2022
Susan H. Porter
Mey 2022


“Susan H. Porter,” Liahona, mey 2022.

Susan H. Porter

Filohan’ny Kilonga maneran-tany

“Ny zavatra iray izay nibahana ny saintsika hatrany nandritra ny taon-dasa dia ny hoe ahoana no ahafahantsika mampahatanjaka ny zanatsika eo amin’ny ara-panahy?” hoy Rahavavy Susan H. Porter. “Rehefa miresaka momba ny fanatanjahana ny finoan’ny taranaka vao misondrotra isika dia tsy maintsy manomboka ao amin’ny Kilonga izany.”

Hitan’ny Rahavavy Porter ireo fitahiana izay tonga amin’ireo ankizy atao batisa rehefa mandray anjara ao am-piangonana izy ireo amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana nanao fanekempihavanana azy ireo.

“Matetika dia amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra sy fanompoana no itomboan’ny fijoroana ho vavolombelontsika,” araka ny fanazavany. “Ny ankizy dia afaka mianatra mikatsaka fanentanam-panahy avy any an-danitra.”

Mialoha ny antsony ho Filohan’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, dia Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany nandritra ny herintaona ny Filoha Porter.

Nilaza izy fa ankizy maro no tsy afaka nandray anjara tao amin’ny Kilonga nandritra ny valanaretina COVID-19. Hitany ary fantany ihany koa ny fanamby atrehan’ireo vehivavy tokan-tena. Ny vadiny, ny Loholona Bruce D. Porter tao amin’ny Fitopololahy, dia nodimandry tamin’ny 2016.

“Maro ireo alahady izay tsy nahafahako nandray ny fanasan’ny Tompo,” hoy izy.

Rehefa nizara ny zavatra niainany izy dia nilaza taminy ireo vehivavy hafa hoe, “Ny fanompoanao ato amin’ny Fiangonana dia maha tonga saina ahy kokoa fa mila ahy koa ny Fiangonana.”

I Susan Elizabeth Holland Porter dia teraka tamin’ny 31 jolay 1955 tao Ponca City, Oklahoma, Etazonia, ary zanak’i Hans J. sy i Charlene Coleman Holland. Notezaina tao New York, Etazonia izy.

Nanambady ny Loholona Porter tamin’ny 2 febroary 1977 tao amin’ny tempolin’i Washington D.C. izy. Nitaiza ny zanak’izy ireo efatra tany atsinanan’i Etazonia, Alemaina, ary Utah izy ireo ary nanatontosa andraikitra ho an’ny Fiangonana tany amin’ny Vondromparitra Eorôpa Atsinanana.

Ny Rahavavy Porter dia nahavita fianarana ary nahazo diplaoma maîtrise momba ny simia tao amin’ny Oniversite Brigham Young. Mpanampy tao amin’ny labôratoara tao amin’ny Massachusetts Institute of Technology sy mpampianatra matematika no asa efa nataony. Mpilatsaka an-tsitrapo tamina fikambanana isan-karazany ara-piarahamonina sy mampandroso ny fiarahamonina koa izy.

Ny Rahavavy Porter dia efa mpikambana tao amin’ny filankevitra mpanorohevitry ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, ary isan’ny antsony teo aloha ny mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny tsatòka, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy teo anivon’ny paroasy, mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara, ary mpitarika hira ao amin’ny Kilonga.