2022
Velona Izy ary manana fanasitranana ao amin’ny elany: Afaka ny ho lasa mihoatra noho ny mpandresy isika
Mey 2022


Velona Izy ary manana fanasitranana ao amin’ny elany:

Afaka ny ho lasa mihoatra noho ny mpandresy isika

Efa nandresy ireo herisetran’izao tontolo izao i Jesoa mba hanomezana anao ny hery izay tsy vitan’ny hoe ahafahanao tsy ho tafavoaka velona fotsiny ihany, fa indray andro any, amin’ny alalany, mba hahafahanao koa handresy ka ho lasa mpandresy mihitsy aza.

Marin, i Loholona Holland ity, tena hiharatsy ity tantara ity.

Mihoatra noho ny mpandresy isika

Isika rehetra dia samy liana amin’ny tantaran’olona izay tsy maty an’ady. Rentsika ireo angano momba ny mpikaroka tany vaovao kinga saina izay nandeha sambo rendrika sy ireo olon-tsotra izay nahavita toy azy ireo niaro ny ainy tsy ho very tamin’ny fomba tsy nampoizina sy tsy neritreretina, ary tsy haintsika ny tsy hanontany tena hoe: “Mahavita izany ve aho?”

Ny tonga tao an-tsaiko avy hatrany dia i Ernest Shackleton sy ireo tantsambon’ilay sambony nantsoina hoe HMS Endurance, vaky sambo tao amin’ny ranomandrin’i Antarktika, ary avy eo dia nihitsoka saika ho roa taona teo amina nosy ngazana iray. Nanavotra ny ain’ireo ekipany ny fitarihana mahatalanjona sy ny fanapahan-kevitra tsy miroanahana an’i Shackleton, na tao anatin’ireo toe-javatra mafy indrindra aza.

Avy eo dia tonga tao an-tsaiko ny ekipan’ny Apollo 13 izay nisidina ny habakabaka mba hitody teny amin’ny volana! Kanefa loza no niseho rehefa nipoaka ny tavoahangina ôksizenina iray ka voatery najanona ilay asa nanirahana azy ireo. Rehefa tsy ampy ny ôksizenina, dia nitady vahaolana tamim-pahendrena ny ekipa sy ny mpanara-maso ireo iraka ka tafaverina soa aman-tsara tety an-tany ireo mpanamory sambon-danitra anankitelo.

Mahatalanjona ahy ny tsy nahafaty an’ady tamin’ny fomba mahagaga ireo olon-tokana sy fianakaviana izay voa mafy noho ny ady, na nogadraina tany amin’ny toby, na lasa mpitsoa-ponenana, na ireo izay nihazona tamin-kerimpo sy herin-tsaina ny afon’ny fanantenana mba tsy ho faty ho an’ireo izay niara-nijaly taminy, na koa ireo izay mizara hatsarana manoloana ny habibiana, ary ireo izay mahavita manampy ny hafa haharitra andro iray fanampiny.

Moa ve izaho na ianao ho avotra hatramin’ny fiafaran’ireo toe-javatra ireo?

Mety misy aminareo kanefa mandinika ny tantaran’ireo olona tsy maty an’ady ary mihiaka ny fanahinareo hoe ianareo dia miaina tantaran’olona mitolona mba tsy ho faty an’ady amin’izao ankehitriny izao noho ianareo niharan’ny herisetra, na fampijaliana, na hetraketraka, na herisetra ao an-tokantrano na izay karazana fijaliana rehetra mitovy amin’izany. Ao anatin’ny tolona mafy ataonao ianao mba tsy ho faty an’ady manoloana ny toe-javatra izay toa mitovy tokoa amin’ny sambo rendrika na ny asa naha velom-bolo iray izay voatery najanona. Moa ve ianao ho avotra, moa ve ho vitanao hatramin’ny farany ilay tantaranao mitolona mba tsy ho faty an’ady?

Ny valiny dia eny. Afaka ny tsy ho faty an’ady ianao. Ny tena marina dia efa avotra ianao, efa voavonjy ianao, ny nanao izany dia Ilay Iray izay nitondra io fijaliana izay tsapanao io sy niaritra io fangirifiriana izay iaretanao io.1 Efa nandresy ireo herisetran’izao tontolo izao i Jesoa2 mba hanomezana anao ny hery izay tsy vitan’ny hoe ahafahanao tsy ho faty an’ady fotsiny ihany, fa indray andro any, amin’ny alalany dia ahafahanao koa handresy ka ho lasa mpandresy mihitsy aza—hihoatra tanteraka ambonin’ny fanaintainana, fijaliana, fiferotana aina, ary ho hitanao fa hosoloina fiadanana izy ireny.

Nanontany ny Apôstôly Paoly hoe:

“Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? …

“Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ Ilay tia antsika.”3

Ireo fampanantenana ho an’ Isiraely nanao fanekempihavanana

Hotsaroanareo ity fanasana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana. Eo am-pandalinanareo ny soratra masina mandritra ireo enim-bola manaraka dia mamporisika anareo aho mba hanao lisitra mitanisa ny zavatra rehetra izay nampanantenain’ny Tompo fa hataony amin’i Isiraely nanao fankempihavanana. Ho talanjona tokoa ianareo!”4

Ireto misy santionany fotsiny ihany amin’ireo fampanantenana mahery vaika sy mankahery izay hitan’ny fianakaviako. Alao sary an-tsaina ny Tompo miteny ireo teny ireo aminao—ho anao izay tsy maty an’ady—satria izy ireo dia natao ho anao:

Aza matahotra.5

Fantatro ny alahelonao, dia efa nidina Aho izao hamonjy anao.6

Tsy handao anao aho.7

Ny anarako no aminao, ary ny anjeliko no mikarakara anao.8

Hanao fahagagana eo aminareo Aho.9

Mandehana miaraka Amiko, mianara Amiko, Izaho no hanome anareo fitsaharana.10

Eo afovoanareo Aho.11

Ahy ianao.12

Ho an’ireo izay tsy maty an’ady

Eo am-pieritreretana ireo toky ireo aho dia te hiresaka mivantana amin’ireo izay mahatsapa fa tsisy fanafana intsony ilay tantaran’izy ireo mitolona tsy ho faty an’ady noho fikorontanana anaty ateraky ny faharatsiana ataon’ny hafa. Raha izany no tantaranao mitolona tsy ho faty an’ady, dia miara-mitomany aminao izahay. Maniry izahay ny handresenao ny korontana sy ny henatra ary ny tahotra ary manantenà fa ianao, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, dia ho mpandresy

Manomboka amin’ny niharam-boina ka lasa tsy maty an’ady ary avy eo lasa mpandresy

Raha toa ianao niharan’izay mety ho karazana herisetra, fanjakazakana na fangejana, dia mety manana eritreritra ianao hoe ireo tranga ireo dia noho ny hadisoanao ary mendrika anao ny hitondra ny henatra sy ny fanamelohana izay tsapanao. Mety ho nanana eritreritra toy izao ianao:

  • Afaka nataoko ny tsy nitrangan’izao.

  • Tsy tia ahy intsony Andriamanitra.

  • Tsy misy olona hitia ahy mihitsy.

  • Simba aho ka tsy azo amboarina intsony.

  • Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia mihatra amin’ny hafa fa tsy amiko.

Ireo eritreritra sy fahatsapana diso ireo dia mety ho sakana tsy nikatsahana fanampiana avy tamin’ny fianakaviana na namana na mpitarika na matihanina, ka noho izany dia niady irery ianao. Raha efa nitady fanampiana avy amin’ireo olona atokisanao ianao, dia mety mbola ampijalian’ny fieritreretana ho menatra sy fankahalana ny tenanao mihitsy aza. Ny vokatr’ireny tranga ireny dia mety mijanona mandritra ny taona maro. Manantena ianao fa indray andro dia hihatsara kokoa, kanefa mbola tsy tonga izany andro izany.

Ny fanararaotana dia tsy hadisoanao na tamin’ny lasa na ankehitriny na rahatrizay, na inona na inona mifanohitra amin’izay mety nolazain’ilay nanao fanararaotana na olona hafa. Rehefa nihatra taminao ny habibiana, na fanolanana nataon’olona ao amin’ny fianakaviana, na fitondran-tena mahatsiravina hafa, dia tsy ianao no mila mibebaka, tsy ianao no tompon’andraikitra.

Tsy mihena ny fahamendrehanao na ny hasarobidinao na ny fitiavana anao amin’ny maha olombelona anao, na amin’ny maha zanaka vavy na zanaka lahin’ Andriamanitra anao, noho ny zavatra izay nataon’olon-kafa taminao.

Tsy mijery anao ho toy ny olona tokony hamavoana Andriamanitra na ankehitriny, na hatramin’izay. Na inona na inona nitranga taminao, dia tsy menatra noho ny aminao na diso fanantenana ny aminao Izy. Tia anao Izy amin’ny fomba izay tsy mbola takatrao. Ary ho fantatrao izany rehefa matoky ireo fampanantenany ianao sy rehefa mianatra mino Azy rehefa miteny Izy hoe “malala eo imaso[ny] ianao.”13

Tsy ireo zavatra mahatsiravina natao taminao ireo no mamaritra anao. Ny mamaritra anao, araka ny fahamarinana feno voninahitra, dia ny maha ianao anao mandrakizay, hoe zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra, sy ilay fitiavana tanteraka sy tsy manam-pahataperan’ Ilay Mpahary anao ary ilay fanasany anao mba ho afa-drofy sy ho sitrana tanteraka.

Na dia toa hita sy tsapa fa tsy azo tanterahina aza, ny fanasitranana dia afaka ho tonga amin’ny alalan’ny fahagagan’ny hery mpanavotry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay nitsangana ary “manana fanasitranana ao amin’ny elany.”14

Ilay Mpamonjy antsika feno famindrampo, izay mpandresy ny haizina sy ny haratsiana, dia manana ny hery hanitsiana ny tsy rariny rehetra sy ny fahamarinana mitondra aina ho an’ireo izay niharan’ny tsy rariny nataon’ny hafa.15

Fantaro fa ny Mpamonjy dia nidina ambanin’ny zavatra rehetra, dia ilay zavatra manjo anao io mihitsy. Noho izany dia fantany tsara hoe manao ahoana izany tahotra sy henatra tena iainana izany, ary manao ahoana izany hoe nafoy sy torotoro izany.16 Hatrany ampara-lalin’ny fijaliany ho fanavotana, Izy dia manome fanantenana izay noheverinao ho very mandrakizay, sy ny tanjaka izay ninoanao fa tsy hanananao na oviana na oviana, ary fanasitranana izay tsy nosaininao fa azo tanterahina.

Ny fanaovana fanararaotana dia melohin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny an-kitsirano

Na inona na inona tokantrano, firenena, na kolontsaina dia tsy natao hisian’ny fanararaotana na manao ahoana na manao ahoana—na ara-batana, na ara-nofo, na ara-pihetsehampo na am-bava. Tsy misy zavatra mety holazaina na hataon’ny zanaka na vady lahy na vavy izay hahatonga azy ho “mendrika” ny hahazo vono. Tsy misy olona na aiza na aiza firenena na kolontsaina misy azy ka “nangataka” fampijaliana na herisetra avy amin’olon-kafa izay manana fahefana na avy amin’olona izay lehibe kokoa na matanjaka kokoa.

Ireo izay manao fanararaotana sy mikatsaka ny hanafina ireo fahotany mamohehatra dia mety ho afaka mandritra ny fotoana voafaritra. Saingy ny Tompo izay mahita ny rehetra dia mahafantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.17 Izy dia Andriamanitry ny fahamarinana, ary tsy maintsy ho tanteraka ny fahamarinany masina.18

Amin’ny fomba mahagaga, ny Tompo koa dia Andriamanitry ny famindrampo ho an’izay tena mibebaka marina. Ireo mpanao fanararaotana—anisan’izany ireo izay niharan’ny fanararaotana koa taloha—izay mibaboka, miala amin’ny fahotany, ary manao izay rehetra tratry ny heriny hanonerana sy hamerenana amin’ny laoniny, dia afaka mahazo famelan-keloka amin’ny alalan’ny Sorompanavotana mahagagan’i Kristy.

Ho an’ireo izay voaendrikendrika tsy ara-drariny, ny maha-goavana amin’ny fomba tsy hay lazaina ireo fanendrikendrehana ireo dia tena mitondra fahoriana lehibe. Kanefa izy ireny koa dia voatahy noho ny fijaliana nisoloan’ny Mpamonjy tena ho azy ireo sy ny fahafantarana fa amin’ny farany dia ny fahamarinana no handresy.

Fa ireo mpanao fanararaotana izay tsy mibebaka dia hijoro eo anoloan’ny Tompo mba hanazava ireo helony mamohehatra.

Ny Tompo mihitsy no efa nilaza mazava tsara ny fanamelohany ny fanararaotana na karazany inona na karazany inona: “Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika … ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy.”19

Fehiny

Ry namana izay efa noratrana mafy, ary koa ireo izay nilanja ny tsy rariny teo amin’ny fiainana, afaka ny hanomboka indray sy hiverina hiainga tsisy pentina ianao. Tao Getsemane sy teo Kalvary, i Jesoa “nitondra teo Aminy … ny alahelo sy ny fijaliana rehetra izay mety holalovanao sy izaho,”20 ary efa nandresy ny zavatra rehetra Izy! Mitsotra ny sandrin’ny Mpamonjy manolotra ilay fanomezan’ny fanasitranana ho anao. Afaka manatona ianao handray feno izany fanomezana izany miaraka amin’ny herim-po sy faharetana ary fifantohana feno fahatokiana Aminy. Azonao afoy sy apetraka eo an-tongony ireo fanaintainanao.

Nanambara ilay Mpamonjy anao tsara fanahy hoe: “Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hanana[nao] fiainana, sady hanana[nao] be dia be.”21 Tsy maty an’ady ianao, afaka ny ho sitrana ianao, ary afaka matoky ianao fa handresy sy ho mpandresy miaraka amin’ny hery sy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Manao zavatra toa tsy azo tanterahina foana i Jesoa. Tonga tety Izy mba hahatonga ny tsy azo tanterahina ho lasa tanteraka, ny tsy azo avotana ho lasa avotra, mba hanasitrana izay tsy azo sitranina, mba hanitsy izay tsy azo ahitsy, mba hampanantena izay tsy azo ampanantenaina.22 Ary dia vitany tsara izany. Ny tena marina dia vitany tsisy tomika izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Mpanasitrana antsika, amena.

Mba hahitana fampahalalana sy loharano misimisy kokoa dia jereo ny “Abuse” ao amin’ny fizarana Life Help ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.