha vatoaratra fahanana izy ary tiany ny mamily izany manodidina ny trano. Tonga teo amiko izy indray hariva ary niteny hoe: “Dada, tsy mandeha intsony ny fiarako. Azontsika atao ve ny maka solika kely avy ao amin’ny fiaranao ka atao amin’ny ahy mba handeha indray izany? Angamba mila solika toy ny fiaranao ilay izy mba hahafahany mandeha.”

Tsikaritro taty aoriana kely fa lany fahana ilay vatoaratra, noho izany dia nolazaiko azy fa handeha indray izany afaka adiny iray. Nientanentana mafy izy niteny hoe, “Oee! Ho entintsika any amin’ny tobin-tsolika ity.” Natsatoko fotsiny tamina loharanon’herinaratra ilay izy mba hamahanana ny vatoaratra, ary afaka namily ny fiarany nandeha tamin’ny vatoaratra voafahana indray izy adiny iray taty aoriana. Nianatra izy avy eo fa zava-dehibe ny mamahana mandrakariva ny vatoaratra amin’ny fampifandraisana izany amin’ny loharanona herinaratra.

Toy ilay zanakay vavy izay nianatra mikasika ny fifandraisana eo amin’ilay vatoaratra sy ny hery mampandeha ilay fiara kilalaony, dia toy izany koa isika rehefa mianatra mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny fanasan’ny Tompo ary ny Fanahy. Mila ny Fanahy isika mba hanampy antsika hamakivaky ny fiainana an-tany, eo am-pitandremantsika ireo fanekempihavanana, ary mila ny fanasan’ny Tompo isika mba hamelombelona ny fanahintsika. Mitarika amin’ny fahatokiana amin’ireo fankempihavanana hafa rehetra ny fanavaozana ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ho azo antoka ny fiafarana mitondra fahasambarana rehefa mitandrina sy mandalina ombam-bavaka ny fanasan’ny Mpamonjy isika ary mankamamy ireo fitahiana nampanantenaina. Hoy Izy: “Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao tsy ho voampetimpetin’izao tontolo izao, dia handeha any amin’ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ny androko masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9).

Mijoro ho vavolombelona aho fa ampanantenaina “fiadanana eto amin’izao tontolo izao ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23). Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mandray tsy tapaka ny tandindon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo ianao, dia hanana ny Fanahiny hitarika anao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy hitoetra ho matoky amin’ireo fanekempihavanana nataonao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.