Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Hody fifaliana ny alahelontsika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Hody fifaliana ny alahelontsika

Manasa ireo rehetra izay mahatsapa alahelo, ireo rehetra izay manontany tena mikasika ny zavatra mitranga aorian’ny fahafatesantsika aho mba hametraka ny finoany amin’i Jesoa Kristy.

Taona maro lasa izay, raha nanatrika fivoriana tao Salt Lake City aho, dia niarahaba ahy ny mpaminany malalantsika, Russell M. Nelson. Hoy izy nanontany ahy tamin’ilay fombany feno fitiavana sy manokana fanaony matetika hoe: “Mark a, manao ahoana ny reninao?”

Nolazaiko azy fa niaraka tamin’ny reniko tany an-tranony tany Nouvelle Zélande aho tamin’ny fiandohan’io herinandro io ary efa mihamahazo taona izy, fa feno finoana ary hery nitaona ireo rehetra izay nahafantatra azy izy.

Dia hoy izy avy eo hoe: “Mba ampitao aminy ny fitiavako azy … dia lazao azy fa tsy andriko ny fotoana hahitako azy indray.”

Somary gaga aho no nanontany hoe: “Fa efa niomana ny ho any Nouvelle Zélande angaha ianao ato ho ato?”

Novaliany tamim-pahatsoram-po voadinika tsara hoe: “Tsia ka, fa hahita azy aho any amin’ny fiainana ho avy.”

Tsy niteniteny foana akory izy tamin’ny valinteny nomeny. Filazana ny zava-misy tamin’ny fomba voajanahary tanteraka izany. Tamin’izay fotoana manokana sy tsy tandritandrina izay no nandrenesako sy nahatsapako fijoroana ho vavolombelona madio avy tamina mpaminany velona iray fa mitohy ny fiainana aorian’ny fahafatesana.

Amin’ity fihaonambe mandritra ny faran’ny herinandro ity dia hahare apôstôly sy mpaminany velona ianareo hijoro ho vavolombelona momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. “Ny fitsipika fototry ny finoanay dia ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Jesoa Kristy, izay milaza fa maty sy nalevina Izy, nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo, … ary ireo zavatra hafa mikasika ny finoanay dia fanampin’izany [fahamarinana izany] fotsiny ihany.”1 Mampanantena aho fa rehefa mihaino amin’ny finiavana marina ianareo dia hanamafy ao an-tsainareo sy ao am-ponareo ny fahamarinan’ireo fijoroana ho vavolombelona ireo ny Fanahy.2

Niova mandrakizay ireo Apôstôlin’i Jesoa fahiny taorian’ny nisehoany tamin’izy ireo taorian’ny nahafatesany. Nahita mivantana ny folo tamin’izy ireo fa nitsangana tamin’ny maty Izy. I Tomasy izay tsy teo tamin’ny voalohany dia nanambara hoe: “Raha tsy hitako … dia tsy mba hino aho.”3 Nananatra an’i Tomasy i Jesoa taty aoriana hoe “aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa.”4 Avy eo ny Tompo dia nampianatra ny anjara asa fototry ny finoana: “Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.”5

Nomen’ilay Tompo efa nitsangana tamin’ny maty andraikitra hijoro ho vavolombelona momba Azy ireo Apôstôliny. Mahakasika ireo Apôstôly velona ankehitriny, dia navelan’izy ireo ireo asa araka izao tontolo izao ary mandany ny androm-piainany sisa izy ireo hanambarana amim-pahasahiana fa nanangana io Jesoa io tamin’ny maty Andriamanitra. Nitarika olona an’arivony hanaiky ilay fanasana hatao batisa ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nataon’izy ireo.6

Manan-danja lehibe amin’ny maha-kristianina rehetra ny hafatra feno voninahitry ny marainan’ny Paska. Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, ka noho izany, isika koa dia ho velona indray aorian’ny hahafatesantsika. Izany fahalalana izany dia mampisy dikany sy tanjona ny fiainantsika. Raha mandroso amim-pinoana isika dia hiova mandrakizay tahaka ireo Apôstôly fahiny. Isika, tahaka azy ireo, dia ho afaka ny hiaritra izay mety ho zava-tsarotra miseho miaraka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Io finoana io koa dia mahatonga antsika hanantena fotoana iray izay “[hampodiana ny alahelontsika ho] fifaliana.”7

Ny finoako manokana dia niandoha taorian’ny fotoana iray nisian’ny alahelo.

Mpiompy ondry tao Nouvelle Zélande ny raiko sy ny reniko.8 Nankafy ny fiainany izy ireo. Fony izy ireo mpivady vao herotrerony dia nahazo zanaka vavy kely anankitelo izy ireo. Ann no anaran’ny zandriny indrindra tamin’izy ireo. Indray andro raha niara-nanao fialan-tsasatra tany amin’ny farihy iray izy ireo, dia nidaikadaika niala teo i Ann izay 17 volana. Taorian’ny minitra maro nikarohana azy fatratra dia hita efa tsy nisy aina intsony tao anaty rano izy.

Niteraka alahelo tsy hay lazaina io nofy ratsy io. Nanoratra i Dada taty aoriana fa tsy hita teo amin’ny fiainan’izy ireo intsony ireo fotoana niarahana nihomehy sasantsasany. Niteraka faniriana lalina hahazo ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana koa izany hoe: “Inona no hitranga amin’i Ann izay tena sarobidy aminay? Mbola hahita azy indray ve izahay? Ahoana no ahafahan’ny fianakavianay ho faly indray?

Taona maromaro taty aorian’io loza mahatsiravina io dia nisy misiônera tanora anankiroa avy ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tonga tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompianay. Nanomboka nampianatra ireo fahamarinana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly izy ireo. Tafiditra tao anatin’ireo fahamarinana ireo ny fahazoanay antoka fa mipetraka any amin’ny tontolon’ny fanahy i Ann amin’izao fotoana izao. Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty ihany koa izy. Nampianatra izy ireo fa mbola tafaverina tamin’ny laoniny teto an-tany indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ary ahitana mpaminany velona sy Apôstôly roa ambin’ny folo. Ary izy ireo dia nampianatra ilay fotopampianarana tsy manan-tsahala sy miavaka fa afaka ny hofehezina hiaraka mandrakizay ny fianakaviana amin’ny alalan’ilay fahefan’ny fahefan’ny fisoronana izay nomen’i Jesoa Kristy an’i Petera lehiben’ireo Apôstôliny.9

Avy hatrany i Neny dia nahafantatra ny fahamarinana ary nahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy. I Dada kosa nefa dia sahirana mafy nandray fanapahan-kevitra ny taona manarak’izay satria sady nisalasala no nahazo fitaomam-panahy. Tsy vonona ny hanova ny fomba fiainany ihany koa izy. Indray maraina taorian’ny alina tsy nahitan-tory, teo am-pivezivezeny tao an-trano, dia nitodika tany amin’i Neny izy ary niteny hoe: “Anio aho no tokony hatao batisa fa raha tsy izay dia tsy ho vita intsony.”

Nolazain’i Neny an’ireo misiônera ny zavatra nitranga, dia tsapan’izy ireo avy hatrany ilay finoana nitsilopilopy nananan’ny raiko izay na ho velona na hirehitra na ho faty tamin’izay fotoana izay.

Nandeha tany amin’ny morontsiraka akaiky indrindra ny fianakavianay tamin’io maraina io. Tsy nahafantatra ny zavatra nitranga, izahay ankizy dia nitsangantsangana teny amin’ireo tora-pasika raha toa kosa ka nitarika ireo ray aman-dreniko niroboka tao amin’ny ranomasina ry Elder Boyd Green sy Gary Sheffield ary nanao batisa azy ireo. Nanao asa amim-pinoana fanampiny i Dada ka nanolo-tena mangingina tamin’ny Tompo fa na inona na inona mitranga dia tsy hivadika mihitsy amin’ireo fampanantenana nataony izy mandritra ny androm-piainany.

Herintaona taty aoriana dia nisy tempoly iray notokanana tao Hamilton, Nouvelle Zélande. Fotoana fohy taorian’izay dia nandohalika manodidina ilay alitara tao amin’izany trano masin’ny Tompo izany ny fianakavianay, niaraka tamin’ny olona iray nisolo tena an’i Ann. Tao izahay no nofehezina tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana mba ho fianakaviana mandrakizay tamin’ny alalan’ny ordônansy iray tsotra sy kanto. Nitondra fiadanana sy fifaliana lehibe izany.

Taona maro taty aoriana dia nilaza tamiko i Dada fa raha tsy nisy ilay fahafatesan’i Ann tena nampalahelo, dia tsy ho ampy mihitsy ny fanetrentena nananany mba hanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ny Fanahin’ny Tompo anefa dia nametraka tsikelikely fanantenana fa marina ny zavatra nampianarin’ireo misiônera. Nihanitombo hatrany ny finoan’ny ray aman-dreniko mandra-piredaredan’ny afon’ny fijoroana ho vavolombelona tao anatin’izy ireo izay nitarika tsimoramora sy tamim-panetrentena ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin’izy ireo teo amin’ny fiainana.

Ho feno fankasitrahana mandrakariva aho noho ny ohatra nasehon’ireo ray aman-dreniko ho an’ny taranaka hoavy. Tsy hay tanisaina ny isan’ireo fiainana niova mandrakizay noho ny asa nataon’izy ireo tamim-pinoana ho setrin’ny alahelo lalina nianjady taminy.

Asao ireo rehetra izay mahatsapa alahelo, ireo rehetra mitolona amin’ny fisalasalana, ireo rehetra izay manontany mikasika ny zavatra mitranga aorian’ny fahafatesantsika, mba hametraka ny finoany amin’i Jesoa Kristy. Mampanantena aho fa raha maniry ny hino ianareo, ary avy eo manao asa amim-pinoana sy manaraka ny bitsiky ny Fanahy, dia hahita fifaliana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny tontolo ho avy.

Andrandraiko fatratra ny andro hihaonako amin’i Ann anabaviko. Andrandraiko ny fihaonana amim-pifaliana amin’ny raiko, izay nodimandry 30 taona mahery lasa izay. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fifaliana ho azo rehefa miaina amim-pinoana, rehefa mino nefa tsy mahita kanefa mahafantatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa velona i Jesoa Kristy. Amin’ny foko sy ny fanahiko rehetra no hisafidianako hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Mitahy ny lafim-piainako rehetra izany. Fantatro fa i Jesoa no ilay Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, ny Mpamonjintsika sy Mpanavotra antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 49.

  2. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2.

  3. Jaona 20:25. “Efa mahazatra eto amin’ity tontolo laika misy antsika ity ny milaza hoe -tsy mino raha tsy mahita.- Ny fomban’ny Tompo dia voafaritra amin’ny fomba tsara indrindra amin’ny fitsipika fototra iray hafa hoe: -Rehefa mino dia mahita.- Ny finoana ny Tompo no fototra iaingana fa tsy zavatra iafarana” (Lance B. Wickman, “But If Not,” Liahona, nôv. 2002, 31).

  4. Jaona 20:27.

  5. Jaona 20:29; nampiana fanamafisana.

  6. Jereo ny Asan’ny Apostoly 2.

  7. Jaona 16:20.

  8. I Kenneth Molony Palmer sy Jill Garlick Palmer.

  9. Jereo ny Matio 16:19.