2022
Mampianatra fizakan-tena amin’ny ankizy sy ny zatovo
Mey 2022


Mampianatra fizakan-tena amin’ny ankizy sy ny zatovo

’Ndeha isika hanaraka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny filazantsarany amin’ny alalan’ny fizakan-tena mandritra ny androm-piainantsika, sy ny fampianarantsika izany ireo zanatsika sy zatovontsika.

Hiresaka momba ny fizakan-tena aho sy ny fomba ahafahana mampianatra izany ny ankizy sy ny zatovo. Mety ho toy ny lohahevitra ho an’ny olon-dehibe no iheverana ny fizakan-tena. Nahazo fahatakarana aho fa afaka mizotra tsara kokoa eo amin’ny lalana mankany amin’ny fizakan-tena ny olon-dehibe rehefa nampianarina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy nampihatra tao an-tokantrano ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ao anatin’izany hatry ny fahakeliny sy nandritra naha-zatovo azy.

Ohatra iray lehibe tena nitranga teo amin’ny fiainana no fomba tsara indrindra hanehoana sy hahatakarana izany. Enin-taona i Wilfried Vanie raha niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Abidjan, Côte d’Ivoire, izy sy ireo iray tam-po aminy fito mianadahy ary ny reniny. Natao batisa izy rehefa feno valo taona. Nodimandry ny rain’i Wilfried, ilay hany mpamelona ny fianakaviana, fony izy iraika ambin’ny folo taona.

Na dia nampalahelo an’i Wilfried aza ny toe-piainan’ny fianakaviana, dia nanapa-kevitra izy ny hanohy fianarana nomban’ny famporisihan’ny reniny sy ny fanampian’ny Fiangonana. Nahazo diplaoma bakaloreà izy ary nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Cape Coast, Ghana, ary tany no nianarany fiteny anglisy. Nanohy fianarana teny amin’ny anjery manontolo izy taorian’ny nitoriany ny filazantsara ary nahazo diplaoma tamin’ny haikajy sy fitantanam-bola. Na dia nananosarotra aza ny fitadiavana asa tamin’io sehatr’asa io dia nahita asa tamin’ny sehatr’asa fizahan-tany sy fandraisam-bahiny izy.

Mpandroso sakafo tamina hôtely kintana dimy no niantombohany, saingy ny toe-tsainy liam-pivoarana dia nanosika azy hianatra bebe kokoa mandra-pahatonga azy ho mpandray vahiny miteny fiteny roa tao. Rehefa nisy hôtely iray vaovao nisokatra dia izy no voaray ho mpanamarim-bola amin’ny alina. Taty aoriana dia nanao BYU–Pathway Connect izy ary ankehitriny dia mianatra taranja iray hahazoana mari-pahaizana amin’ny fitantanana fizahan-tany sy fandraisam-bahiny. Ny faniriany dia ny ho lasa mpitantana trano fandraisam-bahiny lehibe indray andro any. Afaka mamelona ny vadiny mandrakizay sy ireo zanany roa i Wilfried ary afaka manampy koa ny reniny sy ireo iray tam-po aminy. Ankehitriny izy dia manompo ato am-piangonana amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny filankevitra avon’ny tsatòka.

Ny fizakan-tena dia faritana hoe “fahafahana sy ny fanoloran-tena ary ny fiezahana hanome fahafaham-po ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena manokana sy ny ankohonana.”1 Ny filofosana mba hizaka tena dia anisan’ny asa ataontsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra antsika hiverina any amin’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Izany dia hanamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy hampifamatotra antsika amim-pifaliana Aminy amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny fizakan-tena dia fotopampianarana iray ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fa tsy fandaharam-pianarana. Dingana mitohy mandritra ny androm-piainana izany, fa tsy zava-mitranga indray mandeha.

Lasa mizaka tena isika mandritra ny androm-piainantsika manontolo amin’ny alalan’ny fampitomboana ny tanjaka ara-panahy, ny fanatsarana ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po, ny fanohizana ny fianarantsika sy ny fanatsarana ny asantsika, ary ny fiomanana amin’ireo zavatra ilaina ara-batana.2 Hanam-petra ve io adidy io eo amin’ny fiainantsika? Tsia, fianarana sy fitomboana, ary asa mandritra ny androm-piainana izany. Tsy manam-pahataperana ny fizakan-tena fa dingana mitohy isan’andro.

Ahoana no ahafahantsika mampianatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny fizakan-tena amin’ireo ankizy sy zatovontsika? Fomba iray manan-danja ny mampihatra tsy tapaka ireo fitsipika ao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia mianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, sy mandray anjara amin’ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana, ary miara-miasa amin’ireo lafy efatry ny fivoaran’ny tena manokana izay miavaka ho an’ny ankizy tsirairay. Tsy ilay fandaharan’asa bambaray ho an’ny rehetra intsony izany.

Toy izao no lazain’ilay Boky torolalana ho an’ny ankizy: “Fony i Jesoa nitovy taona taminao dia nianatra sy nivoatra Izy. Mianatra sy mivoatra ihany koa ianao izao. Hoy ny soratra masina: -Nitombo saina sy tena i Jesoa sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona- (Lioka 2:52).”3 Io soratra masina io dia manondro fivoarana sy fianarana ara-panahy, nandroso fitia amin’ Andriamanitra; ara-piarahamonina, nandroso fitia tamin’ny olona; ara-batana, mitombo tena; ary ara-tsaina, mitombo saina. Tsy mifidy taona fa mihatra amintsika rehetra ireo lafim-pivoarana ireo. Rahoviana isika no mampianatra azy ireo? Vakintsika ao amin’ny Deotoronomia 6:6–7 hoe:

“Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.

“Dia ampianaro tsara ny zanakao ary resaho izany na mipetraka ao an-tranonao hianao na mandeha any an-dalàna, na mandry na mifoha.”

Amin’ny alalan’ny ohatra tsara asehontsika, amin’ny alalan’ny fiarahantsika miasa sy manompo amin’izy ireo, ny fandalinana ny soratra masina, ary ny fanarahana ny fampianaran’i Jesoa Kristy araka ny ampianarin’ireo mpaminany no ampianarantsika ireo zavatra ireo ny zanatsika.

Nolazaiko fa ao amin’ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ny ankizy dia misafidy tanjona samihafa ho an’ny tsirairay amin’ireo lafim-pivoarana efatra. Zava-dehibe ny hamoronany tanjona azy manokana amin’ny lafiny tsirairay. Ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika dia afaka mampianatra, sy manoro hevitra ary manohana.

Ohatra, i Miranda zafikelinay dia marisika be ny hivoatra ara-panahy amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny kilasin’ny seminera vao maraina isan’andro. Nahatonga azy ho liana ny fandrenesana ireo fanamarihana tsara avy amin’ireo mpianatra seminera hafa tao amin’ny paroasiny. Tsy mila mamoha azy hamonjy kilasy ny reniny. Tafafoha irery izy ary miditra amin’ny visioconférence amin’ny fotoana voatondro, amin’ny 6:20 maraina, satria nanana fahazarana tsara izay nanampy azy hanao izany. Ireo ray aman-dreniko manokana dia vao haingana no nilaza tamiko fa lasa miresaka kokoa i Miranda ankehitriny rehefa mamangy azy ireo noho izy nitombo fatokisan-tena. Lesona ho an’ny fiainana ireo sy fivoarana izay ahitam-bokatra mivaingana.

Manampy amin’ny fivoarana sy ny fitomboan’ny ankizy ireo ray aman-dreny, ireo raibe sy renibe, ireo mpitarika ary ireo namana. Manolotra fanohanana ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo feno fanoloratena, mbamin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoranana sy ireo rafitra ao amin’ny paroasy. Toy izao no lazain’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”: “Araka ny drafitr’ Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany. Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany. Manoloana izany andraikitra masina izany, ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo. … Ireo havana dia tokony hanome fanampiana raha ilaina.”4 Io fehezan-teny farany io dia manondro ireo raibe sy renibe, sy ny maro hafa.

Rehefa manompo tany Afrika Andrefana izahay dia nanao asa niavaka i Nuria vadiko tamin’ny fanompoana sy ny fifandraisany hatrany tamin’ny fianakavianay sy ny zafikelinay tany am-pitan’ny ranomasimbe. Tamin’ny alalan’ny teknôlôjia no nanaovany izany. Mamaky boky ho an’ireo zafikelinay mbola kely izy. Ireo zafikely vavy lehibe kosa dia ampianarany lohahevitra toy ny tantaran’ny fianakavianay, lohahevitra ara-tsiansa, tantaran’i Puerto Rico, Ireo Fanekem-pinoana, ary ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ankehitriny dia tsy voafetran’ny elanelan-tany ny fifandraisana, ny firaisam-po, sy ny fanompoana, ary ny fampianarana ireo taranaka vao misondrontra ao amin’ny fianakavianay. Manatevin-daharana an’i Nuria ihany koa aho rehefa afaka, mampianatra ireo zafikely sarobidinay, maneho fitiavana azy ireo, sy mampihanta azy ireo ary mampihomehy azy ireo.

Tokony ho tsikaritrareo ny fitoviana nentanim-panahy eo amin’ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo sy ny fanorenana fizakan-tena. Mitovy tsy misy valaka ireo lafim-pivoarana efatra tsirairay ireo. Ny hery ara-panahy amin’ny fizakan-tena dia mifandray amin’ny ara-panahy ao amin’ny Ankizy sy ny Zatovo. Ny fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po amin’ny fizakan-tena dia mifandray amin’ny ara-batana sy ara-tsosialy ao amin’ny Ankizy sy ny Zatovo. Mitovy amin’ny ara-tsaina ao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ny fianarana, sy ny asa, ary ny fahavononana ara-batana eo amin’ny fizakan-tena.

Eto am-pamaranana dia ’ndeha isika hanaraka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny filazantsarany amin’ny alalan’ny fizakan-tena mandritra ny androm-piainantsika sy ny fampianarantsika izany ireo zanatsika sy zatovontsika. Ny fomba tsara indrindra anaovantsika izany dia amin’ny alalan’ny

  1. fijoroana ho ohatra tsara amin’ny fanompoana ny hafa,

  2. fiainana sy fampianarana ny fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny fizakan-tena, ary

  3. fankatoavana ilay didy hanorina fizakan-tena ho isan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15–16 dia milaza hoe:

“Ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko, satria ny zavatra rehetra dia Ahy.

“Saingy tsy maintsy ilaina ny hanaovana izany araka ny fombako; ary indro, izao no fomba izay efa notapahiko Izaho Tompo, hamatsiana ny olomasiko, fa hasandratra ny mahantra amin’ny fanetrena ny manan-karena.”

Ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ny filazantsarany dia mitahy ny fianakaviana eto an-tany sy mandritra ny mandrakizay. Mitarika antsika eo amin’ny fiainantsika izany rehefa miezaka ny ho lasa fianakaviana mandrakizay isika. Fantatro fa marina izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.