2022
Tracy Y. Browning
Mey 2022


“Tracy Y. Browning,” Liahona, mey 2022.

Tracy Y. Browning

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany

15 taona teo ho eo i Tracy Y. Browning tamin’ny fotoana nahitan’ny reniny dokambarotra momba ny Bokin’i Môrmôna tamina fandaharana fampahafantarana amin’ny fahitalavitra mandeha amin’ny alina ka nangatahany boky iray azo maimaim-poana.

Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia nandondòna tao am-baravarany ny misiônera Olomasin’ny Andro Farany, dia nampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna, ary nanomboka nampianatra azy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tamin’izany fotoana izany dia nonina tao New Jersey, Etazonia niaraka tamin-drainy i Tracy, saingy namangy matetika ny reniny izay nipetraka tao New York, Etazonia izy. Rehefa nitsidika ny reniny izy dia nandinika tsara sady liana amin’ny fivoaran’ny reniny nankany amin’ny batisa.

Namonjy fiangonana Kristiana niaraka tamin’ny bebeny i Tracy, ka tany no nianarany zavatra fototra inoan’ny Kristiana. Vetivety ihany dia nanomboka nanatrika ireo fivoriam-pivavahana an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny alahady niaraka tamin’ny reniny i Tracy.

Ny tranga nanamarika indrindra azy ireo dia rehefa nanatrika ny Hill Cumorah Pageant (Fampisehoana an-tsehatra momba ny Tendrombohitra Komôrà) ilay zanakavavy sy ny reniny. Ny fijoroana tao amin’ny Alakely Masina, ny fanatrehana fotoam-piangonana, ary ny fihainoana hafatry ny filazantsara tamin’ny fomba vaovao dia nanohina azy. Nilaza tamin’ny reniny i Tracy fa vonona ny hianatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana izy.

“Nampihaoniny tena farak’izay haingana tamin’ireo misiônera aho taorian’izay,” hoy Rahavavy Browning.

Tracy Yeulande Browning dia teraka tao New Rochelle, New York, tamin’ny 9 ôktôbra 1976, ary zanak’i Clive Adams sy i Sharon Cox. Lehibe tao Jamaika, New Jersey, ary New York izy. Nanambady an’i Brady Browning tao amin’ny tempolin’i Salt Lake tamin’ny 2 mey 1997 izy. Manan-janaka roa izy ireo.

Nianatra tao amin’ny Oniversite St. John ny Rahavavy Browning. Niasa tamina sampana misahana ny ara-bola nandritra ny 15 taona izy ary amin’izao izy dia tale ao amin’ny Departemanta fanontana sy famoahana fitaovana an’ny Fiangonana. Ny Rahavavy Browning dia efa nilatsaka an-tsitrapo ihany koa tao amin’ny National Multiple Sclerosis Society, Habitat pour l’humanité, ary ny United Way’s Day of Caring.

Ny Rahavavy Browning dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny paroasy ary teo anivon’ny tsatòka, mpampianatra tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy tao amin’ny Sekoly Alahady, ary nanana antso tao amin’ny rafitry ny Zatovovavy. Mpikambana tao amin’ny filankevitra mpanorohevitry ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany izy tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany.