2022
Camille N. Johnson
Mey 2022


“Camille N. Johnson,” Liahona, mey 2022.

Camille N. Johnson

Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany

Mahatsiaro ho “tsy vahiny foana” i Camille N. Johnson ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.

“Niaina fiombonan’ny mpirahavavy teo anivon’ireo vehivavy izay tsy mitovy amiko aho,” hoy izy momba ny zavatra niainany tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, isan’izany ireo efa naharitra 30 taona mahery tao amin’ireo paroasina fianakaviana tao Etazonia sy Pérou. “Tiako ny tanjaka sy ny fahendren’ireo vehivavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.”

Lasa nanana mpampianatra sy namana tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izy, isan’izany ireo izay nahazo taona kokoa na tanora kokoa noho izy.

“Mpirahavavy miaina zavatra iombonana isika rehetra amin’ny faniriantsika hiverina any amin’ny tranontsika any an-danitra, saingy miaina zavatra isan-karazany izay azontsika ampiasaina mba hifanampiana,” hoy Rahavavy Johnson.

Filohan’ny Kilonga maneran-tany Rahavavy Johnson nandritra ny taona lasa. Hanomboka ny antsony amin’ny maha-Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany azy izy ny 1 aogositra.

Isan’ny antso ankafiziny indrindra ny mampianatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.

“Tiako ny fahafahana nampandray anjara ireo rahavavy sy nampianarin’ny Fanahy ary nifampianatra nandritra ireo ora masin’ny Fikambanana Ifanampiana. Ao isika no miresaka an’i Kristy sy mifaly amin’i Kristy ary miresaka momba ireo zavatra tena mahakasika ny fontsika.”

Teraka tamin’ny septambra 1963 tao Pocatello, Idaho, Etazonia i Camille Neddo ary zanak’i Hal sy i Dorothy. Nanambady an’i Douglas R. Johnson tamin’ny 31 jolay 1987 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy. Manan-janaka lahy telo sy zafikely dimy izy ireo.

Nahavita fianarana fiteny Anglisy tao amin’ny Oniversiten’i Utah tamin’ny 1985 izy ary tao amin’ny Oniversiten’i Utah S. J. Quinney College of Law tamin’ny 1989. Mpisolovava nandritra ny 30 taona mahery izy ary filohan’ny kabinetra mpanao lalàna Snow Christensen & Martineau.

Efa filohan’ny Zatovovavy teo anivon’ny paroasy ny Rahavavy Johnson ary efa tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny Kilonga ihany koa ary mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara sy mpampianatra tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Niara-nanompo tamin’ny vadiny koa izy ny 2016 hatramin’ny 2019, nandritra ny niahian’ny vadiny ny misiônan’i Pérou Arequipa.