2022
Amy A. Wright
Mey 2022


“Amy A. Wright,” Liahona, mey 2022.

Amy A. Wright

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany

Tsaroan-dRahavavy Amy A. Wright ny alina iray taona maro lasa izay raha nandalo fitsaboana homamiadana nahazo ny ovaire izay efa teo amin’ny dingana faha 4 izy. Nijaly izaitsizy izy hany ka tsy nahatsiaro ho nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra intsony. Na dia nanana fijoroana ho vavolombelona sy finoana ny Ray any An-danitra, ny Mpamonjy, ary ny drafitry ny famonjena aza izy dia nila fanampiana.

Fony izy ankizikely dia nampianarin’ny reniny sy ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga ny Rahavavy Wright fa rehefa mahatsiaro ho matahotra, na irery, na mila ny Fanahy izy dia tokony mihira hiran’ny Kilonga iray.

“Fa ho an’ny ankizy anefa izany,” hoy izy nieritreritra tamin’izay. “Azoko ampiharina amin’ny tenako tokoa ve izany?”

Dia tonga ny valiny—sy ilay hira.

“Zanak’ Andriamanitra koa aho,” araka ny fitadidian’ny Rahavavy Wright. “Noho izany dia nanomboka nihira tao an-tsaiko aho, -Ray any An-danitra ô! Moa ve ao Ianao?-1

“Hatreo no mba hany vitako nohiraina. Heniky ny fitiavan’ Andriamanitra ny tsiratsiraky ny tenako rehetra. Azo notsapain-tanana izany, izay zavatra hafahafa satria tsy afaka nahatsapa zavatra hafa mihitsy aho. Fantatro fa teo Izy, fa fantany tsara ny zavatra nolalovako, ary Andriamanitra be fitia Izy.”

Teraka tamin’ny 6 janoary 1972 tao Salt Lake City, Utah, Etazonia i Amy Eileen Anderson, ary zanak’i Joy Bailey sy Robert Anderson. Nanambady an’i James McConkie Wright tamin’ny24 jona 1994 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy. Manan-janaka lahy telo izy ireo.

Nahazo diplaoma maîtrise momba ny fampivelarana ny fiainan’ny olombelona sy ny fandalinana momba ny fianakaviana tao amin’ny Oniversiten’i Utah tamin’ny 1998 izy. Niasa tao amin’ny departemanta haino aman-jery ho an’ny mpianatra tao amin’ny Sampana Serasera tao amin’ny Oniversite Marquette izy raha toa kosa ka nianatra tao amina sekoly fianarana mitsabo nify ny vadiny.

Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany Rahavavy Wright nandritra ny taona lasa ary mpikambana tao amin’ny Filankevitra mpanorohevitry ny Zatovovavy maneran-tany talohan’izay. Isan’ny antsony teo aloha ny filohan’ny Kilonga teo anivon’ny tsatòka sy paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Kilonga teo anivon’ny paroasy, mpampianatra tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara, ary mpitarika ankizy skoto.

Fanamarihana

  1. “Vavaky ny ankizy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 6.