2022
Talanjona amin’i Kristy sy ny filazantsarany
Mey 2022


Talanjona amin’i Kristy sy ny filazantsarany

Enga anie ny fahatsiarovantsika ny zavatra hitan’ny masontsika sy tsapan’ny fontsika ka hahatonga antsika hitolagaga kokoa amin’ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy.

Manana namana malala iray aho izay mpampianatra marani-tsaina any amin’ny oniversite efa misotro ronono, mpanoratra mahay, ary indrindra indrindra, mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanoloran-tena tokoa. Efa nitsidika ny Tany Masina im-betsaka izy ka nandray anjara tamina seminera, nanao fikarohana akademika, ary nitarika fitetezam-paritra. Isaky ny mitsidika ny tany izay nodiavin’i Jesoa izy, araka ny filazany, dia talanjona satria tsy azo lavina fa mianatra zavatra vaovao sy mampitolagaga ary mahavariana momba ny Mpamonjy sy ny asa fanompoany tety an-tany ary ny tany niaviany izay tena maminy. Mora mifindra ilay fahatalanjonan’ilay namako io rehefa miresaka momba ny zavatra rehetra nianarany tany amin’ny Tany Masina izy, ary io toetra talanjona io dia nitàna anjara asa lehibe tamin’ireo zava-bitany sy ny fianarana norantoviny teo amin’ny fiainany.

Rehefa nihaino ireo zavatra niainany aho sy nahatsapa ny hafanam-pony, dia nisaintsaina ny amin’ny zava-mahagaga ara-panahy, raha izay no ilazako azy, izay afaka sy tokony ho tsapantsika ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fiovana afaka entin’izany amin’ny maha-mpianatra antsika ary koa eo amin’ny diantsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ny zava-mahagaga resahako dia ilay fahatsapana ho miontam-po na talanjona na mitolagaga izay iombonan’ny rehetra izay mametraka eram-po ny Mpamonjy sy ny fampianarany ho ivon’ny fiainany ary manaiky amim-panetrentena ny fisiany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Izany fahatsapana ho mitolagaga izany, izay entin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina, dia mandrisika ny hafanam-po hiaina ny fotopampianaran’i Kristy am-pifaliana.1

Ahitana ohatra maro ny amin’ny fisehon’io fahatsapana io ao amin’ny soratra masina. Ny Mpaminany Isaia ohatra, dia naneho ny halalin’ny fankasitrahany an’ny Tompo tamin’ny alalan’ny firavoravoany Taminy.2 Ireo izay nandre an’i Jesoa nitory teny tao amin’ny synagoga tao Kapernaomy dia talanjona tamin’ny fotopampianarany sy ny hery izay nentiny nampianatra.3 Izany fahatsapana izany no nanenika ny fon’i Joseph Smith mbola tanora rehefa namaky ny toko voalohan’ny bokin’i Jakoba ao amin’ny Baiboly izy, izay nitarika azy hikatsaka fahendrena avy amin’ Andriamanitra.4

Ry rahalahy sy anabaviko, rehefa tena talanjona tokoa ny amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika, dia faly kokoa sy manana hafanam-po kokoa hanao ny asan’ Andriamanitra ary manaiky isika ny fisian’ny tanan’ny Tompo amin’ny zavatra rehetra. Ankoatra izany, lasa manan-danja kokoa ny fandalinantsika ny tenin’ Andriamanitra, lasa amin-kitsimpo kokoa ny vavaka ataontsika; lasa maneho fanajana kokoa ny fitsaohantsika; ary ny fanompoantsika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia lasa feno fahazotoana kokoa. Ireo asa ireo dia mandray anjara amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina lasa matetika kokoa eo amin’ny fiainantsika.5 Noho izany, ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany dia hihamatanjaka ka hohazonintsika ho velona ao anatintsika i Kristy,6 ary isika dia handeha “ka mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, … ka mazoto amin’ny fisaorana.”7 Rehefa izany no fomba fiainantsika, dia lasa manana fahononana ara-panahy bebe kokoa isika sy lasa voaro amin’ny fandriky ny tsy firaharahiana ara-panahy.

Ny tsy firaharahiana toy izany dia miseho amin’ny endriky ny fahaverezana tsikelikely ny hafanam-po hirotsaka tanteraka kokoa ao amin’ny filazantsaran’ny Tompo. Amin’ny ankapobeny dia manomboka izany rehefa mahatsapa isika fa efa nahazo ny fahalalana sy fitahiana rehetra ilaina mba hahasambatra antsika eto amin’ity fiainana ity. Io toetra tsy miraika io, raha izay no hilazako azy, dia mahatonga antsika hanao hoe manan-jo isika hahazo ireo fanomezan’ny filazantsara, ary manomboka eo dia sahintsika ny manao ambanin-javatra ny firobohantsika tsy tapaka ao anatin’ireo zava-manan-danja ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy8 sy ny fanakempihavanana izay nataontsika Taminy. Vokatr’izany dia mihamihataka tsikelikely amin’ny Tompo isika, mampihena ny fahafahantsika “[hihaino] Azy,”9 ary lasa tsy miraharaha sy tsy miraika amin’ny halehiben’ny asany. Mety ho tafiditra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny ahiahy efa azontsika, ka mahatonga antsika ho mora azon’ny fakam-panahin’ilay fahavalo.10

Nanoratra ny Pasitera Aiden Wilson Tozer, izay mpanoratra fanta-daza sy Kristiana mahafatra-po, hoe: “Ny toetra tsy miraika dia fahavalo lozabe ho an’ny fivoarana ara-panahy.”11 Moa ve tsy izany mihitsy no nitranga tamin’ny vahoakan’i Nefia fotoana fohy taorian’ny nahaterahan’i Kristy? Izy ireo dia “nanomboka tsikelikely ho tsy talanjona firy tamin’ny famantarana na ny zava-mahagaga avy tany an-danitra,” … “[tsy nino] izay rehetra efa reny sy hitany.” Noho izany i Satana dia “[nanajamba] ny masony ary [nitarika azy] hino fa ny fotopampianaran’i Kristy dia hadalana sy zava-poana.”12

Ry rahalahy sy ranabavy, noho ny fitiavany tonga lafatra sy tsy manam-pahataperana sy noho ny fahalalany ny toetran’ny olombelona,13 ny Mpamonjy dia nametraka fomba ahafahantsika miala amin’ny fandriky ny tsy firaharahiana ara-panahy. Ny fanasana nataon’ny Mpamonjy dia manolotra antsika fomba fijery mivelatra kokoa, indrindra raha raisina ny tontolo sarotra iainantsika: “Mianara Amiko ary henoy ny teniko; mandehana amin’ny fahalemem-panahiko, dia hanana ny fiadanana ao Amiko ianao.”14 Rehefa manaiky io fanasana nataon’ny Mpamonjy io isika, dia maneho fanetrentena sy maneho ny faniriantsika ho lasa mora ampianarina ary maneho ny fanantenantsika mba ho lasa tahaka Azy kokoa.15 Tafiditra ao amin’io fanasana io koa ny manompo Azy sy manompo ireo zanak’ Andriamanitra amin’ny fontsika sy ny saintsika ary ny herintsika manontolo.16 Ny fototr’izany ezaka ataontsika izany dia mazava ho azy fa ireo didy roa lehibe: ny hitia ny Tompo Andriamanitsika sy ny hitia ny namantsika tahaka ny tenantsika.17

Tafiditra ao amin’ny toetran’ny Mpamonjy amin’ny maha-Andriamanitra Azy izany ary niharihary tamin’ny zavatra rehetra nataony nandritra ny asa fanompoany tety an-tany io karazana fitondrantena io.18 Noho izany, rehefa manolo-tena amin-kitsimpo sy am-pahamarinana isika fa hibanjina Azy sy hianatra avy amin’ny ohatra tonga lafatra nasehony,19 dia lasa mahafantatra Azy kokoa isika. Mitombo ny hafanam-pontsika sy faniriantsika hampiditra eo amin’ny fiainantsika ireo fenitra avo tokony arahintsika sy ny ohatra tokony asehontsika ary ireo didy tokony arahintsika. Hiampy ihany koa ny fahatakarana sy fahendrena sy toetra araka an’ Andriamanitra ary ny fankasitrahana an’ Andriamanitra sy ny namantsika.20 Afaka manome toky anareo aho fa ny fahafahantsika mahatsapa ny fitaoman’ny Mpamonjy sy ny fitiavany dia hihamahery vaika eo amin’ny fiainantsika sady hampitombo ny finoantsika sy ny faniriantsika hanao ny marina ary ny fahavononantsika hanompo Azy sy ny hafa.21 Fanampin’izany, ny fankasitrahantsika noho ireo fitahiana sy olana izay iainantsika ety an-tany dia hanamafy sy ho lasa tafiditra ao anatin’ny fitsaohana ataontsika.22

Ry namako malala isany, ireo zavatra rehetra ireo dia hahatonga antsika ho talanjona ara-panahy kokoa amin’ny filazantsara ary hanosika antsika hitandrina am-pifaliana ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny Tompo, na dia eo anivon’ireo fitsapana sy fanamby izay atrehantsika aza. Mazava ho azy fa mba ho izay ny vokany dia mila miroboka amin’ny tena finiavana isika ao amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy,23 miezaka mampiditra ireo toetrany amin’ny fomba fiainantsika.24 Fanampin’izany, mila manatona Azy kokoa amin’ny alalan’ny fibebahana,25 mikatsaka famelan-keloka avy Aminy sy ny heriny manavotra eo amin’ny fiainantsika ary mitandrina ireo didiny isika. Ny Tompo mihitsy no efa nampanantena fa hitarika ny lalantsika Izy raha matoky Azy amin’ny fontsika manontolo isika, sady manaiky Azy eo amin’izay rehetra alehantsika ka tsy miantehitra amin’ny fahalalantsika.26

Sary
Elder Jones sy i Wes

Misy mpikamban’ny Fiangonana nihaona tamiko vao haingana, antsoina hoe Wes ary manatrika ny fihaonambe anio, nanaiky ilay fanasan’i Kristy hianatra Aminy sy hianatra avy amin’ny filazantsarany, ka nanomboka nahatsapa ho talanjona amin’ny fitiavany rehefa avy nanalavitra ny lalan’ny fanekempihavanana nandritra ny 27 taona. Nolazainy ahy fa nisy misiônera nifandray taminy tao amin’ny Facebook indray andro, Elder Jones no anarany, izy io dia voatendry hiasa tao amin’ny faritra nisy an’i Wes mialoha ny handehanany any amin’ny misiônan’i Panama izay voatendry hiasany tamin’ny voalohany. Rehefa nahita ny pejy misy ny mombamomban’i Wes i Elder Jones, dia nahatsapa fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary nahafantatra fa tokony hifandray amin’ny Wes avy hatrany na dia tsy nahafantatra akory aza tamin’ny voalohany hoe efa mpikamban’ny Fiangonana izy io. Nanaraka faingana izany fitaomana izany izy. Talanjona i Wes tamin’io fifandraisana tsy nampoizina io ary nanomboka nahita izy fa mahalala ny momba azy ny Tompo na dia teo aza ny fanalavirany ny lalan’ny fanekempihavanana.

Nanomboka teo dia nifampiresaka matetika i Wes sy ireo misiônera. Nanao asa fanompoana sy nitondra hafatra ara-panahy isan-kerinandro i Elder Jones sy ny misiônera namany ary izany dia nanampy an’i Wes hampiredareda indray ny fahatalanjonany amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Izany dia nampirehitra indray ny afon’ny fijoroana ho vavolombelona tao aminy momba ny fahamarinana sy ny fitiavan’ny Mpamonjy azy. Nahatsapa ilay fiadanana izay avy amin’ilay Mpananatra i Wes ka nahazo ny hery nilainy hiverenana ao amin’ny vala indray. Nolazainy tamiko fa izany zavatra niainany izany dia nitondra azy ho velona indray ara-panahy sy ara-pihetsehampo ary nanampy azy hanafoana ireo fahatsapana mangidy izay niavosa nandritra ny taona maro noho ireo zava-tsarotra niainany sy nolalovany.

Araka ny nolazain’ilay namako mpampianatra manam-pahalalana noresahako teo, dia misy zavatra mahagaga sy mahatalanjona foana ianarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.27 Nanome fampanantenana mahafinaritra ny Tompo izay natao ho an’ireo rehetra mikatsaka ny hianatra Aminy sy hampiditra ny teniny ho eo amin’ny fiainany, anisan’izany isika. Hoy Izy tamin’i Enoka: “Indro mby eo aminao ny Fanahiko, koa ny teninao rehetra dia hohamariniko; ary ny tendrombohitra dia handositra eo anoloanao, ary ny renirano dia hivily amin’ny lalany; ary hitoetra ato Amiko ianao ary Izaho ao aminao.”28 Ary hoy ny nambarany tamin’ny Mpanjaka Benjamina: “Hantsoina hoe zanak’i Kristy ianareo, dia zanany lahy sy zanany vavy; fa indro, efa niteraka anareo ara-panahy Izy androany; satria lazainareo fa ny fonareo dia efa miova amin’ny alalan’ny finoana ny anarany; noho izany, dia aterany ianareo ary efa tonga zanany lahy sy zanany vavy.”29

Araka izany, rehefa tena miezaka tsy tapaka isika hianatra avy amin’ny Mpamonjy sy manaraka ny ohatra nasehony, dia mampanantena anareo aho, amin’ny Anarany, fa ireo toetrany araka an’ Andriamanitra dia ho voasoratra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika,30 ary ho lasa tahaka Azy kokoa isika sy handeha hiaraka Aminy.31

Ry rahalahy sy anabaviko malala, mivavaka aho mba hijanona ho talanjona hatrany isika amin’i Jesoa Kristy sy ilay fitiavany tanteraka, tsy manam-pahataperana ary tonga lafatra. Enga anie ny fahatsiarovantsika ny zavatra hitan’ny masontsika sy tsapan’ny fontsika ka hahatonga antsika hitolagaga kokoa amin’ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy, izay afaka ny hanasitrana antsika amin’ireo ratrantsika ara-panahy sy ara-pihetsehampo ka hanampy antsika hanatona Azy kokoa. Enga anie isika ho talanjona amin’ireo fampanantenana lehibe izay eo am-pelantanan’ny Ray sy efa nomaniny ho an’ireo izay mahatoky:

“Anareo ny fanjakana, ary anareo ny fitahiany, ary anareo ny haren’ny mandrakizay.

“Ary izay mandray ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana dia hatao be voninahitra.”32

I Jesoa no Mpanavotra izao tontolo izao, ary ity no Fiangonany. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anarana mahatalanjona sy masina ary lehibe an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, amena.