2022
J. Anette Dennis
Mey 2022


“J. Anette Dennis,” Liahona, mey 2022.

J. Anette Dennis

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany

Taorian’ny nipetrahany tamina toerana samihafa tao Etazonia nandritra ny fahazazany, ny Rahavavy Jeannie Anette Dennis dia nihevitra fa tanteraka ny nofiny rehefa nifindra tao Cottonwood Heights, Utah ny fianakaviany.

“Nihevitra aho fa ny olona rehetra ao Utah dia mpikamban’ny Fiangonana ary ho toerana farak’izay tsara any,” hoy izy.

Nandritra ny andro vitsivitsy voalohany naha classe de seconde azy dia nientanentana ery izy ny hahazo fanasana hanatrika fety iray. Nampitandrina azy anefa ny ankizivavy iray izay lasa namany akaiky indrindra fa ny olona amin’io fety io dia handray zava-mahadomelina.

“Tena vetivety be aho dia nianatra fa hay hita n’aiza n’aiza izao tontolo izao,” hoy izy. Ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy ny fiainana sy fianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano anefa dia nahatonga azy hatanjaka hatrany nandritra ny fianarany tany amin’ny lisea.

Teraka tao Provo, Utah, tamin’ny jona 1960 i Jeannie Anette Herrin ary izy no zanakavavy matoan’i Curtis Lamar sy Patricia Joanne Herrin amin’ireo zanaka fiton’izy ireo. Ny asan-drainy dia nitondra ny fianakaviany hifindrafindra tany Mississippi, Tennessee, Iowa, Nebraska, ary Utah.

Nianatra ny taranja fampianarana ao amin’ny fanabeazana fototra tao amin’ny Oniversite Brigham Young izy ary nianatra fiteny Espaniôla ihany koa. Nandritra ny dia fianarana iray tany Meksika dia nihaona tamin’i Jorge Dennis izy, ka nanomboka nifandray izy roa.

Rehefa nifindra tao Salt Lake City mba hianatra taranja Anglisy izy herintaona taty aoriana, dia nanomboka nifankafantatra kokoa izy roa. Volana vitsivitsy taty aoriana dia nifamofo izy ireo. Nivady tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 4 septambra 1980. Manan-janaka efatra izy ireo ary zafikely sivy. Monina ao Bountiful Utah izy ireo.

Ny Rahavavy Dennis, izay notohanana tamin’ny 2 aprily dia hanomboka ny antsony amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany ny 1 aogositra. Mpikambana ao amin’ny filankevitra mpanorohevitry ny Kilonga maneran-tany izy ary ao amin’ny filankevitra misahana ny serasera ao amin’ny Fivondronan’i Davis miaraka amin’ny vadiny.

Tamin’ny 2013 hatramin’ny 2016 dia nanao asa fanompoana niaraka tamin’ny vadiny izy rehefa niahy ny Misiônan’i Equateur Guayaquil Andrefana ny vadiny. Izy ihany koa dia efa mpanampy ny mpiahy vavin’ny tempolin’i Guayaquil Equateur, mpitantsoratra tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, filohan’ny Kilonga teo anivon’ny paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny Zatovovavy teo anivon’ny paroasy, mpampianatra tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, ary mpiasan’ny tempoly misahana ôrdônansy.