2022
Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra antsika
Mey 2022


Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra antsika

Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra antsika: naniraka ny Zanany Lahitokana Izy, tsy hanameloka antsika, fa hamonjy antsika kosa.

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Tsy tao am-piangonana na nandritra ny takarivan’ny mpianakavy no fotoana voalohany nahitako io andininy io. Nijery ny lalao ara-panatanjahantena teo amin’ny fahitalavitra aho. Na inona na inona fahitalavitra nojereko, ary na inona na inona lalao tamin’izay, dia olona iray farafahakeliny no nihazona famantarana misy soratra hoe “Jaona 3:16.”

Lasa tiako toy izany koa ny andininy 17: “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.”

Naniraka an’i Jesoa Kristy, ilay Zanany Lahitokana ao amin’ny nofo, Andriamanitra hamoy ny ainy ho antsika tsirairay. Nataony izany satria tia antsika Izy ary nanao drafitra iray mba hiverenantsika tsirairay any Aminy.

Kanefa izany drafitra izany dia tsy natao faobe sy safobemantsina ary peta-toko. An’ny tena manokana izany, norafetin’ny Ray any An-danitra be fitiavana izay mahalala ny fontsika, ny anarantsika, ary izay ilainy hataontsika. Nahoana isika no mino izany? Satria nampianarina izany isika ao anatin’ny soratra masina.

Ren’i Mosesy niverimberina ny Ray any An-danitra nilaza ireo teny hoe “Ry Mosesy, zanakalahiko” (jereo ny Mosesy 1:6; jereo koa ny andininy 7, 40). Fantatr’i Abrahama fa zanak’ Andriamanitra izy, nofinidy talohan’ny nahaterahany mihitsy aza (jereo ny Abrahama 3:12, 23). Noho ny tanan’ Andriamanitra dia napetraka tamin’ny toerana nahazoany hery fitaomana i Estera mba hamonjy ny voahoakany (jereo ny Estera 4). Ary natoky zatovovavy, mpanompo iray, Andriamanitra hijoro ho vavolombelona momba ny mpaminany velona iray mba ho sitrana i Namana (jereo ny 2 Mpanjaka 5:1–15).

Ankafiziko manokana ilay lehilahy tsara, somary fohifohy, izay nihanika hazo mba hahita an’i Jesoa. Fantatry ny Mpamonjy fa teo izy, nijanona Izy, niandrandra tany amin’ny ratsan-kazo, dia nilaza ireto teny ireto: “Zakaiosy, … midìna faingana” (Lioka 19:5). Tsy azontsika hadinoina koa ilay zaza 14 taona izay nandeha tany anaty alakely ka nianatra ny maha-tena an’ny tena manokana ilay drafitra: “[Joseph,] inty ny Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:17).

Ry rahalahy sy anabavy, isika no ifantohan’ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny anton’ny asa nanirahana ny Mpamonjy antsika. Ny tsirairay amintsika, isam-batan’olona, dia asan’ Izy Ireo sy ny voninahitr’ Izy Ireo.

Amiko dia tsy misy boky soratra masina maneho izany mazava kokoa noho ny fandalinako ny Testamenta Taloha. Isaky ny toko isika dia mahita ohatra mikasika ny fomba idiran’ny Ray any An-danitra sy i Jehovah eo amin’ny fiainantsika.

Vao haingana isika no nianatra momba an’i Josefa, zanakalahy malalan’i Jakoba. Efa hatramin’ny fahazazany i Josefa no tena tian’ny Tompo tokoa, kanefa niatrika fitsapana lehibe izy teo an-tanan’ireo rahalahiny. Roa herinandro lasa izay, dia nikasika ny fon’ny maro tamintsika ny namelan’i Josefa ny heloky ny rahalahiny. Ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy dia mamaky isika hoe: “Amin’ny lafiny maro, ny fiainan’i Josefa dia mitovy amin’ny an’i Jesoa Kristy. Na dia nahatonga fijaliana lehibe ho Azy aza ny otantsika dia manome famelan-keloka izay manafaka antsika rehetra amina anjara ratsy kokoa noho ny mosary ny Mpamonjy. Na mila famelan-keloka na mila mamela heloka isika, (misy fotoana ilaintsika rehetra ny manao azy roa) ny ohatra nasehon’i Josefa dia misarika antsika hijery ny Mpamonjy, ilay tena loharanon’ny fanasitranana sy ny fampihavanana.”1

Ny lesona tiako indrindra ao amin’io tantara io dia avy amin’i Joda rahalahin’i Josefa, izay nandray anjara tamin’ny drafitr’ Andriamanitra manokana ho an’i Josefa. Rehefa nivadika tamin’i Josefa ireo rahalahiny dia nandresy lahatra azy ireo i Joda mba tsy hanaisotra ny ain’i Josefa fa hivarotra azy ho andevo kosa (jereo ny Genesisy 37:26–27).

Taona maro tatỳ aoriana, dia nila nitondra an’i Benjamina faralahin’izy ireo tany Egypta i Joda sy ny rahalahiny. Tamin’ny voalohany dia nanohitra ny rainy. Nampanantena an’i Jakoba anefa i Joda fa hitondra an’i Benjamina hody izy.

Tany Egypta dia nosedraina ny fampanantenan’i Joda. Nampangaina ho nanao heloka bevava i Benjamina. I Joda, araka ny fampanantenany, dia nanolotra ny higadrany teo amin’ny toeran’i Benjamina. “Fa” hoy izy, “hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko, raha tsy miaraka amiko ny zazalahy?” (jereo ny Genesisy 44:33–34). Tapa-kevitra ny hitandrina ny fampanantenany i Joda ka hamerina soa aman-tsara an’i Benjamina. Moa ve ianao efa nijery ny hafa tahaka ny fahatsapan’i Joda tamin’i Benjamina?

Tsy izany ve no tsapan’ny ray aman-dreny momba ny zanany? Sy ny fahatsapan’ny misiônera momba ny olona tompoiny? Sy ny tsapan’ireo mpitarika ny Kilonga sy ny zatovo momba ireo izay ampianariny sy tiany?

Na iza na iza ianao na ny toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao, dia misy olona mahatsapa toy izany mihitsy aminao. Misy olona te hiverina any amin’ny Ray any An-danitra miaraka aminao.

Feno fankasitrahana aho ho an’ireo izay tsy kivy amintsika, izay manohy mandrotsaka ny fanahiny amin’ny vavaka ho antsika, ary manohy mampianatra sy manampy antsika ho mendrika ny hody any amin’ny Raintsika any An-danitra.

Vao haingana ny namana malalako iray no nandany 233 andro tao amin’ny hopitaly noho ny COVID-19. Nandritra io fotoana io dia nitsidika azy ny rainy efa nodimandry, ary nangataka ny handefasana hafatra ho an’ny zafikeliny. Na dia tany ambadiky ny voaly aza dia naniry ny hanampy ny zafikeliny hiverina any amin’ny fonenany any an-danitra ity raibe mahafinaritra ity.

Mitombo hatrany ny fitadidian’ny mpianatr’i Kristy ireo “Benjamina” teo amin’ny fiainany. Nandre ny antson’ny mpaminanin’ Andriamanitra velona, ny Filoha Russell M. Nelson, izy ireo manerana izao tontolo izao. Mirotsaka ao anatin’ny tafika tanoran’ny Tompo ny zatovolahy sy zatovovavy. Ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manolo-tanana ao anatin’ny fanahin’ny fanompoana—mitia, mizara, ary manasa namana sy mpifanolobodirindrina hanatona an’i Kristy. Ny tanora sy ny olon-dehibe dia mahatsiaro sy miezaka mitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo—mameno ny tempolin’ Andriamanitra, mitady ny anaran’ireo olona ao amin’ny fianakaviana efa nodimandry, ary mandray ôrdônansy ho azy ireo.

Nahoana no ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika manokana ny fanampiana ny hafa hiverina Aminy? Satria io no fomba hahatongavantsika tahaka an’i Jesoa Kristy. Amin’ny farany, ny tantaran’i Joda sy Benjamina dia mampianatra antsika momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho antsika. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia nanolotra ny ainy Izy mba hitondra antsika hody. Ny tenin’i Joda dia maneho ny fitiavan’ny Mpamonjy manao hoe: “Hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko, fa tsy hiaraka amiko [ianao]?” Amin’ny maha mpanangona an’i Isiraely antsika dia mety ho tenintsika ihany koa izany.

Ny Testamenta Taloha dia feno fahagagana sy famindram-po feno fitiavana izay mariky ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ao amin’ny 2 Mpanjaka 4 dia ampiasaina intelo ny andian-teny hoe “tamin’ny indray andro” mba hanamafisana amiko fa ireo zava-nitranga manan-danja dia mitranga araka ny fotoan’ Andriamanitra, ary tsy misy izany hoe antsipiriany kely loatra ho Azy.

Mijoro ho vavolombelona momba izany fahamarinana izany i Paul izay namako vaovao. Nihalehibe tao amin’ny tokantrano iray izay nampijaly indraindray ary tsy niraharaha fivavahana mandrakariva i Paul. Rehefa nianatra tany amin’ny toby miaramila iray tany Alemaina izy, dia nahatsikaritra rahavavy roa izay toa nanana fahazavana ara-panahy. Ny fanontaniana ny antony niavahan’izy ireo azy ireo dia nitondra ny valiny fa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo.

Tsy ela dia nanomboka nihaona tamin’ireo misiônera i Paul ary nasaina nankany am-piangonana. Ny alahady manaraka, raha nidina ny fiara fitateram-bahoaka izy, dia nahatsikaritra lehilahy roa nanao lobaka fotsy sy karavato. Nanontany azy ireo izy raha elders an’ny Fiangonana izy ireo. Eny no navalin’izy ireo, ka nanaraka azy ireo i Paul.

Nandritra ilay fotoam-pivavahana, dia nanondro ny olona tao amin’ny mpiangona ilay mpitory teny ary nanasa azy ireo hijoro ho vavolombelona. Rehefa nifarana ny fijoroana ho vavolombelona tsirairay, dia nisy feon’amponga fiarahabana ary niantsoantso ny mpiangona nanao hoe: “Amena”.

Rehefa nanondro an’i Paul ilay mpitoriteny dia nitsangana izy ary niteny hoe: “Fantatro fa mpaminany i Joseph Smith ary marina ny Bokin’i Môrmôna.” Tsy nisy feon’amponga fiarahabana na amena. Tonga saina ihany i Paul tamin’ny farany fa nandeha tany amin’ny fiangonana diso izy. Tsy ela dia nahita ny lalana tokony halehany i Paul ka natao batisa.

Tamin’ny andro nanaovana batisa an’i Paul, dia nisy mpikambana iray tsy fantany niteny taminy hoe: “Namonjy ny aiko ianao.” Herinandro vitsivitsy talohan’izay, dia nanapa-kevitra ny hitady fiangonana hafa io lehilahy io ary nanatrika fotoam-pivavahana niaraka tamin’ny amponga sy ny amena. Rehefa nandre an’i Paul nijoro ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna ilay lehilahy, dia tsapany fa Andriamanitra dia nahafantatra azy, nahafantatra ny olany ary nanana drafitra ho azy. Ho an’i Paul sy ilay lehilahy, dia “tamin’ny andro iray” tokoa izany!

Fantatsika ihany koa fa manana drafitry ny fahasambarana manokana ho antsika tsirairay ny Ray any An-danitra. Satria Andriamanitra dia naniraka ny Zanaka Malalany ho antsika, ireo fahagagana ilaintsika dia “[hilatsaka] amin’ny [tena] andro iray” izay ilaina mba hahatanteraka ny drafiny.

Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ity taona ity dia afaka mianatra misimisy kokoa momba ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika isika ao amin’ny Testamenta Taloha. Io boky masina io dia mampianatra ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny fotoana tsy azo antoka sy ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny tontolo iray izay misavoritaka sy matetika misy fifandirana. Izany koa dia mikasika ireo mpino manetry tena izay niandrandra tamim-pahatokiana ny fiavian’ny Mpamonjy antsika, tahaka ny iandrandrantsika sy ny iomanantsika amin’ny Fiaviany Fanindroany—ny fiverenany amim-boninahitra, izay efa naminaniana hatry ny ela.

Mandra-pahatongan’izany andro izany, dia mety tsy ho hitantsika amin’ny masontsika voajanahary ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3 ). Saingy azontsika tsaroana ny valin-tenin’i Nefia rehefa niatrika zavatra tsy azony izy: na dia tsy fantany aza ny dikan’ny zava-drehetra, dia fantany fa tia ny zanany Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 11:17).

Izany no fijoroako ho vavolombelona amin’ity Sabata maraina mahafinaritra ity. Enga anie isika hanoratra izany ao am-pontsika ary hamela izany hameno ny fanahintsika amin’ny fiadanana sy fanantenana ary fifaliana mandrakizay: Tena tia antsika Andriamanitra ka nandefa ny Zanany Lahitokana Izy—tsy hanameloka antsika, fa hamonjy antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.