2022
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-192
Mey 2022


Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-192

Tena fitahiana tokoa ny mandray fitarihana sy torohevitra mandritra izao fotoana tena sarotra izao, avy amin’i Jesoa Kristy Tompo izay mitarika ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny mpaminany sy apôstôly velona.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ny Tompo dia nanolotra fanasana maro tamin’ny alalan’ny mpaminaniny, ny Filoha Russell M. Nelson. Indreto misy vitsivitsy amin’izany:

1. Zarao ny hery sy ny fiadanan’i Jesoa Kristy

Nampahatsiahy ny mpikambana ny Filoha Nelson fa “manana andraikitra masina isika ny hizara ny hery sy ny fiadanan’i Jesoa Kristy amin’izay rehetra hihaino.” Amin’izao fotoana tena sarotra izao, “ny olona rehetra dia mendrika ny hahafantatra hoe aiza no ahafahany mahita fanantenana sy fiadanana izay -mihoatra noho ny fahalalana rehetra.- [Filipiana 4:7].”

  • Raha hamaky ny antson’ny Filoha Nelson ho an’ireo zatovolahy tsirairay izay mendrika sy afaka manao asa fitoriana mba hiomana sy handeha hanao izany dia vakio ny “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana” ao amin’ny pejy 6.

2. Manorina fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara

Nampianatra ny Filoha Nelson fa, “tsy mbola nila ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao isika, hanoherana ny hafainganan’ny fitombon’ny ratsy sy ireo famantarana ny fotoana maizina indrindra.”

  • Fantaro ireo fanasana manokana miisa dimy avy amin’ny Filoha Nelson mba hampitomboana ny fahavitrihana ara-panahintsika ao amin’ny “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy” ao amin’ny pejy 97.

3. Safidio ny fomba handanianao ny fotoanao

Nanazava ny Filoha Nelson fa misy ireo zavatra izay tsy azontsika fehezina. “Saingy misy zavatra azontsika fehezina,” hoy izy, “isan’izany ny fomba fandaniantsika ny fotoantsika isan’andro.”

  • Vakio ny fanasan’ny Filoha Nelson mba handany ny fotoantsika amin’ny fifantohana amin’ireo fitahian’ny tempoly ao amin’ny “Izao no fotoana” ao amin’ny pejy 126.

Rehefa mandalina sy mampihatra ireo fanasana ireo ianao dia manasa anao izahay hihevitra ny hizara ny zavatra iainanao amin’ny hafa amin’ny alalan’ny Liahona.