2022
Loholona Isaac K. Morrison
Mey 2022


“Loholona Isaac K. Morrison,” Liahona, mey 2022.

Loholona Isaac K. Morrison

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Hoy ny Loholona Isaac K. Morrison hoe hatramin’ny nanoloran’ny Filoha Russell M. Nelson azy antso ho lasa Fitopololahy Manampahefana Ambony dia tsy dia ampy torimaso firy izy sy ny vadiny.

“Fantatray fa ho dia lehibe ho anay izy ity,” hoy izy. “Hiantehitra amin’ny Tompo izahay mba hampiseho anay ny zavatra tokony hatao.”

Voantso ho filohan’ny tsatòka tamin’ny 2014 ny Loholona Morrison, dia Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny 2018, ary filohan’ny Misiônan’i Ghana Cape Coast tamin’ny 2020.

“Ny andraikitra tsirairay dia tonga tamin’ny fotoana tena tsy nanampoizana izany mihitsy,” hoy izy. “Saingy miantehitra amin’ny Tompo aho fa tsy amin’ny fahaizako.”

Ny Loholona Morrison dia manana mari-pahaizana master scientifique amin’ny fitantanana sy haitarika ara-stratejika avy amin’ny Oniversite ara-Siansa sy Teknôlôjian’i Kwame Nkrumah ao Ghana. Niasa ho an’ny Fiangonana tamina toerana isan-karazany izy nanomboka tamin’ny 2004, ka ny vao tsy ela indrindra amin’izany dia ny naha talen’ny sampana fanohanana ireo mpitarika sy mpikambana ao amin’ny faritra Afrika Andrefana azy.

Isaac Kofi Morrison dia teraka tamin’ny 25 nôvambra 1977, tao Takoradi, Ghana, zanak’i Joseph Kojo Morrison sy Mary Efua Obua Sarfo.

Fony izy ankizy kely dia namonjy fivoriam-bavaka tany amin’ny finoana hafa ny Loholona Morrison sy ny fianakaviany. Rehefa nifindra monina tany amin’ny fianakavian’ny dadatoany izy tamin’ny nianatra tany amin’ny lisea, dia namonjy fivoriam-bavaky ny Olomasin’ny Andro Farany niaraka tamin’izy ireo izay vao ny fivoriam-bavaky ny fiangonany. Nanasa azy hanatrika seminera ny mpampianatra seminera iray, ka tany no nihaonany tamin’i Hannah Nyarko.

“Tena natsilo saina be izy ary tsara foana ny fanehoan-keviny,” hoy izy. “Tena nandrisika ahy haniry handalina misimisy kokoa izany.” Taorian’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna tamin’io taona io, hoy izy, dia “vonona ny hatao batisa aho.”

Ny 18 desambra 2004, dia nivady tao Takoradi izy sy Hannah ary nofehezina tao amin’ny tempolin’i Accra Ghana izy ireo telo andro taty aoriana. Manan-janaka lahy telo izy ireo.

Ankoatra ireo antsony hafa, ny Loholona Morrison dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara, mpampianatra seminera, ary misiônera amin’ny fotoana feno tao Nigéria.