2023
Nahafahana nanokatra orinasa mivarotra kapa ny kilasin’ny fizakan-tena
Martsa 2023


Feon’ny Mpikambana

Nahafahana nanokatra orinasa mivarotra kapa ny kilasin’ny fizakan-tena

Nampitombo ny fatokisan-tenany sy ny fahaizany hampidi-bola ho an’ny tenany ny vehivavy tanora saro-kenatra iray avy ao Le Cap.

I Dalisey Brooks avy ao Le Cap, Afrika Atsimo dia Olomasin’ny Andro Farany, filohan’ny Zatovovavy, mpianatra amin’ny BYU an-jotra, ary mpandraharaha vao herotrerony ao amin’ny fandaharan’asan’ny Fiangonana momba ny fizakan-tena.

Fony izy 16 taona dia nitarika azy ny Fanahy mba hiresaka amin’ireo misiônera teny an-dalana izay nitarika ny fiovam-pony sy ny batisany. Taona maro taty aoriana dia nitarika azy ho ao amin’ny fandaharan’asan’ny Fiangonana momba ny fizakan-tena izany fanahy izany ka nahafahany nanokatra ny orinasany manokana. Niaraka tamin’ny fanampian’ny vondron’ny fizakan-tena misy azy dia namorona toeram-pivarotana an-jotra izy hivarotana kiraro sy akanjo avy ao Afrika Atsimo izay asan’ny tanany.

Tsaroan’i Dalisey hoe “na dia tamin’ny mbola zazavavikely izay tsy nanana afa-tsy akanjo iray sy tsy nikararo aza aho dia tia lamaody. Na dia saro-kenatra aza aho dia niasa tamin’ny indostria momba ny varotra tao Afrika Atsimo mba hampivelatra fahaiza-manao sy fahatokian-tena. Mandritra ny andro aho dia manamboatra sy mivarotra kapa sy kojakoja ary akanjo tsara kalitao. Rehefa amin’ny alina aho dia mianatra amin’ny BYU mba hahazo licence momba ny fitantanana orinasa izay mifantoka manokana amin’ny fitantanam-bola.”

Tamin’ny taona 2020 i Dalisey dia nitady fanampiana mba hanombohana ny fandraharahany. Tamin’izay fotoana izay, tany ivelany, dia nisy mpampianatra vaovao nisahana ny fizakan-tena tao Idaho izay nitady mpikambana hanatrika ny vondron’ny fizakan-tena voalohany izay nosahaniny. “Noho ny valanaretina dia tsy mety nahazo olona hanatrika izany aho. Noho izany dia namorona vondrona an-jotra aho. Nahita mpikambana iray avy any Afrika Atsimo aho [i Dalisey] mba handray anjara,” hoy i Ben Davidson avy ao amin’ny tsatòkan’i Pocatello, Idaho Atsinanana. “Lasa nahasarika kilasy iray an’ny mpianatra ao amin’ny BYU izay miara-miasa amin-drahalahy John Ward avy ao amin’ny Rexburg Business Development Center nony farany ireo fivorianay isan-kerinandro tamin’ny alalan’ny Zoom.

“Naniry ny hanangana ny orinasako manokana foana aho,” hoy ny fanazavan’i Dalisey, “saingy tsy nanana olona hitari-dalana ahy aho.” Noho ny fandaharan’asan’ny Fiangonana momba ny fizakan-tena dia manana ny orinasany manokana izao i Dalisey. “Tsy hay lazaina ny fankasitrahako,” hoy izy. Ny kapa sy kojakoja vokariny dia mampiasa lamba miloko sy tady malefaka ary hoditra izay hita ao Afrika Atsimo.

“Satria aho niaina mivantana tao anatin’ny fahantrana dia zava-dehibe amiko ny fanompoana sy ny fanomezana zavatra ho an’ny fiarahamonina. Vita tanana ao Le Cap ireo vokatra. Ny marikako dia mitondra ny anaran’ny raibeko: “Chipantha.” Tsy nijery ahy ho toy ny ankizivavy kely iray tsy mahavita tena tao amin’ny tanàna izy. Hitany ny hoe mety ho lasa tahaka ny ahoana aho. Nomeny fahafahana mba haharitra aho,” hoy ny nohazavain’i Dalisey.

“Mitahy ahy ny tanjaka sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’i Dalisey isan-kerinandro rehefa mihaona izahay ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Fiangonana momba ny fizakan-tena. Mahatsapa ho voatahy aho manompo ato amin’ny Fiangonana misy firahalahiana sy firahavaviana izay miray hina amin’ny fomba maro, anisan’izany ny kilasin’ny fizakan-tena izay mampifandray ireo mpikambana avy ao Le Cap sy Pocatello ary Rexburg,” hoy i Davidson.