Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao

Ireo fitaovana ilaintsika mba hamoronana andro mamiratra kokoa sy hampitomboana ny toe-karenan’ny hatsarana marina eo amin’ny fiaraha-monina dia omena be dia be ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Talohan’io Paska voalohany io i Jesoa, raha namarana ilay ôrdônansy vaovaon’ny fanasan’ny Tompo izay vao natolony an’ireo Roambinifololahy, dia nanomboka ilay lahateny lehibe fanaovam-beloma ary niroso ho any Getsemane sy ny namitahana ary ny nanomboana Azy. Kanefa, raha nahatsapa ny ahiahy ary angamba tahotra tsotra izao mihitsy, izay tsy maintsy nasehon’ny sasany tamin’ireo lehilahy ireo dia izao no nolazain’i Jesoa tamin’izy ireo (ary amintsika koa):

“Aza malahelo ny fonareo;” hoy Izy, “minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. …

“Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho. …

“Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”1

Ahitana fotoan-tsarotra ity tontolo iharan’ny fahafatesana ity, na dia ho an’ireo mahatoky aza, saingy ny hafatra mankahery avy amin’i Kristy dia hoe Izy, ilay zanak’ondry fanatitra ho an’ny Paska, na dia ho tahaka ny “ondrivavy … eo anatrehan’ny mpanety azy”2 aza, dia mbola hitsangana, araka ny voalazan’ny mpanao salamo, mba ho “aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny [fotoam-p]ahoriana.”3

Amin’ny fahatsapana ny fotoan-tsarotra izay niandry an’i Kristy raha Izy handroso hankany amin’ny hazofijaliana sy niandry an’ireo mpianany izay hitondra ny Filazantsarany eo amin’izao tontolo izao amin’ny mitataovovonan’ny fotoana, dia andeha hiaraka amiko ankehitriny ao anatina hafatra mifandray amin’izany natao ho an’ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy amin’ny andro farany. Izany dia voarakitra ao amin’ireo andininy izay mampiaiky ny hamarony ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ka hoe natokana ho an’ny ady na karazany inona izany na karazany inona, manomboka amin’ny fitondran-tena manorisory tsisy farany nasehon’i Lamana sy i Lemoela ka hatramin’ireo ady faramparany nahatafidirana miaramila an’hetsiny. Anisan’ny antony mibaribary ivalamparana amin’io fanamafisana io dia satria ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana ho an’ny olona amin’ny andro farany, ary ireo mpanoratra (izay niaina ady betsaka koa) dia mampitandrina antsika fa herisetra sy ady no ho anisan’ny hampiavaka ireo fifandraisana amin’ny andro farany.

Mazava ho azy fa ilay hevitro mahakasika ny disadisa amin’ny andro farany dia tsy dia tena manaitra loatra. Roa arivo taona lasa izay, nampitandrina ny Mpamonjy fa amin’ny andro farany any dia hisy “ady sy tabataban’ady,”4 ary nilaza taty aoriana hoe “[ho]esor[ina] ny fiadanana eto an-tany.”5 Azo antoka fa ity Andrian’ny Fiadanana ity, izay nampianatra tamin’ny fomba miezinezina fa ny fifandirana dia avy amin’ny devoly,6 dia tsy maintsy miara-mitomany amin’ny Rainy Masina noho ireo isan’ny zanak’olombelona izay “tsy manam-pitiavana,” araka ny voalazan’ny soratra masina, ary tsy afaka mahita fomba hiaraha-monina amim-pitiavana.7

Ry rahalahy sy ranabavy, be loatra ny ady sy fahatezerana ary tsy fahalalam-pomba hita manodidina antsika. Soa ihany ireo taranaka amin’izao fa tsy voatery nandalo Ady Lehibe Fahatelo, na fitotonganana ara-toekarena maneran-tany tahaka ny tamin’ny 1929 izay nitarika tamin’ilay Krizy Lehibe. Isika anefa dia miatrika karazana Ady Lehibe Fahatelo izay tsy ady hanosena ireo fahavalontsika, fa fanompoam-pirenena handraisana ireo zanak’ Andriamanitra mba hifampikarakara kokoa, ary hanampy hitsabo ny ratran’izao tontolo izao feno ady. Ny Krizy Lehibe izay atrehantsika amin’izao fotoana izao dia tsy resaka fahaverezan’ireo tahirintsika ivelany tsy akory fa resaka fahaverezana anaty ny fatokisan-tenantsika, miaraka amin’ny tsy fahampiana finoana sy fanantenana ary fiantrana manodidina antsika rehetra. Saingy ireo fitaovana ilaintsika mba hamoronana andro mamiratra kokoa sy hampitomboana ny toe-karenan’ny hatsarana marina eo amin’ny fiaraha-monina dia omena be dia be ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy ho zakantsika, tsy ho zakan’ izao tontolo izao ny tsy fampiharantsika tanteraka eo amin’ny fiainantsika manokana na ampahibemaso ireo fitsipiky ny filazantsara sy fanekempihavanana mahamafy orina ireo.

Noho izany, ao anatin’ny tontolo izay “afotofoton’ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana” araka ny naminanian’i Jehovah azy, dia ahoana no fomba hahitantsika ilay antsoiny hoe “fanekempihavanan’ny fiadana[ny]”? Mahita izany isika amin’ny alalan’ny fitodihana Aminy, Izy izay nilaza fa hamindra fo amintsika, ary “amin’ny hatsaram-po maharitra mandrakizay” no hanomezany fiadanam-po ho an’ny zanantsika.8 Na dia eo aza ireo faminaniana mampihorohoro sy ireo soratra masina manakorontan-tsaina hoe hoesorina eto an-tany amin’ny ankapobeny ny fiadanana, dia nampianatra ireo mpaminany, anisan’izany i Russell M. Nelson malalantsika, fa tsy voatery hoe tsy maintsy hoesorina amintsika tsirairay izany!9 Koa amin’izao Paska izao, andeha isika hiezaka hiaina fiadanana amin’ny fomba manokana, hampihatra ny fahasoavan’ilay Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny balsama manasitrana ho eo amintsika sy ny fianakaviantsika sy ireo rehetra izay azontsika tratrarina manodidina antsika. Soa ihany, ary mahatalanjona mihitsy, fa ity fanasitranana mampitony ity dia azontsika “tsy amim-bola na amin-karena.”10

Tena ilaina fatratra ny fanampiana sy fanantenana toy izany satria eo amin’ireto mpanatrika manerana izao tontolo izao anio ireto dia maro no miady amina karazana olana samihafa, ara-batana na ara-pihetsehampo, ara-tsaina na ara-bola, na karazana olana hafa am-polony. Saingy tsy ampy tanjaka isika hamahàna ny maro amin’izy ireny amin’ny herin’ny tenantsika samirery, satria ilay fiadanana izay ilaintsika dia tsy ilay karazany “fanomen’izao tontolo izao.”11 Tsia, satria mba hamahàna ny olana tena sarotra dia ilaintsika ilay antsoin’ny soratra masina hoe “ny herin’ny lanitra,” ary mba hahafahana mampiasa izany hery izany dia tsy maintsy isika miaina araka ilay antsoin’io soratra masina io ihany hoe “fitsipiky ny fahamarinana.”12 Ny fahatakarana izany fifandraisana eo amin’ny fitsipika sy hery izany no ilay hany lesona izay toa tsy mety hain’ny zanak’olombelona mihitsy, hoy ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany!13

Ary inona moa ireo fitsipika ireo? Eny, voatanisa ombieny ombieny ao amin’ny soratra masina izy ireo, averimberina ampianarina amin’ny fihaonambe tahaka izao, ary tamin’ity fotoampitantanana misy antsika ity dia nampianarina an’i Joseph Smith Mpaminany izy ireo ho valin’ilay fandikany manokana an’ilay toloko hoe “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy ianao?”14 Tao anatin’ilay fihibohana mamanala sy tsy misy fikarakarana tao amin’ny fonjan’i Liberty no nampianarina azy fa ireo fitsipiky ny fahamarinana dia ahitana ireo toetra tsara tahaka ny faharetana, sy ny fahari-po, sy ny hatsaram-panahy ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy.15 Raha tsy eo ireo fitsipika ireo dia azo antoka fa tsy maintsy ho niaina disadisa sy fifandrafiana isika.

Araka izany dia mamelà ahy hiresaka tsy ampihambahambana momba ny tsy fisian’ ireo fitsipiky ny fahamarinana ireo eo amin’ny olona sasan-tsasany amin’izao fotoanantsika izao. Amin’ny ankapobeny aho karazana olona mahafinaritra, ary maro tokoa ny zavatra kanto sy tsara eo amin’izao tontolo misy antsika izao. Azo antoka fa manana fitahiana ara-nofo kokoa noho izay taranaka efa nisy tany aloha isika, saingy amin’ny kolontsain’izao taon-jato faha-21 izao amin’ny ankapobeny, ary matetika loatra ato amin’ny Fiangonana koa, dia mbola ahitantsika fiainana ao anaty fahasarotana, marimaritra iraisana izay miteraka fandikana fanekempihavanana be loatra ary fo maratra maro loatra. Eritrereto ireo fiteny mamoafady izay mitovy amin’ny fahavetavetana, izay samy manenika ny horonan-tsary na ny fahitalavitra, na mariho ireo fanararaotana ara-nofo sy ireo endrika tsy fahamendrehana hafa eny amin’ny toeram-piasana izay rentsika matetika ankehitriny. Raha ny momba ny fahadiovana ao amin’ny fanekempihavanana, matetika loatra ny zavatra masina no noraisina ho toy ny zavatra mahazatra ary ny masina dia matetika loatra raisina ho tsinontsinona. Ho an’iza na iza azon’ny fakampanahy ny handeha na hiresaka na hitondra tena “tahaka ny fanomen’izao tontolo izao,” araka ilay fomba fitenenana dia aza manantena izany hitondra traikefa feno fiadanana. Mampanantena anareo amin’ny anaran’ny Tompo aho fa tsy hisy izany. Mpaminany taloha iray no nilaza fa “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”16 Rehefa tapitra ny fandihizana, dia tsy maintsy aloa ny volan’ny mpitsoka sodina, ary matetika dia ranomaso sy nenina no sandan’izany.17

Na koa angamba mahita karazana herisetra sy tsy fahamendrehana hafa isika. Hatraiza no tokony hitandremantsika avo roa heny amin’ny maha-mpianatry ny Tompo Jesoa Kristy antsika mba tsy handray anjara amin’ny fitondrantena toy izany. Tsy misy antony tokony hampiharantsika herisetra na fanjakazakana tsy ara-drariny, na herisetra, na fanerena tsy araka ny moraly, na amin’ny endrika manao ahoana na manao ahoana, na ara-batana io, na noho ny toerana eo am-piangonana. Tsaroako aho liana dia liana tamin’ny hafanam-pon’ny Filoha Gordon B. Hinckley taona vitsy lasa izay raha niresaka tamin’ireo lehilahy ato amin’ny Fiangonana izy mikasika ireo izay “mpampahory ao an-tokantranony ihany”:18

“Zavatra tena mampalahelo ary maharikoriko ny famonoam-bady,” hoy izy. “Na iza na iza lehilahy ato amin’ity Fiangonana ity ka mamono ny vadiny, na manambanimbany azy, na manompa azy, na mampihatra fanjakazakana tsy ara-drariny amin’ny vadiny dia tsy mendrika ny hihazona ny fisoronana. … Tsy mendrika [izy] ny hihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.”19 Ratsy tahaka izany ihany, hoy izy, ny herisetra ampianjadiana amin’ny ankizy na manao ahoana na manao ahoana endriny.20

Tranga maro loatra no ahitana lehilahy, vehivavy ary ankizy koa aza, izay mahatoky izao, kanefa meloka manao teny feno haratsiam-panahy, mandrava mihitsy aza, amin’ireo izay matetika voafehy tsara amin’izy ireo tamin’ny alalana ôrdônansy masina tao amin’ny tempolin’ny Tompo. Manana zo ny ho tiavina sy hahatsapa fiadanam-po ary hahita fiarovana ao an-tokantrano ny olona tsirairay. Miangavy aho, enga anie isika hiezaka hitsinjo io tontolo ao io. Ny fampanantenana amin’izany hoe mpampanjaka fiadanana dia hoe ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava ary fitahiana no hirotsaka aminao “tsy mitady fitaovam-pamoretana” mandrakizay mandrakizay.21 Tsy misy olona afaka mampiasa teny mahery na feno haratsiam-panahy ka ho afaka “hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra.”22

Aoka ho faranako amin’izay nolazaiko tany am-boalohany. Paska rahampitso, fotoana iray ahafahan’ireo fitsipika marin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany hanampy antsika handresy ny disadisa sy ny fifandirana, ny fahakiviana sy ny fandikan-dalàna, ary amin’ny farany, handresy ny fahafatesana. Fotoana io hijoroana ho mahatoky tanteraka na amin’ny teny na amin’ny atao, amin’ilay Zanak’ondrin’ Andriamanitra, izay “nitondra ny aretintsika […] sady nivesatra ny fahoriantsika,” 23 noho ny finiavany hamita ilay asa famonjena ho antsika.

Na dia teo aza ny famitahana sy ny fanaintainana, ny fampijaliana sy ny habibiana, ary teo am-pizakana ny fahotana sy fahoriana rehetra nitambatra vitan’ny fianakaviam-ben’ny zanak’olombelona, dia afaka nitazana ilay fizotran’ny fiainana an-tany ilay Zanaka velon’ilay Andriamanitra velona, ka nahatazana antsika amin’izao faran’ny herinandro izao ary niteny hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”24 Mirary Paska feno fitahiana sy fahasambarana ary fiadanana ho anareo. Ny zavatra rehetra tsy voambara entin’izany dia efa nefain’ilay Andrian’ny Fiadanana, izay tiako amin’ny foko manontolo, izay Fiangonany ity, ary momba Azy no ijoroako ho vavolombelona tsy misy hambahamba, dia i Jesoa Kristy Tompo, amena.