2022
Fiovam-po hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra
Mey 2022


Fiovam-po hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra

Tafiditra ao anatin’ny fiovam-pontsika manokana ny andraikitra hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao tontolo izao.

Velom-pankasitrahana aho ny amin’ny antso feno hery ara-paminaniana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson mba hanao asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana sy ny hafatra manentana ny fanahy momba ny asa fitoriana nataon’ny Filoha M. Russell Ballard sy ny Loholona Marcos A. Aidukaitis androany.

Ny fanendrena hanao asa fitoriana tany Grande Bretagne dia namela ahy tamin’ny faramparan’ny taon-dasa hisaintsaina ireo trangan-javatra ara-panahy sarobidy nifotoran’ny fanapahan-kevitro hirotsaka ho misiônera.1 Fony aho 15 taona dia 20 taona i Joe zokilahiko malala, izay taona nahafahana nandeha nanao asa fitoriana tamin’izany. Noho ny ady tany Kôrea dia vitsy kely no afaka nanompo tany Etazonia. Iray ihany no azo nantsoina avy tao amin’ny paroasy tsirairay isan-taona.2 Gaga izahay rehefa nangataka an’i Joe hiresadresaka mikasika io fahafahana manompo io tamin’ny rainay ny evekanay. Efa nanomana fangatahana hidirana mianatra any amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo i Joe. Ny rainay, izay tsy navitrika tao amin’ny Fiangonana, dia nanao fiomanana ara-bola hanampiana azy ary tsy nankasitraka ny handehanan’i Joe hanao asa fitoriana. Nanoro hevitra i Dada fa afaka manao soa bebe kokoa i Joe raha mandeha mianatra any amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo. Olana goavana tao amin’ny fianakavianay izany.

Tao anatin’ny fifanakalozan-kevitra miavaka niarahako tamin’ilay zokiko lahy hendry sy fakan-tahaka dia nanatsoaka hevitra izahay fa niankina tamina fanontaniana miisa telo ny fanapahan-keviny na handeha hanao asa fitoriana ka hanemotra ny fianarany na tsia: (1) Andriamanitra ve i Jesoa Kristy? (2) Tenin’ Andriamanitra ve ny Bokin’i Môrmôna? ary (3) I Joseph Smith ve no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny? Raha eny ny valin’ireo fanontaniana ireo dia nazava fa i Joe dia afaka nanao soa bebe kokoa tamin’ny fitondrana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’izao tontolo izao raha ampitahaina amin’ilay hoe izy lasa mpitsabo alohaloha kokoa.3

Nivavaka tamin-kafanam-po nomban’ny tena finiavana aho tamin’io alina io. Tamin’ny fomba mahery vaika tsy hay nolavina no nanamafisan’ny Fanahy tamiko fa hoe eny no valin’ireo fanontaniana telo ireo. Zava-nitranga tena nanan-danja sy nisy fiantraikany tamiko izany. Tsapako fa hisy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra rehetra horaisiko mandritra ny androm-piainako sisa ireo fahamarinana telo ireo. Fantatro ihany koa fa hanao asa fitoriana aho raha omena fahafahana hanao izany. Tao anatin’ny fanompoana sy ny zavatra niainana ara-panahy nandritra ny androm-piainana dia lasa takatro fa ny fiovam-po marina no vokatry ny fanekena an-tsitrapo ny sitrapon’ Andriamamanitra, ary afaka ny hotarihin’ny Fanahy Masina isika ao anatin’ny zavatra ataontsika.

Efa nanana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy an’izao tontolo izao Azy aho. Tamin’io alina io dia nahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy momba ny Bokin’i Môrmôna4 sy ny Mpaminany Joseph Smith aho.

Fitaovana teo an-tanan’ny Tompo i Joseph Smith

Ho mafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao rehefa fantatrao ao am-ponao amin’ny alalan’ny vavaka ataonao fa fitaovana teo an-tanan’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith. Nandritra ny valo taona lasa dia isan’ireo asa nanendrena ahy tao amin’ny Apôstôly Roambinifolo ny nandinika sy namaky ireo taratasy sy tahirin-kevitra miavaka nosoratan’i Joseph Smith sy ny fikarohana izay nitarika ho amin’ny famoahana ireo boky Olomasina.5 Ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fankasitrahako azy dia lasa mafy orina sy nihatsara fatratra rehefa avy namaky ireo antsipirian-javatra manentana ny fanahy teo amin’ny fiainany sy ny asa fanompoany voatendry mialoha tamin’ny naha-mpaminany azy aho.

Fototra iorenan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fandikan’i Joseph ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra.6 Ny Bokin’i Môrmôna dia manana votoaty tsy miovaova, voasoratra amin’ny fomba kanto, ary mirakitra ny valin’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izy io. Mijoro ho vavolombelona aho fa olo-marina sy feno finoana ary fitaovana teo an-tanan’ny Tompo i Joseph Smith tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna.

Ireo fanambarana sy zava-nitranga voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manolotra ireo fanalahidy sy ôrdônansy ary fanekempihavanana ilaina ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Tsy ireo zavatra ilaina takina hanorenana ny Fiangonana ihany no hazavain’izany fa manome ihany koa fotopampianarana lalina izay mamela antsika hahatakatra ny tanjon’ny fiainana izany ary manome antsika fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Ny iray amin’ireo ohatra marobe tamin’ny anjara asan’i Joseph Smith tamin’ny naha-mpaminany azy dia hita ao amin’ny fizarana faha-76 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekepihavanana. Izy io dia firaketana amin’ny fomba tsotra ny fahitana momba ny lanitra, izay ahitana ireo fanjakam-boninahitra, ka nahazo fitahiana ny Mpaminany Joseph sy i Sidney Rigdon mba handray izany tamin’ny 16 febroary 1832. Tamin’izany fotoana izany dia nampianatra ny ankabeazan’ny fiangonana fa tsy hitondra famonjena ho an’ny ankamaroan’ny olona ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Nihevitra ny olona tamin’izany fa ho vitsy no ho voavonjy, ary ny ankabeazan’ny olona dia ho voaozona any amin’ny helo sy ny fanamelohana, tafiditra ao anatin’izany ny fampijaliana tsy misy fiafarany “faran’izay ratsy sy tsy hay lazaina ny hamafiny.”7

Ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana faha-76 dia mizara fahitana be voninahitra momba ireo ambaratongam-boninahitra izay hanomezana fitahiana lehibe ny ankamaroan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra izay nahery fo tao anatin’ny toetrany talohan’ny nahaterahana any aorian’ny fitsarana farany.8 Ny fahitana ireo ambaratongam-boninahitra miisa telo, izay “manoatra noho ny fahatakaran’ny saina rehetra”9 ny ambany indrindra tamin’izany, dia fitsipahana mivantana an’ilay fotopampianarana neken’ny besinimaro kanefa diso tamin’izany fotoana izany fa hoe ho voaozona any amin’ny helo sy ny fanamelohana ny ankamaroan’ny olona.

Rehefa tsapanao fa 26 taona monja i Joseph Smith, tsy nahita fianarana firy, ary zara raha nahita na tsy mbola nahita mihitsy ireo fiteny tranainy izay niaingana nandikana ny Baiboly, dia tena fitaovana teo an-tanan’ny Tompo tokoa izy. Ao amin’ny andininy faha-17 ao amin’ny fizarana 76, dia notaomim-panahy izy hampiasa ny teny hoe tsy marina fa tsy hoe fanamelohana araka izay ampiasaina ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona.10

Mahaliana fa 45 taona taty aoriana dia nisy mpitarika tao amin’ny fiangonana Anglikana sady manam-pahaizana momba ny fiteny tranainy nahazo diplaoma avy amin’ny anjery manontolo,11 nantsoina hoe Frederic W. Farrar, izay nanoratra ny The Life of Christ,12 nilaza fa vokatry ny fahadisoana tamin’ny fandikan-teny avy tamin’ny teny Hebreo sy Grika mankamin’ny teny Anglisy ny famaritana ny hoe fanamelohana ao amin’ny Baiboly King James.13

Amin’izao vaninandrontsika izao dia maro no manaiky ny hanaraka ilay hevitra hoe tsy tokony hisy vokany ny fahotana. Manohana ny famelana tsy misy fepetra ny fahotana tsy mandalo amin’ny fibebahana izy ireo. Ny fotopampianarantsika nambara dia tsy vitan’ny hoe mitsipaka fotsiny ihany ilay hevitra fa ho voaozona mandrakizay ho any amin’ny helo sy ny fanamelohana ny ankamaroan’ny olona, fa mametraka ihany koa fa didy tokony hotandremana mialoha ny handraisana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy handovana ny fanjakana selestialy ny fibebahan’ny tena manokana.14 Mijoro ho vavolombelona aho fa tena fitaovana teo an-tanan’ny Tompo marina i Joseph Smith tamin’ny fitondrana ny Famerenana ny filazantsarany tamin’ny laoniny!

Noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia takatsika ny maha-zava-dehibe ny fibebahana sy ny “asan’ny fahamarinana.”15 Takatsika ny halehiben’ny lanjan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ireo ôrdônansin’ny famonjeny sy ny fanekempihavanany, tafiditra ao anatin’izany ireo izay tanterahina any amin’ny tempoly.

Ny “asan’ny fahamarinana” dia azo avy amin’ny fiovam-po sy vokatry ny fiovam-po. Ny fiovam-po marina dia mitranga amin’ny alalan’ny fanekena sy ny fanolorantena an-tsitrapo hanaraka ny sitrapo’ Andriamanitra.16 Ireo vokatra sy fitahiana marobe izay mitosaka avy amin’ny fiovam-po dia fiadanana marina sy maharitra sy ilay fahazoan’ny tena manokana antoka ny hahazo fifaliana amin’ny farany17 na dia eo aza ny tafio-drivotry ny fiainana.

Ny fiovam-po ho an’ny Mpamonjy dia manova olona araka ny nofo ho olona nohamasinina, nateraka indray, madio, olom-baovao ao amin’i Jesoa Kristy.18

Maro ireo tsy mahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany

Inona avy ireo andraikitra ateraky ny fiovam-po? Tao amin’ny Fonjan’i Liberty dia nilaza ny Mpaminany Joseph fa maro no “[voasakana] … tsy hahita ny fahamarinana … noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny.”19

Nofariparitana ao amin’ny sasin-tenin’ny Tompo ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny fanambaran’ny Tompo ny tanjony ho antsika amin’ny fomba fijery amin’ny ankapobeny. Izao no nambarany: “Koa Izaho Tompo dia mahalala ny antambo izay hanjo ny mponin’ny tany, ka niantso an’i Joseph Smith zanany mpanompoko sy niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy.” Mbola mampianatra Izy avy eo hoe: “Mba ho azon’ny malemy sy ny tsotra ambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao ny fahafenoan’ny filazantsarako.”20 Tafiditra ao anatin’izany ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno Tafiditra ao anatin’izay isika tsirairay avy. Tokony ho vaindohan-draharaha ho an’ireo rehetra izay nahazo fiovam-po hanaraka ny sitrapo’ Andriamanitra ny fifantohana amin’izany. Manasa antsika amim-panajana ny Mpamonjy mba ho feony sy tanany.21 Ny fitiavan’ny Mpamonjy no ho fahazavana mitarika antsika. Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra.”22 Ary izao no nambarany tamin’i Joseph Smith: “Mitoria ny filazantsarako amin’ny mananaina rehetra izay tsy nandray izany.”23

Herinandro taorian’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland ny 3 aprily 1836, izay sady alahadin’ny Paska no Paska fahiny, dia niseho tamin’i Joseph sy i Oliver Cowdery tao anatin’ny fahitana mahatalanjona ny Tompo. Nanaiky ilay tempoly ny Tompo ary nanambara hoe: “Ary izany no fiandohan’ny fitahiana izay harotsaka eo ambonin’ny lohan’ny vahoakako.”24

Rehefa tapitra io fahitana io dia niseho i Mosesy “ary nanolotra … ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra sy ny fitarihana ny firenena folo avy any amin’ny tany avaratra.”25

Ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminany malalantsika ankehitriny izay mihazona ireo fanalahidy ireo, dia nampianatra ny maraina teo hoe: “Ianareo ry zatovolahy dia natokana ho amin’izao fotoana izao izay hitrangan’ny fanangonana an’i Isiraely. Rehefa manao asa fitoriana ianareo dia misahana anjara asa manan-danja amin’io tranga tsy manam-paharoa io!”26

Raha tiana ho lasa ampahany mandrafitra ny maha-isika antsika ilay didin’ny Mpamonjy hizara ny filazantsara, dia mila mba ho lasa miova fo hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra isika, mila mitia ireo namantsika isika, mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ary manasa ny rehetra ho avy ka hahita. Isika mpikamban’ny Fiangonana dia mankamamy ny valinteny nomen’ny Mpaminany Joseph an’i John Wentworth izay tonian-dahatsoratry ny Chicago Democrat, tamin’ny 1842. Nanontany ny mombamomba ny Fiangonana izy. Nofaranan’i Joseph tamin’ny fampiasana ny “Standard of Truth (Fanevan’ny fahamarinana)” mba ho sasin-tenin’ireo Fanekem-pinoana telo ambin’ny folo ny valinteniny. Ilay teny faneva dia nampita tamin’ny teny fohy sy mazava ny zavatra tsy maintsy hotanterahina:

“Tsy misy tanana tsy masina afaka hampitsahatra ny asa tsy handroso; afaka masiaka ny fanenjehana, afaka mikaon-doha ny mpanakorontana, afaka mivondrona ny tafika, afaka manaratsy ny fanosoram-potaka, fa ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana sy amim-boninahitra ary mahaleo tena mandra-pitsofok’izany any amin’ny kaontinanta rehetra, nitsidika ny faritra rehetra, nandalo ny firenena rehetra, ary ren’ny sofina rehetra mandra-pahatontosan’ny tanjon’ Andriamanitra, ary ilay Jehovah Lehibe hilaza hoe vita ny asa.”27

Izany no feon’anjomara niantso ireo taranaky ny Olomasin’ny Andro Farany nifandimby, indrindra fa ireo misiônera. Velom-pankasitrahana isika fa tao anatin’ilay valanaretina niely maneran-tany dia nizara ny filazantsara tao anatin’ny fanahin’ny “Fanevan’ny Fahamarinana” ireo misiônera mahatoky. Ry misiônera, tianay ianareo! Mangataka ny tsirairay amintsika ny Tompo hizara ny filazantsarany amin’ny teny sy ny asa. Tafiditra ao anatin’ny fiovam-pontsika manokana ny andraikitra hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao tontolo izao.

Tafiditra ao anatin’ireo fitahiana avy amin’ny fizarana ny filazantsara ny fampitomboana ny fiovam-pontsika hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika.28 Mitahy ny hafa isika mba hiaina “fiovam[-po] mahery vaika”.29 Tena misy fifaliana mandrakizay tokoa rehefa manampy amin’ny fitondrana fanahy hanatona an’i Kristy.30 Ny fiasana ho an’ny fiovam-pon’ny tena manokana sy ny hafa no ilay asa tsara.31 Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Nanompo tany amin’ny Misiôna Britanika aho nanomboka tamin’ny 1 septambra 1960 ka hatramin’ny 1 septambra 1962.

  2. Tsy maintsy nanao izay hahafahany nanompo tany amin’ny tafika ireo zatovolahy hafa.

  3. Taorian’ny niverenan’i Joe avy nanao ny asa fitoriany dia nahavita ny fianarany ho mpitsabo izy ary nanao ny asa maha-mpitsabo azy tamim-pahombiazana. Ny asa fitoriana nataony dia nanomana azy koa ho lasa eveka, filohan’ny tsatòka, solontenan’ny mpitarika teo anivon’ny faritra, ary filohan’ny misiôna.

  4. Jereo ny Môrônia 10:4. Efa namaky ny Bokin’i Môrmôna aho. Noho ny maha-zava-dehibe io olana io tao amin’ny fianakavianay dia nivavaka nomban’ny tena finiavana aho.

  5. Jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, boky 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), boky 2, No Unhallowed Hand, 1846–1893 (2020).

  6. Nanomboka tamin’ny 7 aprily 1829 ny fandikana ary vita tany ho any amin’ny voalohan’ny volana jolay 1829. Tena nahavariana ny nandalina ireo zava-nisy manodidina ilay fandikan-teny. Nankafiziko manokana ny namaky ny sora-tanan’ilay mpanao ny fanontana sy ilay sora-tanana tany am-boalohany nanoratana ny Bokin’i Môrmôna izay navoaka ho boky 3 sy 5 tao amin’ireo andiana Fanambarana sy Dikanteny tao amin’ny The Joseph Smith Papers. Samy boky manan-tantara ireo.

  7. Frederic W. Farrar, Eternal Hope: Five Sermons Preached in Westminster Abbey, November and December, 1877 (1892), xxii.

  8. Tafiditra tao amin’ilay fahitana ireo izay tsy nandre momba an’i Kristy teto amin’ity fiainana ity, ireo ankizy izay maty mialoha ny taona maha-tompon’andraikitra, ary ireo izay tsy manana fahatakarana.

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:89.

  10. Jereo ny Jaona 5:29.

  11. Nianatra tao amin’ny King’s College ao Londres sy tao amin’ny Trinity College ao Cambridge i Farrar. Mpitondra fivavahana tao amin’ny Church of England (Anglikana) izy, archidiacre tao amin’ny Westminster Abbey, tale mpitantana tao amin’ny Canterbury Cathedral, ary mpitondra fivavahana tao amin’ny Royal Household.

  12. Jereo ny Frederic W. Farrar, The Life of Christ (1874).

  13. Jereo ny Farrar, Eternal Hope, xxxvi–xxxvii. Nahatsapa ho voatery hanitsy ireo fampianarana momba ny fanamelohana sy ny helo i Farrar. Nambarany tamin’ny fomba hentitra ilay nantsoiny hoe “fahamarinana tsotra, tsy azo lavina, ary tsy isalasalana. … Ilay matoanteny hoe -manameloka- sy ireo teny azo avy amin’izany dia tsy mitranga na dia indray mandeha aza ao amin’ny Testamenta Taloha. Tsy ahitana teny mampita hevi-teny toy izany ao amin’ny teny Grikan’ny Testamenta Vaovao.” Notohizany tamin’ny fanazavana fa ny teny hoe fanamelohana dia “fandikan-teny diso sy ratsy … [ary] manova sy manamaizina ny tena hevitry ny zavatra nolazain’ny Tompontsika” (Eternal Hope, xxxvii). Nohamafisin’i Farrar ihany koa ilay fanehoana mampihetsi-po ny Ray any An-danitra be fitiavana iray manerana ny Baiboly ho porofo fanampiny fa diso ireo famaritana ny helo sy ny fanamelohana izay ampiasaina ao amin’ny dikanteny amin’ny teny Anglisy (jereo ny Eternal Hope, xiv–xv, xxxiv, 93; jereo koa ny Quentin L. Cook, “Ny drafitry ny Raintsika, ampy ho an’ny zanany rehetra,” Liahona, mey 2009, 36).

  14. Ny fifandraisana misy eo amin’ny fibebahana sy ny Sorompanavotana dia hazavaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:19:15–18, 20. Ankoatra izay dia hazavaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:10–12 ny famaizana tsy misy fiafarany.

  15. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23.

  16. Jereo ny Môzià 27:25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:13; jereo koa ny Dale E. Miller, “Bringing Peace and Healing to Your Soul,” Liahona, Nov. 2004, 12–14.

  17. Jereo ny Môzià 2:41.

  18. Jereo ny Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, Nov. 2000, 33; Liahona, Jan. 2001, 41; jereo koa ny 2 Korintiana 5:17; Bible Dictionary, “Conversion.”

  19. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12.

  20. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, 23.

  21. Raha izay no faniriantsika dia “antsoina ho amin’ny asa” isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:3; jereo koa ny Thomas S. Monson, “Called to the Work,” Liahona, June 2017, 4–5).

  22. Matio 28:19.

  23. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:28.

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:10.

  25. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11.

  26. Jereo ny Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana” Liahona, mey 2022, 6–7; jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), ChurchofJesusChrist.org.

  27. Enseignements des présidents de l’église: Joseph Smith (2007), 477.

  28. Jereo ny Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–95.

  29. Almà 5:14.

  30. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15; jereo koa ny Jakoba 5:19–20.

  31. Jereo ny Almà 26:22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13–16; jereo ihany koa ny Bible Dictionary, “Conversion.”