Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fotoanantsika izao!
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Fotoanantsika izao!

Nandefa antsika tety Andriamanitra, amin’izao fotoana izao, amin’izao fotoana miavaka amin’ny tantara izao.

Tamin’ny 1978 aho dia nijoro tao amin’ny kianja filalaovam-baolina iray feno mpankafy miisa 65.000. Mpifanandrina tena vaventy maromaro no nanoloana ahy izay toa hanongotra ny lohako mihitsy raha ny fijery azy. Izany no lalao voalohany nandraisako anjara tamin’ny ligy nasionalin’ny baolina amerikanina amin’ny maha-mpitarika ny fanafihana ahy, ary izahay no tompon-dakan’ny Super-Bowl tamin’io. Raha ny marina dia nanontany tena aho raha toa ka mendrika ny ho teo ambonin’ilay kianja. Nihemotra aho nanipy ny baolina tany amin’ny namako, ary raha vao navotsotro ilay baolina dia voadona mafy dia mafy tsy mbola nisy ohatr’izany aho. Tamin’izay fotoana izay aho, raha voatototr’ireo mpilalao vaventy ireo, dia nanontany tena hoe inona ary no ataoko eto. Tsy maintsy nanapa-kevitra aho. Moa ve havelako handresy ahy ny fisalasalako, sa mila manana ny risi-po sy ny tanjaka entina manohy aho?

Sary
Ilay tsipy baolina voalohany

Associated Press

Mbola tsy tsapako tamin’izany fotoana izany ny fomba hanomanan’io zavatra niainako io ahy ho amin’ny fahafahana amin’ny hoavy. Nila nianatra aho fa afaka ny ho mafy sy manana risi-po entina miatrika ny toe-javatra sarotra aho.

Mety tsy ho zava-dehibe mihoatra ny fanamby hatrehinareo ny lalao baolina. Amin’ny ankapobeny dia tsy hisy kianja feno olona mijery. Saingy hisy lanjany mandrakizay ny fanapahan-kevitra feno risi-po raisinao.

Mety hoe tsy hahatsapa tena ho afaka mandresy ilay fanamby ianao. Saingy mpanorina tsy misy tahotra ny fanjakany no fahitan’ny Ray any An-danitra antsika. Izany no antony nandefasany antsika eto mandritra izao fotoana lehibe amin’ny tantaran’izao tontolo izao izao. Fotoanantsika izao!

Henoy ny zavatra nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson fotoana fohy taorian’ny nahalasa Filohan’ny Fiangonana azy: “I Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray. Hahita famantarana mahagaga isika fa Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zananilahy dia mitantana ity tany ity amin’ny fahamboniana sy amim-boninahitra” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96).

Asa lehibe indrindra hoe? Famantarana mahagaga? Ho toy ny ahoana izany? Inona no anjara asa sahanintsika, ary ahoana no ahatakarantsika ny zavatra tokony hatao? Tsy fantatro daholo ny valiny, saingy ny fantatro dia mila ny fahavononantsika ny Tompo! Tsy mbola nanana ny lanjany lehibe toy izao ny fampiasana amim-pahamendrehana ny fisoronana.

Mino ny mpaminanin’ Andriamanitra ve isika? Afaka mahita sy manatratra ny anjarantsika ve isika? Eny, afaka isika, ary tokony hataontsika izany satria izao no fotoanantsika!

Rehefa maheno ny tantaran’ireo mpanompo maherin’ Andriamanitra izay tonga talohantsika isika, tahaka an-dry Mosesy, Maria, Môrônia, Almà, Estera, Joseph, sy ny maro hafa, dia toa olona lehibe lavitra izy ireo. Saingy tsy misy hafa amintsika izy ireo. Olona tsotra izay niatrika fanamby izy ireo. Natoky ny Tompo izy ireo. Nanao safidy tsara izy ireo tao anatin’ny fotoana sarotra. Ary, tao anatin’ny finoana an’i Jesoa Kristy no nanaovan’izy ireo ny asa notakina tamin’izy ireo tamin’ny fotoany.

Sary
Ny mpaminany Josoa

Goodsalt

Eritrereto i Josoa maherifo ao amin’ny Testamenta Taloha. Mpanaradia mahafatra-po an’i Mosesy izy, anisan’ireo mpitarika lehibe indrindra tao anatin’ny tantara. Taorian’ny nahalasana an’i Mosesy, dia an’i Josoa indray ny sehatra. Izy no hitarika ny zanak’i Isiraely ho any amin’ny tany nampanantenaina. Ahoana no ho nanaovany izany? I Josoa dia teraka sy lehibe tao anatin’ny fanandevozana tany Egypta. Tsy nanana boky torolalana izy na horonan-tsary mampianatra mba hanampy azy. Tsy nanana smartphone akory izy! Saingy nanana izao fampanantenana avy tamin’ny Tompo izao izy:

“Tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.

“Mahereza sy matanjaha” (Josoa 1:5–6).

Fony aho vao Fitopololahy vaovao sy tsy nanana traikefa dia naharay antso an-tariby maika avy tamin’ny biraon’ny Fiadidiana Voalohany, izay nangataka raha afaka misolo tena ny mpaminany aho hihaona amin’ny zatovolahy iray any amin’ny hôpitaly, teo no eo. Zach no anaran’ilay zatovolahy. Niomana ny ho mpitory ny filazantsara izy saingy niharan-doza ary naratra mafy ny lohany.

Raha teo am-pitondrana fiara ho any amin’ny hôpitaly aho dia niasa ny saiko nieritreritra izay hataoko. Iraky ny mpaminany, sao mananihany ary? Inona no hatrehiko any? Ahoana no hanampiako io zatovolahy io? Moa ve ampy ny finoako? Vavaka mafonja sy ny fahafantarako ny fananako ny fahefan’ny fisoronana masina no nanome hery ahy.

Rehefa tonga aho dia nahita an’i Zach nandry teo amin’ny fandrianan’ny hôpitaly. Nisy mpiasan’ny hôpitaly iray nijoro efa vonona hitondra azy ho any amin’ny efitrano fandidiana mba hanalan’ireo dokotera ny fanaintainana tao amin’ny atidohany. Nijery an-dreniny nitomany sy ny namana iray feno tahotra aho izay nijoro teo akaikiny, ary fantatro mazava tsara fa nila tsodranon’ny fisoronana i Zach. Vao tsy ela ilay namany no nandray ny Fisoronana Melkizedeka, koa dia nangatahiko izy mba hanampy ahy. Nahatsapa ny herin’ny fisoronana aho teo am-panomezanay ilay tsodrano tamim-panetrentena. Avy eo dia nentina haingana tany amin’ny fandidiana izy, ary nisy fahatsapana feno fiadanana nanamafy fa horaisin’ny Tompo an-tanana ny zavatra rehetra araka ny fahendreny.

Nanao fitarafana farany ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana mialoha ny hanatanterahana ny fandidiana. Akory ny fahagagan’izy ireo raha nahita fa tsy nilaina ny hanaovana fandidiana.

Rehefa nanaraka fitsaboana maromaro i Zach dia nianatra nandeha sy niresaka indray. Nahavita nanao asa fitoriana izy ary manana fianakaviana mahafinaritra izao.

Eny, tsy ho toy izany foana no ho vokany. Efa nanome tsodranon’ny fisoronana hafa tao anatin’ny finoana mitovy amin’izany aho fa tsy nanome fahasitranana tanteraka ny Tompo teto amin’ity fiainana ity. Matoky ny tanjony isika ary mamela Azy hanolotra ny vokany. Tsy afaka misafidy ny ho vokatry ny zavatra ataontsika foana isika, saingy afaka misafidy ny ho vonona hanao zavatra isika.

Mety tsy hangatahan’ny Fiadidiana Voalohany hisolo tena azy ao anatin’ny toe-javatra iray mihatra aman’aina mihitsy ianao. Saingy isika rehetra dia voantso hanao zavatra manova fiainana amin’ny maha-mpisolo tena ny Tompo antsika. Tsy handao antsika Izy. Fotoanantsika izao!

I Petera, mpitarika ny Apôstôlin’ny Tompo, dia tao anaty sambo teo an-dranomasina rehefa nahita an’i Jesoa nandeha teo ambony rano. Naniry ny ho teny Aminy izy ka hoy ny Mpamonjy hoe: “Manatona.” Tamin’ny fomba feno risi-po sy fahagagana no nialan’i Petera an’ilay sambo, izay toerana azo antoka, ary nanomboka nandeha nanatona ny Mpamonjy izy. Saingy rehefa nifantoka tamin’ilay tafio-drivotra i Petera dia nihaosa ny finoany. “Natahotra [izy], ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho! Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jeso[a], dia nandray azy” (Jereo ny Matio 14:22–33).

Sary
i Jesoa manolotra ny tanany

Rehefa mitsoka amin’ny fiainantsika ny rivotra, dia mankaiza ny fifantohantsika? Tsarovy fa misy loharano tokana foana ahazoana tanjaka sy hery. Mihinjitra ho antsika ny sandrin’i Jesoa, tahaka ny naninjirany izany tamin’i Petera. Rehefa manatona Azy isika, dia hanavotra antsika am-pitiavana Izy. Azy isika. Hoy Izy: “Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” (Isaia 43:1). Hanjaka eo amin’ny fiainanao Izy raha toa ka avelanao. Anao ny safidy. (Jereo ny Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–95.)

Rehefa ho faty i Josoa dia niangavy ny vahoakany nanao hoe: “Fidionareo anio ary izay hotompoinareo; … fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay” (Josoa 24:15). Noho ireo safidy izay nataony hanompo ny Tompo dia lasa mpitarika lehibe i Josoa tamin’ny fotoany. Ry namako malala, fotoanantsika izao! Ary ny safidy ataontsika no hamaritra ny hoavintsika (jereo ny Thomas S. Monson, “Decisions Determine Destiny” [Takariva amorom-patana an’ny Oniverisite an’i Brigham Young, 6 Nôv. 2005], speeches.byu.edu).

Fony aho eveka dia nanana teny filamatra izahay tao amin’ny paroasinay manao hoe: Ny safidy tsara dia midika hoe fahasambarana, dia fahasambarana mandrakizay. Rehefa mandalo ahy ireo tanora eo amin’ny efitra fidirana dia miteny izy ireo hoe: “Eveka, manao safidy tsara aho!” Izany no nofinofin’ny eveka!

Inona no dikan’ny hoe “safidy tsara”? Indray mandeha nisy olona nanontany an’i Jesoa hoe: “Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?” Namaly Izy hoe:

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:36–39).

Tsy fantatro aloha ny aminareo fa rehefa mamaky ireo didy lehibe roa ireo aho dia mahita anankiray fahatelo izay fonosiny: dia ny hitia ny tenanao.

Efa mba nieritreritra ny fitiavana ny tena ho didy ve ianareo? Tena afaka mitia an’ Andriamanitra sy mitia an’ireo zanany marina ve isika raha tsy tia ny tenantsika?

Nisy mpitarika feno fahendrena iray vao tsy ela nanoro hevitra lehilahy iray izay niezaka niala tamin’ny safidy manimba efa an-taonany maro. Menatra ilay rangahy sady tsy nino hoe ho mendrika ny ho tian’ny olona.

Hoy ilay mpitarika azy taminy: “Fantatry ny Tompo ianao, tiany ianao, ary faly aminao sy ireo dingana feno risi-po ataonao Izy.” Saingy nampiany hoe: “Mila mihaino ilay didy ny hitia ny tenanao ianao mba hahafahanao mahatsapa ny fitiavan’ [Andriamanitra] sy hitia ny hafa.”

Rehefa nandre izany torohevitra izany io rahalahy io dia nahita ny fiainana tamin’ny fomba fijery vaovao. Hoy izy taty aoriana: “Niezaka nikatsaka fiadanana sy fitiavana no nandaniako ny fiainako manontolo. Efa nitady ireo zavatra ireo tany amin’ny toerana diso maro aho. Tao amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy irery ihany no nahitako fampiononana. Fantatro fa tian’ Izy Ireo ho tia ny tenako aho, izany marina tokoa no hany fomba ahafahako mahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo ahy.”

Tian’ny Raintsika any An-danitra hitia ny tenantsika isika, tsy hoe ho lasa miavonavona na tia tena, fa hahita ny tenantsika tahaka ny fahitany antsika: zanaka maminy isika. Rehefa mamaka lalina ao am-pontsika io fahamarinana io dia mihamitombo ny fitiavantsika an’ Andriamanitra. Rehefa mijery ny tenantsika amim-panajana tokoa isika dia misokatra ny fontsika mba hitondra ny hafa toy izany ihany koa. Rehefa mahatakatra ny lanjantsika isika dia hahatakatra kokoa ilay fahamarinany masina hoe: nandefa antsika tety Andriamanitra, amin’izao fotoana izao, amin’izao fotoana miavaka amin’ny tantara izao mba hahafahantsika manao izay tsara indrindra azo atao amin’ireo talenta sy fanomezam-pahasoavana nomeny antsika. Fotoanantsika izao! (Jereo ny Russell M Nelson, “Becoming True Millennials” [fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 10 jan. 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Nampianatra i Joseph Smith fa “efa nandrandrain’[ireo mpaminany rehetra, tamin’ny fotoana rehetra] tamim-pifaliana tokoa ny vaninandro izay iainantsika izao; … nihira izy ireo ary nanoratra sy naminany ity androntsika ity; … isika no olona niavaka nosafidian’ Andriamanitra hitondra ny voninahitry ny andro farany.” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 186).

Rehefa miatrika ireo fanamby isan’andro ianareo dia tsarovy izao fanomezan-toky nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland izao: “Betsaka no mitambesatra eo an-tsorotsika, saingy ho traikefa be voninahitra sy mahomby izany. … Efa nambara sahady ny fandresena amin’ity ady farany ity. Efa ao anatin’ny boky firaketana ny fandresena … , dia ny soratra masina!” (“Be Not Afraid, Only Believe” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 6 feb. 2015], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Amin’izao faran’ny herinandron’ny Paska mahafinaritra izao dia te hanolotra fanasana aho ny hivavahantsika rehetra mba hahafantarana sy hanekena ny anjara asan’ny tsirairay eto am-piomanana ho amin’ilay andro feno voninahitra hiverenan’ny Mpamonjy indray. Tia antsika mihoatra noho izay mety ho takatsika ny Tompo, ary hamaly ny vavaka ataontsika Izy! Na eny amin’ny kianja filalaovam-baolina isika na eo am-pandrianan’ny hôpitaly, na any amin’ny toerana hafa, dia afaka ny ho isan’izany zava-mitranga mahatalanjona izany isika, satria fotoanantsika izao! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.