2022
Mpianatra maherifo amin’ny andro farany
Mey 2022


Mpianatra maherifo amin’ny andro farany

Aoka isika hatoky tena fa tsy ho be fialan-tsiny, ho maherifo fa tsy ho saro-kenatra, hahatoky fa tsy hatahotra rehefa mihazona ny hazavan’ny Tompo amin’izao andro farany izao.

Ny safidim-pitondrantena malalaka dia fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ho an’ny zanany tsirairay.1 Isika dia natao “hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ Ilay Mpanalalana lehiben’ ny olon-drehetra na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana araka ny fambaboana sy ny fahefan’ ny devoly.”2 Andriamanitra dia tsy hanery antsika hanao ny tsara, ary ny devoly dia tsy afaka manery antsika hanao ny ratsy.3 Na dia mety hieritreritra aza ny sasany fa ny fiainana an-tany dia fifandonana eo amin’ Andriamanitra sy ny fahavalo, dia teny iray avy amin’ny Mpamonjy “dia mangina i Satana ary voaroaka. … Ny herintsika no tsapaina fa tsy ny an’ Andriamanitra.”4

Amin’ny farany isika dia hijinja izay nafafintsika tamin’ny alalan’ireo safidy nataontsika nandritra ny fiainantsika.5 Inona ary no ambaran’ny fitambaran’ireo eritreritsika, sy faniriantsika, sy tenintsika, ary asantsika momba ny fitiavantsika ny Mpamonjy, sy ireo mpanompony voafidy, ary ny Fiangonany tafaverina tamin’ny laoniny? Moa ve ireo fanekempihavanan’ny batisantsika sy ny fisoronantsika ary ny tempoly asiantsika lanjany mihoatra ny fideran’izao tontolo izao na ny isan’ny “j’aime” any amin’ny tambajotran-tserasera? Moa ve ny fitiavantsika ny Tompo sy ny didiny mafy kokoa noho ny fitiavantsika ny zavatra na olona hafa rehetra eto amin’ity fiainana ity?

Ny fahavalo sy ireo mpanara-dia azy dia nikatsaka foana ny handrava ny asan’i Kristy sy ireo mpaminaniny. Ny didin’ny Mpamonjy, raha tsy hoe tsy noraharahiana tanteraka, dia namboarin’ny maro ho lasa tsy misy dikany amin’izao tontolo izao ankehitriny. Matetika ireo irak’ Andriamanitra izay mampianatra fahamarinana “tsy mifanaraka amin’ny tena” dia roahina. Na ny Mpamonjy aza dia nantsoina hoe “olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay,”6 nomelohina ho mpanakorontana saim-bahoaka sy mpampisara-bazana. Ny fanahy malemy sy mpamitaka dia “niara-nisaina mba hamandrika Azy amin’ny teniny,”7 ary ny “antoko[ny]” izay nisy ireo Kristiana tany am-boalohany dia “ratsy laza eny tontolo eny.”8

Ny Mpamonjy sy ireo mpanara-dia Azy tany am-boalohany dia niatrika fanoherana lehibe tao anatiny sy ivelany, ary miaina izany koa isika. Amin’izao fotoana izao dia mila tsy hisy fotoana mihitsy hiainantsika amim-pahasahiana ny finoantsika ka tsy hahasarika tsy nahy rantsantanana mamingavinga vitsivitsy, na tena izy na tsy tena izy avy amin’izao tontolo izao. Ahazoana valisoa ny fanarahana amim-pahatokiana ny Mpamonjy, saingy indraindray isika dia mety ho tratran’ireo izay manohana ny fomba fisainana hoe “mihinàna, misotroa ary mifalia,”9 izay manolo ny finoana an’i Kristy, sy ny fankatoavana, ary ny fibebahana ho ilay hevi-diso hoe Andriamanitra dia manome rariny ny fanaovana fahotana madinidinika satria tia antsika loatra Izy.

Moa tsy efa niteny va ny Mpamonjy “amin’ny alalan’ny feo[ny] na amin’ny alalan’ny feon’ny [mpanompony]”10 momba izao androntsika izao fa “ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany” ary maro no “hampiala ny sofiny amin’ny teny marina … ka hivily ho amin’ny anganongano”?11 Moa ve tsy nitaraina Izy hoe: “foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy”?12 Moa ve tsy nampitandrina Izy hoe: “avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy”?13 Moa tsy efa hitany mialoha fa “ny ratsy [holazaina] ho tsara ary ny tsara ho ratsy”14 ary “ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony”?15

Koa ahoana ary ny amintsika? Tokony hanahy na hatahotra ve isika? Tokony hiaina miafinafina ny fivavahantsika ve isika? Azo antoka fa tsia! Rehefa manam-pinoana an’i Kristy dia tsy mila matahotra ny fanomezan-tsinin’ny olona na manahy ny fanevatevany isika.16 Miaraka amin’ny Mpamonjy izay mitantana sy ireo mpaminany velona izay mitarika sy manoro lalana, dia “iza no hahatohitra antsika?”17 Aoka isika hatoky tena fa tsy ho be fialan-tsiny, ho maherifo fa tsy ho saro-kenatra, hahatoky fa tsy hatahotra rehefa mihazona ny hazavan’ny Tompo amin’izao andro farany izao.18

Mazava tsara ny nolazain’ny Tompo hoe “na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko. … Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko.”19

Noho izany, na dia Andriamanitra tsy manana didy aza no tian’ny sasany, dia aoka isika hijoro ho vavolombelona amim-pahasahiana araka ny tenin’ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “ny Andriamanitra iray izay tsy mitaky na inona na inona dia tsy misy hafa amin’ny Andriamanitra iray izay tsy misy.”20

Raha toa ka misafidy didy harahina ny sasany, dia aoka isika hanaiky amim-pifaliana ilay fanasan’ny Mpamonjy “mba hivelona amin’ny teny rehetra izay miloaka ny vavan’ Andriamanitra.”21

Raha toa ka maro no mino fa ny Tompo sy ny Fiangonany dia mamela ny fanaovana “izay rehetra irian’ny [fontsika],”22 dia aoka isika hanambara amim-paharisihana fa tsy mety ny “manaraka ny maro hanao ratsy,”23 satria “tsy afaka manao ny zavatra izay nambaran’ Andriamanitra fa tsy mety ho mety ny vahoaka.”24

“Ô tsarovy, tsarovy … maha-henjana [nefa manafaka] ny didin’ Andriamanitra.”25 Ny fampianarana azy ireo mazava tsara indraindray dia mety ho raisina ho tsy fandeferana. Aoka ary isika noho izany haneho amim-panajana fa tsy vitan’ny hoe azo atao fotsiny izany fa tena zava-dehibe hitiavana ny zanaky ny Ray any An-danitra izay manana finoana samy hafa amintsika.

Afaka manaiky sy manaja ny hafa isika kanefa tsy miditra ao amin’ny finoany na ny zavatra ataony izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo. Tsy misy tokony hanaovana sorona ny fahamarinana eo amin’ny alitaran’ny fahafinaretana sy ny faniriana ara-tsosialy.

Tsy afaka miaraka i Ziona sy i Babylona. “Tsy misy olona afaka manompo tompo roa.”26 Aoka hotsaroantsika rehetra ilay fanontaniana lalina napetraky ny Mpamonjy hoe: “Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?”27

Ndeha haneho ny fitiavantsika ny Tompo amin’ny alalan’ny fankatoavana amin’ny fontsika manontolo sy amin’ny nahimpontsika.

Raha mahatsapa ho voafandrika eo anelanelan’ny maha mpianatra sy izao tontolo izao ianareo dia tsarovy azafady fa ny Mpamonjy be fitiavana dia “mandefa fanasana … , fa ny sandrin’ny famindram-po dia mitolotra ho [anareo], ary hoy Izy: Mibebaha dia handray anareo Aho.”28

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa i Jesoa Kristy “dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray.”29 Saingy nampianatra ihany koa izy fa “ireo izay misafidy ny lalan’ny Tompo dia azo inoana fa hiaritra fanenjehana.”30 Indraindray ny hoe “natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany”31 dia zavatra tsy maintsy iainantsika rehefa “avelanao ho lohalaharana eo amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony.”32

“Sambatra,” hoy ny Mpamonjy, “izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.”34 Mianatra ihany koa isika fa “be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy.”34 Tsy misy! Koa aoka isika hanontany tena hoe: “Moa ve aho tsy manam-paka ao anatiko, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina?35 Moa ve aho miorina eo ambony vatolampin’i Jesoa Kristy sy ireo mpanompony?”

Ireo mpandala ny fifandraisan-javatra dia manohana fa ny fahamarinana dia zavatra namboarin’ny fiaraha-monina fotsiny ka ekeny, fa tsy hoe zavatra tsy miova. Ny zavatra tena tian’izy ireo lazaina dia hoe tsy misy ota,36 hoe “na inona na inona [ataon]’ny olona iray dia tsy heloka,”37 fomba fisainana iray izay ireharehan’i Satana fa hoe izy no namorona azy. Koa aoka isika hitandrina amin’ireo amboadia manao fitafian’ny ondry izay manararaotra foana sy “matetika mampiasa ny hafetseny hanafenana ny fahadisoany [manokana].”38

Raha tena te ho mpianatra maherifo tokoa isika, dia hahita fomba hahatongavana amin’izany. Raha tsy izany dia manolotra fomba hafa izay manintona i Satana. Saingy amin’ny maha mpianatra mahatoky antsika dia “tsy tokony hiala tsiny amin’ny finoantsika isika na hihemotra amin’izay fantatsika fa marina.”39

Ho famaranana azy dia hilaza zavatra kely momba ireo mpanompon’ Andriamanitra miisa 15 izay mipetraka eo ivohoko aho. Raha toa izao tontolo izao ka “manao amin’ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ny mpaminany: Aza maminany,”40 ny mahatoky kosa dia “hosatrohina ny satro-boninahi-pitahiana avy any ambony … , eny, ary koa didy izay tsy vitsy, ary ireo fanambarana amin’ny fotoany.41

Tsy mahagaga raha matetika ireo lehilahy ireo no lasa hery manintona ireo izay tsy faly amin’ny tenin’ Andriamanitra araka ny anambaran’ny mpaminany azy. Ireo izay mitsipaka ny mpaminany dia tsy mahita fa “ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany” na vokatry ny sitrapon’olombelona, “fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’[ireo lehilahy ireo] araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.”42

Tahaka an’i Paoly ireo olon’ Andriamanitra ireo dia “[tsy] menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” ary “mpifatony”43 izay midika fa tsy azy ireo ny fotopampianarana izay ampianariny fa Azy izay niantso azy ireo. Tahaka an’i Petera izy ireo dia “tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitan[y] sy ren[y].”44 Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia lehilahy tsara sy marina izay tia an’ Andriamanitra sy ireo zanany ary tiany. Tokony ho raisintsika ho toy ny avy teo amin’ny vavan’ny Tompo, “amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” ny tenin’izy ireo. “Fa amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy [antsika]; … ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny haizina eo anoloa[ntsika].”45

“Tsy misy tanana tsy masina afaka manakana ny asa tsy handroso”,46 handroso amim-pandresena foana izany na miaraka aminao sy izaho na tsia, koa “fidionareo anio ary izay hotompoinareo.”47 Aza mety ho voafitaka na hatahotra ireo tabataba mafin’ny fahavalo avy amin’ilay trano lehibe sy malalaka. Tsy mifanentana amin’ny fitaoman’ilay feo tony sy malefaka amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina ny feo avon’izy ireo feno famoizam-po.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Kristy, Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ary mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo Izy, izay manome antoka fa tsy “ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana”48 isika.

“Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy,” hoy ny nampianarin’ny Filoha Nelson, “dia manam-piniavana ny hijoro sy hanambara amim-pahasahiana ny filazantsara, ary hiavaka amin’ny olon’izao tontolo izao. Izy ireo dia tsy hay tohaina sy be fanolorantena ary be herim-po.”49

Ry rahalahy sy anabavy, andro tsara hanaovana soa izao. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.