2022
Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony
Mey 2022


Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony

Ry rahalahy sy anabavy, ankehitriny aho dia hanolotra ireo Manampahefana Ambony, sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana mba hotohanana.

Miangavy anareo izahay mba haneho ny fanohananareo amin’ny fomba mahazatra na aiza na aiza mety misy anareo. Raha misy aminareo manohitra na iza na iza amin’ireo hatolotra eto, dia mangataka anareo izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkanareo.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i M. Russell Ballard ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: M. Russell Ballard, Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit Walter Gong, ary Ulisses Soares.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia hisaorana amin’ny andraikitra ananan’izy ireo: Mark D. Eddy, Ryan K. Olsen, Jonathan S. Schmitt, ary Denelson Silva.

Ireo izay maniry ny hiaraka haneho fankasitrahana aminay noho ny asa fanompoana tena tsara nataon’izy ireo, dia aoka haneho izany.

Narosonay mba hihatra amin’ny 1 aogositra 2022 ny fisaorana ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, araka izao manaraka izao: Jean B. Bingham tamin’ny naha-Filoha azy, Sharon Eubank tamin’ny naha-Mpanolotsaina Voalohany azy ary i Reyna I. Aburto tamin’ny naha-Mpanolotsaina Faharoa azy.

Narosonay mba hihatra amin’ny 1 aogositra 2022 ihany koa ny fisaroana ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, araka izao manaraka izao: Camille N. Johnson tamin’ny naha-Filoha azy, Susan H. Porter tamin’ny naha-Mpanolotsaina Voalohany azy ary Amy A. Wright tamin’ny naha-Mpanolotsaina Faharoa azy.

Ireo rehetra izay te hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo rahavavy ireo noho ny asa fanompoana feno fahafoizantena nataon’izy ireo, dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho Fitopololahy Manampahefana Ambony: Mark D. Eddy, James W. McConkie III, Isaac K. Morrison, Ryan K. Olsen, Jonathan S. Schmitt, ary Denelson Silva.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, tahaka izany ihany koa.

Marihinay fa Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao miisa 45 no notohanana nandritra ny fivoriana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ho an’ny mpitarika tamin’ny alakamisy 31 martsa ary avy eo nambara tao amin’ny newsroom.ChurchofJesusChrist.org tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity.

Manasa anareo izahay hanohana azy ireo amin’ny andraikitra vaovao nanendrena azy ireo.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia hanao toy izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany vaovao, mihatra amin’ny 1 aogositra 2022: Camille N. Johnson ho Filoha, Jeannie Anette Dennis ho Mpanolotsaina Voalohany, ary Kristin Mae Yee ho Mpanolotsaina Faharoa.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany vaovao, mihatra amin’ny 1 aogositra 2022: Susan H. Porter ho Filoha, Amy A. Wright ho Mpanolotsaina Voalohany, ary Tracy Y. Browning ho Mpanolotsaina Faharoa.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Aroso mba hotohanantsika ireo Manampahefana Ambony, Fitopololahin’ny Vondromparitra, sy ireo Mpiandraikitra Ambony hafa araka izay misy ankehitriny.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.

Misaotra anareo ry rahalahy sy anabavy noho ny finoana tsy tapaka sy vavaka ataonareo ho an’ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana.

Fanovana eo amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia notohanana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Elzimar Gouvêa de Albuquerque, Roland J. Bäck, Raúl Barrón, Bruno V. Barros, Eric Baxter, Oscar Bedregal, Joep Boom, Michael P. Brady, Randall A. Brown, Kennedy F. Canuto, Stephen K. Christensen, Nathan A. Craig, Mark Anthony Dundon, Favio M. Durán, Amândio A. Feijó, Claude R. Gamiette, Scott L. Hymas, Jason C. Jensen, Roberto G. F. Leite, John W. Lewis, Paulo Renato Marinho, Blaine R. Maxfield, Eduardo R. Mora, David Ngabizele, João Luis Oppe, Justice N. Otuonye, Emanuel Petrignani, Daniel Piros, Craig W. J. Raeside, Nelson Ramírez, Alexey V. Samaykin, Jose Antonio San Gabriel, Jose Estuardo Sazo, Steven D. Shumway, Oswaldo J. Soto, Mark G. Stewart, Scott N. Taylor, Roseveltt de Pina Teixeira, Gordon L. Treadway, Harold Truque, Nikolai Ustyuzhaninov, Carlos Ernesto Velasco, Kyle A. Vest, Sergio Villa, Min Zu Wang