2022
Loholona Mark D. Eddy
Mey 2022


“Loholona Mark D. Eddy,” Liahona, mey 2022.

Loholona Mark D. Eddy

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny fahavaratra nialoha ny taona farany nianaran’ny Loholona Mark D. Eddy tany amin’ny lisea dia nanasa azy sy ny mpianatra hafa tao amin’ny filankevitry ny mpianatra seminera ny mpampianatra seminera iray mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Efa novakiny imbetsaka niaraka tamin’ny fianakaviany izany, saingy vao sambany tamin’izay no namakiny irery ny boky.

Nanapa-kevitra ny hivavaka izy mialoha sy aorian’ny famakiana isan’andro. Nanantena izy fa hahazo valiny mazava mahakasika ny fahamarinan’ilay boky ao anatin’ny iray na roa herinandro. Taorian’ny famakiana efa ho roa volana mahery dia mbola tsy nahazo ilay fanamafisana nandrandrainy ihany izy.

Ora vitsy talohan’ny fampaherezam-panahy an’ny seminera iray izay “handraisana indray” ny mpianatra izay nangatahana azy hizara ny fijoroany ho vavolombelona tamin’izay, dia tonga aloha be ny Loholona Eddy mba hanampy amin’ny fikarakarana. Dia nahita toerana mangina izy hamakiana ny Bokin’i Môrmôna sy hivavahana.

“Avy eo aho dia nandray fahatsapana mazava sy tsy isalasalana fa marina ilay izy,” hoy izy. “Tonga ara-potoana ilay izy mba hahafahako mijoro ho vavolombelona tamin’io hariva io. Nila nanao zavatra maromaro aho vao nahazo izany fahatsapana izany ary naharitra tsara ilay izy ka tsy hoadinoiko na oviana na oviana.”

Teraka tao Long Beach, Californie, Etazonia, ny 30 martsa 1973 ny Loholona Mark David Eddy ary zanak’i Richard Cleighton Eddy sy Mary Louise Savage Eddy. Lehibe tao Orem, Utah, izy ary nanambady an’i Annette “Annie” Allen tao amin’ny tempolin’i Provo Utah tamin’ny aogositra 1994. Manan-janaka enina izy ireo.

Ny Loholona Eddy dia nahavita fianarana tao amin’ny Oniversite Brigham Young tamin’ny 1996, ka nahazo mari-pahaizana maîtrise en communication ary mari-pahaizana Juris Doctor degree tao BYU tamin’ny 2001. Nanomboka tamin’izay dia mpisolovava sy mpitantan-draharaha no asany.

Ny Loholona Eddy dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny Misiônan’i Orogoay Montévideo, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy, ary misiônera amin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’ny République Dominicaine, Santo Domingo Est.