Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
I Jesoa Kristy: ilay mpikarakara ny fanahintsika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


I Jesoa Kristy: ilay mpikarakara ny fanahintsika

Rehefa mibebaka marina amin’ny fahotantsika isika, dia mamela ny sorompanavotan’i Kristy ho lasa mahomby tanteraka eo amin’ny fiainantsika.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, amin’izao marainan’ny Paska mamiratra izao dia faly ny foko mahatsiaro ilay asa mahatalanjona indrindra sy mendri-kaja indrindra, lehibe indrindra nitranga teo amin’ny tantaran’ny olombelona, dia ny sorompanavotan’ilay Tompontsika, i Jesoa Kristy. Manandratra ny maha-lehibe sy ny maha-tsy misy fitiavan-tena ny fidinan’ny Mpamonjy ambanin’ny zava-drehetra sy ny sorona nataony ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ireo teny fanta-daza nolazain’ny mpaminany Isaia hoe:

“Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina.

“Nefa Izy dia noratraina noho ny fandikantsika lalàna, notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahatra taminy no nahazoantsika fiadanana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika”.1

Tamin’ny nitondrany an-tsitrapo ny fahotan’ny zanak’olombelona rehetra, sy tamin’ny nanomboana Azy tamin’ny fomba feno habibiana teo amin’ny hazo fijaliana, ary tamin’ny nandreseny tamim-boninahitra ny fahafatesana tamin’ny andro fahatelo,2 dia nampisy lanjany bebe kokoa ny ôrdônasin’ny Paska i Jesoa mihoatra noho izay natolotra an’Isiraely taloha.3 Ho fanatanterahana ny faminaniana dia nanolotra ny tenany sy ny rany sarobidy Izy mba ho ilay sorona lehibe sy farany,4 izay nahatanteraka ireo famantarana mahazatra nampiasaina tamin’ny fankalazana ny Paska an’ny Tompo.5 Tamin’ny fanaovana izany i Kristy dia niaina fijaliana ara-batana sy ara-panahy izay tsy takatry ny sain’olombelona. Hoy ny Mpamonjy hoe:

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, …

“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—

“Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona.”6

Nanatanteraka tamim-panajana ny sitrapon’ny Ray i Kristy7 tamin’ny alalan’ilay sorompanavotana tsy manam-petra sy feno famindram-po nataony. Nandresy ny fanindronan’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy Izy,8 izay tafiditra teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Fahalavoana,9 ka manolotra fahafahana be voninahitra ho antsika ny hahazo famonjena mandrakizay.10

I Jesoa irery ihany no Olona afaka nanatanteraka io sorona mandrakizay sy tonga lafatra io ho antsika rehetra.11 Voafidy sy notendrena mialoha Izy tao amin’ilay Filankevitra lehibe tany an-danitra, talohan’ny namoronana izao tontolo izao mihitsy aza.12 Ankoatra izany, satria nateraky ny reny mety maty Izy dia nandova ny fahafatesana ara-batana, saingy avy tamin’ Andriamanitra, amin’ny maha Zanaka Lahitokan’ny Ray Azy, dia nandova ny hery hanalana ny ainy Izy ary avy eo dia hanangana izany indray.13 Ankoatra izay dia niaina fiainana tonga lafatra izay tsy nisy kilema i Kristy, ka noho izany dia tsy voakasiky ny fitakian’ny fahamarinan’ Andriamanitra.14 Nisy fotoana nampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Tsy afaka ny tonga teto an-tany ny famonjena raha tsy ny fanelanelanana nataon’i Jesoa Kristy.

“Andriamanitra … dia nanomana ho sorona ny Zanany Lahitokana, izay tokony ho tonga amin’ny fotoany mba … hanokatra varavarana hahafahan’ny olona miditra eo anatrehan’ny Tompo.”15

Raha nanaisotra tsy misy fepetra ny vokatry ny fahafatesana ara-batana ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny sorona nataony,16 dia tsy nanaisotra ny andraikitsika manokana ny hibebaka amin’ny fahotana ataontsika Izy.17 Fa nanolotra fanasana manokana ho antsika kosa Izy mba hihavana amin’ny Raintsika Mandrakizay. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany, dia afaka miaina fiovan-tsaina sy fiovam-po mahery vaika isika, izay mitondra toe-tsaina vaovao, manoloana an’ Andriamanitra sy manoloana ny fiainana amin’ny ankapobeny.18 Rehefa mibebaka amin-kitsim-po amin’ny fahotantsika isika, sy mampitodika ny fontsika sy ny sitrapontsika amin’ Andriamanitra sy ireo didiny, dia afaka mahazo famelan-keloka avy Aminy sy hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masiny betsaka kokoa. Soa fa tsy voatery hiaina ny hamafin’ny fijaliana niaretan’ny Mpamonjy isika.19

Ny fanomezana ny fibebahana dia fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra an’ireo zanany, ary izany dia fanehoana ilay heriny tsy manan-tsahala hanampy antsika handresy ireo fahotana ataontsika. Porofo maneho ny faharetana ananan’ny Raintsika amin’ny fahalementsika sy ny fahosantsika olombelona ihany koa izany. Ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminany malalantsika, dia niantso io fanomezana io hoe ny “fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina.”20

Ry namako malala, mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa mibebaka marina amin’ny fahotantsika isika,21 dia mamela ny sorompanavotan’i Kristy ho lasa mahomby tanteraka eo amin’ny fiainantsika.22 Ho afaka amin’ny famatoran’ny fahotana isika, sy hahita fifaliana eo amin’ny diantsika mamakivaky ny fiainana an-tany, ary lasa ho afaka ny hahazo ny fanavotana mandrakizay, izay efa nomanina hatry ny nanorenana izao tontolo izao ho an’ireo rehetra izay mino an’i Jesoa Kristy sy manatona Azy.23

Ho fanampin’ny fanomezana mendri-kaja ny famonjena dia nanolotra antsika fanampiana sy fampiononana ny Mpamonjy rehefa miatrika ireo fahoriana sy fakam-panahy ary fahalemena iainantsika amin’ny fiainana an-tany isika, tafiditra amin’izany ireo toe-javatra niainantsika vao tsy ela amin’izao valanaretina izao. Afaka manome toky anareo aho fa i Kristy dia mahafantatra foana ireo zava-tsarotra iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Takany avokoa ny alahelo sy ny fijaliana ary ny fanaintainana ara-batana sy ny fanamby ara-pihetseham-po sy ara-panahy atrehintsika. Feno famindram-po ny kibon’ny Mpamonjy, ary vonona mandrakariva Izy hamonjy antsika. Vitany izany satria niainany manokana ary nalainy tao anatin’ny nofo ny fanaintainana avy amin’ny fahalementsika sy ny kilemantsika.24

Tamin’ny halemem-panahy sy fanetrentena no nidinany ambanin’ny zava-drehetra sy nanekeny hatao tsinontsinona, nolavina ary nalain’ny olona baraka, noratraina noho ny fahotantsika sy ny helotsika. Niaritra ireo zavatra ireo Izy ho an’ny rehetra, ka nitondra teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao,25 ka nahatonga Azy ho mpikarakara antsika faratampony ara-panahy Izy.

Rehefa manakaiky Azy isika, ka mamela ny tenantsika hokarakarainy ara-panahy, dia ho afaka ny hitondra eo amintsika ny ziogany izay mora, sy ny entany izay maivana, ka hahita izany fampiononana sy fitsaharana nampanantenainy izany. Ankoatra izany dia hahazo ny hery izay ilaintsika rehetra isika mba handresena ireo zava-tsarotra, sy fahalemena, ary alahelo eo amin’ny fiainana, izay tena sarotra hiaretana raha tsy misy ny fanampiany sy ny fanasitranany.26 Mampianatra antsika ny soratra masina hoe “apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.”27 “Ary amin’izany, dia enga anie ka hotovin’ Andriamanitra [amintsika] ny hanamaivanana ny enta-mavesa[tsika], amin’ny alalan’ny fifalian’ny Zanany.”28

Sary
Regina sy Mario Emerick

Tamin’ny faramparan’ny taon-dasa dia naheno ny nahalasanan’ny mpivady iray namako akaiky aho, i Mario sy i Regina Emerick, izay tena nahatoky tamin’ny Tompo ary maty nifanelanelana efatra andro noho ny fahasarotana tamin’ny COVID-19.

Nitantara izao manaraka izao tamiko ny iray amin’ireo zanak’izy ireo lahy izay eveka any Brésil: “Tena sarotra ny nahita ny ray aman-dreniko nandao ity tany ity toy izany, saingy tsapako tsara ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainako teo anivon’izany loza izany, satria nahazo hery sy fiadanana izay nihoatra ny fahatakarako aho. Tamin’ny alalan’ny finoako an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia nahazo ny fanampian’ny lanitra aho mba hankahery sy hampionona ireo olona ao amin’ny fianakaviako sy ireo rehetra izay nanampy anay nandritra io fitsapana niainanay io. Na dia tsy nitranga aza ny fahagagana izay nantenain’ny tsirairay, izaho manokana dia vavolombelona manambara ireo fahagagana maro hafa nitranga teo amin’ny fiainako sy ny fiainan’ireo olona ao amin’ny fianakaviako. Nahatsapa fiadanana tsy hay hazavaina aho izay niditra lalina tao am-poko, ka nanome ahy fanantenana sy fatokiana ny fitiavan’ny Mpamonjy ahy sy ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambaran’ireo zanany. Nianatra aho fa mandritra ireo andro mahory indrindra dia maninjitra mandrakariva ny sandriny be fitiavana ny Mpamonjy rehefa mikatsaka Azy amin’ny fontsika, ny herintsika, ny saintsika, ary ny tanjatsika isika.”

Sary
Ny fianakaviana Emerick

Ry rahalahy sy anabavy malalako, amin’ity alahadin’ny Paska ity, dia zaraiko ny fijoroana ho vavolombelona miezinezina ananako fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ary velona Izy. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa amin’ny alalany sy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy misy fetra dia nanome antsika ny fomba handresena ny fahafatesana ny Mpamonjy, na ara-batana izany na ara-panahy. Ankoatra ireo fitahiana goavana ireto dia nanolotra fampiononana sy toky ho antsika koa Izy ao anatin’ireo fotoan-tsarotra. Manome toky anareo aho fa rehefa mametraka ny fitokiantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany mahagaga isika, sady maharitra ao amin’ny finoantsika hatramin’ny farany, dia hianoka ireo fampanantenana nomen’ny Ray malalantsika any An-danitra, izay manao ny zavatra rehetra amin’ny heriny mba hanampiana antsika hiverina eo anatrehany indray andro any. Ity no asany sy voninahiny!29 Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa i Jesoa no Kristy, ilay Mpanavotra izao tontolo izao, ilay Mesia nampanantenaina, ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana.30 Ary zaraiko aminareo ireo fahamarinana ireo amin’ny anarany masina, ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray, dia ny Tompontsika, Jesoa Kristy, amena.