2023
Lasa mpianatr’i Kristy mandritra ny androm-piainana
Martsa 2023


Hafatra avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra

Lasa mpianatr’i Kristy mandritra ny androm-piainana

Ry namako malala isany, rehefa manaiky ny fanasana hanatona an’i Kristy isika, hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina ary ho tonga mpianany mandritra ny androm-piainana, dia hahita fahagagana lehibe hiseho.

Ny zavatra ilain’i Jesoa Kristy Tompo—mety mihoatra noho ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonany aza—dia mpianatra mandritra ny androm-piainana izay azony ianteherana. Ary izany dia zavatra iray azontsika tsirairay avy hanaovana fanolorantena, na inona na inona toe-javatra iainantsika eo amin’ny fiainana. Hentitra ny fanasany: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy”.

Avy eo ny Tompo dia manome fampitandremana sy fampanantenana: “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany” (Matio 16:24–25).

Tsikaritro fa rehefa mifantoka amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly sy ny fanompoana ny hafa aho dia mahita vahaolana amin’ireo olana atrehiko. Amiko dia izany no fahazoako ny tian’ny Tompo holazaina amin’ny famerezana ny aiko noho ny Aminy. Tia antsika Izy ary fantany hoe ho lasa olona toy ny ahoana isika.

Ao amin’ny vina ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, isika dia “manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy, hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina, ary ho tonga mpianany mandritra ny androm-piainana.” Ireo fitahiana nampanantenaina momba izany dia voafaritra tsara tokoa tao amin’ireo teny avy amin’ny taratasy iray izay nosoratan’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ho ahy raha teo am-piomanana ny hanomboka ny andraikitra vaovao ho filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo aho: “Ny fifantohana amin’ny fanomanana ny olona ho amin’ny fitahian’ny tempoly sy ny taranaka vao misondrotra ho amin’ny asa fitoriana dia hitahy izaitsizy tokoa ny Olomasina ho an’ny taranaka ho avy eto amin’ity vondromparitra manan-danja an’ny Fiangonana ity.”

Rehefa mamaky momba an-drahavavy Vanessa Ann Baldwin ianao, ny lalan’ny mpiandraikitra iray ao amin’ny tempolin’i Durban Afrika Atsimo amin’ny maha-mpianatra azy mandritra ny androm-piainany, dia eritrereto ny dikan’ny fanapahan-kevitrao ho lasa mpianatra mandritra ny androm-piainana ho anao sy ny zanakao ary ny zafikelinao; afaka 30, 50, 60 taona aorian’izao.

Inona no nanosika anao handroso hatrany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

“Ny fijoroana ho vavolombelona azoko fony aho mbola kely, fa hoe tian’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy aho ary fantatr’izy ireo, no fototry ny tanjaka ho ahy. Ireo ohatra nasehon’ny olona tsara teo amin’ny fiainako: ny reniko izay nampianatra tamin’ny alalan’ny fiainany tamin’ny fanompoana sy ny fanolorantenany ho an’ny Filazantsara, dia mpitari-dalana tsy tapaka ho ahy tamin’ny fahatanorako. Toy izany koa, ny tanjaka sy ny fitiavana avy amin’ny vadiko dia nitohy ho fitarihana ho ahy. Olona tsara maro hafa no nanampy ahy hijanona eo amin’ilay lalana. Nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako ireo antso samihafa nananako. Ny vavaka sy ny soratra masina ary ny tsodranon’ny patriarika dia manampy ny tanjako isan’andro.”

Ahoana no nahafahanao nandresy izay mety ho fanamby sy nanohy teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

“Namaky izao teny notsongaina manaraka izao aho fony aho zatovo: ‘Soraty eo amin’ny fasika ireo fanahianao, sokiro amin’ny vato ireo fitahianao.’ Rehefa miatrika fanamby aho dia miezaka mafy mitady ny lafy tsaran-javatra eo amin’ny fiainako. Manisy tsiky eo amin’ny tarehiko, mankasitraka ny zava-mahagaga eo amin’ny fiainako ary tsy mimenomenona momba ny fahasarotana mety hitranga amin’io fotoana io. Ny Mpamonjy dia nandalo fotoan-tsarotra kokoa noho izay ho atrehiko. Ny soratra masina jereko entiko miatrika ireo fanamby keliko dia ny F&F 122:5–9. Manam-pinoana aho fa afaka miatrika ny zava-drehetra miaraka amin’ny fanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy raha toa ka miresaka amin’izy ireo fotsiny aho ary mampiditra azy ireo ao anatin’ny androko.”

Inona no tianao hozaraina amin’ireo vao niova fo sy ireo taranaka vao misondrotra?

“Teny iray: MANDRAISA ANJARA! Izany no fomba tsara indrindra hirindrana ao amin’ny Fiangonana na amin’ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainana. Midira amin’ny fonao manontolo ary ankafizo fotsiny ny lalana izoranao. Aza kivy, na dia tsy mahazo aina aza ianao amin’ny voalohany! Arakaraka ny hamelanao hamirapiratra ny fahazavanao manokana avy any an-danitra no hitahiana anao bebe kokoa. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia mifikira amin’ilay asa, mandra-pahatongan’izany hifikitra aminao. Ny fihazonana vavaka iray, na fihirana iray na hiran’ny Kilonga ao am-poko mandritra ny andro manontolo dia manampy ahy hifantoka amin’ny tsara. Ny hoe ‘miavaka’ dia mety tsy mampahazo aina na mora iainana, fa tena mendrika izany rehefa mijery ny omaly teo amin’ny fiainanao ianao. Tsy misy fanenenana lehibe ka ho fahatsapana tsara.”

Eto indray ianao, rehefa mamaky momba ny maha mpianatra mandritra ny androm-piainana an’ny Filoha Josiah Molahlehi Mohapi, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Tempolin’i Johannesbourg Afrika Atsimo, dia eritrereto ny fampanantenan’ny Loholona Ronald A. Rasband momba ireo fitahiana maro ho an’ny Olomasina ho an’ireo taranaka ho avy.

Inona no nanosika anao handroso hatrany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

“Ny fijanonako eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia miorim-paka amin’ny tanjaky ny fianakaviako sy ny fanohanan’ny fianakaviako, ny faniriana ho tonga ray sy dadatoa ary raibe tsara kokoa. Mba ho toy ny nataon’ny Mpamonjy tamiko amin’ny fianakaviako fotsiny. Ny fitiavany sy ny hery manafaka avy amin’ny Sorompanavotany dia nahatonga ny fianakaviana hiaraka mandrakizay ary nanoro ahy ny fomba ahafahako ho toy izany.”

Ahoana no nahafahanao nandresy izay mety ho fanamby sy nanohy teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

“Mifantoha indray amin’i Jesoa Kristy ary avereno atao ho ivo Izy. Feno olana izao tontolo izao, satria tafiditra ao anatin’ny diantsika eto an-tany izany. Ny fomba hiantrehantsika ireo olana ireo dia miankina amin’ny fomba fijerintsika azy. Misy fahatsapana fanantenana sy fientanentanana ny fijerena ireo olana ireo amin’ny fomba fijery mitovy amin’ny an’i Kristy, mba hifantoka hatrany amin’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy, ary hampifantoka hatrany ny eritreritro araka ny nampianarin’ny Loholona Uchtdorf izay nilaza hoe: ‘Hampianatra antsika hifantoka amin’izay zava-dehibe indrindra ny Mpamonjy’. Mahazo ny sain’ny Tompo aho rehefa mivavaka amin’ny Raiko any An-danitra sy maneho ny fankasitrahako, misaintsaina momba ny vavaky ny fanasan’ny Tompo sy ny fampanantenany ny amin’ny Fanahy Masina hiaraka amiko mandrakariva, mandalina ny teny nentanim-panahy avy amin’ireo mpaminany maoderina sy fahiny, mihira hira mankahery izay mampahatsiahy ahy ny Mpamonjy. Amin’ny fanaovana izany dia fantatro fa hiaraka amiko ny Fanahiny ary hiteny ao an-tsaiko sy ao am-poko ny amin’izay tokony hataoko mba handresena ireo olana atrehiko.”

Inona no tianao hozaraina amin’ireo vao niova fo sy ireo taranaka vao misondrotra?

“Ny Tompo no ohatra tonga lafatra amin’ny fitiavana sy ny rariny ary ny famindram-po. Mianara ho tonga tahaka Azy amin’ny alalan’ny fampiharana amim-pahatsorana ireo toetrany. Ny fahatanterahantsika ara-panahy dia ny fahatongavana tahaka Azy ary Izy dia hanampy anao eo amin’ny lalana. Eto an-tany ianao mba hirotsaka amin’ny fanompoana an’ Andriamanitrao. Mitaky ny fonao, ny herinao, ny sainao ary ny tanjakao izany ary mampanantena aho fa ny fahasoavany dia hanampy fitomboana ara-panahy, fifaliana ary hanokatra ireo talenta sy fahaiza-manao miafina izay hampiasainy ho tombontsoanao sy ny hafa” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4).

Ry namako malala isany, rehefa manaiky ny fanasana hanatona an’i Kristy isika, hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina, ary ho tonga mpianany mandritra ny androm-piainana, dia hahita fahagagana lehibe hiseho eo amin’ny fiainantsika manokana sy eo amin’ny fiainan’ireo olon-tiantsika.