2023
Mampahafantatra ny vina vaovao ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo ny Fiadidian’ny Vondromparitra
Martsa 2023


Vinan’ny Vondromparitra

Mampahafantatra ny vina vaovao ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo ny Fiadidian’ny Vondromparitra

Ilay vina dia manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy, hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina ary ho lasa mpianany mandritra ny androm-piainana.

“Tsy mbola nisy fotoana nampientanentana kokoa noho izao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny tena eto Afrika,” hoy ny Loholona Edward Dube, filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. “Mamirapiratra tahaka ny finoantsika marina tokoa ny hoavy eto amin’ity kaontinanta ity.”

Vao haingana ny Loholona Dube sy ireo mpanolotsainy no nivory mba hizara “misimisy kokoa momba ny mety ho endrik’izany hoavy izany raha toa ka miara-manompo avokoa isika rehetra.”

Ny fiadidiana vaovao (izay nanomboka niara-nanompo tamin’ny aogositra) dia nandany ora maro nifanakalo hevitra tamin’ireo filohan’ny tsatòka sy ireo fitopololahin’ny vondromparitra, ary tamin’ny Tompo sy teo amin’izy samy izy mba hamaritana vina iray ho an’ny vondromparitra, hoy izy ireo tamin’ny mpikambana.

Toy izao manaraka izao no vina ambaran’ny fiadidiana ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo:

Hanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy, hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina, ary ho lasa mpianany mandritra ny androm-piainana.

Namaritra tanjona fototra telo ny fiadidiana hoenti-manatratra io vina io. Natao mety ho an’ny tena manokana ireo tanjona tsirairay ireo mba hahafahan’ny mpikambana mandray azy ireo ho toy ny fanambarana ny tanjon’ny tena manokana.

Tanjona voalohany: Izaho dia hanao fanekempihavanana masin’ny tempoly ary hitandrina izany

Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia manome fanasana avy amin’ny fo ho antsika tsirairay avy mba ho lasa sy hitoetra ho mendrika ny hiditra ny tempoly.

“Ry rahalahy sy anabavy, manasa anareo izahay mba hanao ireo fiovana ilaina atao eo amin’ny tenanareo manokana mba ho mendrika ny hihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly,” hoy ny Loholona Dube. “Araka ny nolazain’ny Loholona Ronald A. Rasband hoe: -atombohy izao ny dingana mba ho lasa mendrika ho an’ny Tompo mba hahafahan’ny Fanahiny hiaraka sesehena aminao-.”1

Ny Loholona Dube dia nisaintsaina ireo tenin’ny Filoha Nelson manao hoe: “Ny fahamendrehan’ny tena manokana mba hiditra ny tranon’ny Tompo dia mitaky fiomanan’ny tena manokana ara-panahy be dia be. Kanefa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia tsy misy zavatra tsy azo tanterahina.”2

Nampanantena ireo mpikambana ny Loholona Dube fa “mahaleo ny sarany ny fiezahana” hanao sy hitandrina ny fanekempihavanana.

“Indramiko ny tenin’ny Filoha Nelson entiko ijoroana ho vavolombelona fa -ny fiomanana toy izany dia mitondra fitahiana sesehena eo amin’ity fiainana ity ary fitahiana tsy hain’ny saina takarina any amin’ny fiainan-ko avy.-”3

Tanjona faharoa: Izaho dia hanao asa fitoriana ny filazantsara ary Izaho dia hanampy ny hafa mba hanompo

“Ny tsirairay avy amintsika izay avy nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno dia afaka manamarina fa traikefa manova fiainana izany,” hoy ny Loholona Aidukaitis, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidiana—izay niresaka momba ireo fitahiana nentin’ny asa fitoriana ny filazantsara nataony tao amina lahateny vao haingana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Mazava ny toroheviny ho an’ireo zatovolahy sy zatovovavy salama saina sy tomady: “Manapaha hevitra anio ny handeha hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno.”

Manohy manazava ny Loholona Aidukaitis fa ny fanirian’ny Tompo dia ny “hampitomboantsika roa avo heny ny isan’ireo misiônera manompo avy eto amin’ny vondromparitra misy antsika sy mba hahatongavantsika ho vondromparitra mahavita tena. Midika izany fa farafahakeliny dia tokony hitovy amin’ny isan’ireo misiônera manompo ato amin’ny vondromparitra misy antsika ny isan’ireo misiônera alefantsika manompo any ivelany.”

Manao antso avo amin’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika izy mba hifantoka amin’io tanjona io. Ny fanohanan’izy ireo amin’ny “fanomanana ny taranaka vao misondrotra dia hahefa be amin’ny fitahiana taranaka Olomasina maro mifanesy ho avy eto amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo,” hoy ny Loholona Aidukaitis mampanantena.

Tanjona fahatelo: Izaho dia hanampy amin’ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana sy ny fanaovana asa fitoriana ny filazantsara

Ny Loholona Deneslon Silva mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidiana, dia nanao teny an-tsary mba ho alaintsika rehetra sary an-tsaina: “Ry rahalahy sy anabavy,” hoy izy, “azonareo alaina sary an-tsaina ve ny mahita tempoly iray isaky ny tanan-dehibe eto amin’ity kaontinanta kantontsika ity? Azonareo alaina sary an-tsaina ve ny mahita trano fivorian’ny Fiangonana manenika ny sarintanin’i Afrika?

“Mino izahay fa afaka ny ho tanteraka izany,” hoy izy nanohy. “Vonona handray ny fahamarinana ireo olona eo anivontsika. Ary mila mizara izany isika.”

Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia namaritra fomba roa ahafahan’ny mpikambana mifantoka amin’ny fampandrosoana ny asa famonjena: amin’ny alalan’ny “fiaraha-miasa amin-kafanam-po” amin’ireo misiônera; sy amin’ny alalan’ny fanampiana am-pitiavana ireo rahalahy sy anabavintsika amin’ny alalan’ny fandaharan’asan’ny fanompoana.

“’Ndeha isika hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny torohevitr’i Isaia, mpaminany fahiny, mba -hanalava ny kofehintsika, ary anorina mafy ny tsima-daintsika,- (jereo ny Isaia 54:2)” hoy ny Loholona Silva. “Afaka ny hanorina an’i Ziona eto Afrika tokoa isika.”

Fanamarihana

  1. Ronald A. Rasband, “Mendrika ho an’ny Tompo,” Liahona, Nôv. 2020, 24.

  2. Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona, Nôv. 2019, 121.

  3. Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” 122.