Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy

Ao amin’ny tempoly no ahafahantsika mahazo antoka ny amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mifono fitiavana izay hitohy aorian’ny fahafatesana sy haharitra mandrakizay.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo amin’ity fivoriana voalohan’ny Fihaonambe maneran-tany ity. Ireo mpandahateny, ny hira sy ny vavaka dia nitondra Fanahy—indrindra fa ny fahatsapana fahazavana sy fanantenana.

Izany fahatsapana izany dia nampahatsiahy ahy ny andro voalohany nankanesako tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake. Mbola zatovolahy aho tamin’izay. Ny ray aman-dreniko no hany namako tamin’io andro io. Rehefa tao anatiny dia somary nijanona kely izy ireo noharahabain’ireo mpiasan’ny tempoly. Nandeha nialoha lalana azy ireo aho, izaho irery tanaty fotoana vitsy.

Noharahabain’ny ramatoa fohy fotsy volo izay aho izay nanao akanjon’ny tempoly fotsy tsara tarehy. Nandinika ahy izy, nitsiky ary niteny moramora hoe: “Tongasoa ato amin’ny Tempoly ianao ry Rahalahy Eyring.” Nieritreritra kely vetivety aho hoe anjely izy satria nahafantatra ny anarako. Tsy tonga saina aho hoe nisy karatra kely nisy ny anarako nipetaka teo ivelan’ny palitaoko.

Nihoarako izy ary nijanona aho. Nitraka aho nijery ny tafotrano fotsy ambony izay nahatonga ilay efitrano hazava toy ireny hoe efa hisokatra ho an’ny lanitra ireny. Ary tao anatin’ny fotoana fohy dia tonga tao an-tsaiko tamin’ny teny mazava tsara ireto teny ireto: “Efa teto amin’ito toerana mazava ito aho taloha.” Saingy teo no ho eo dia tonga toa an-tsaiko fa tsy tamin’ny feoko ireto teny ireto hoe: “Tsia, tsy mbola teto izany mihitsy ianao taloha. Ilay fotoana talohan’ny nahaterahanao no tsaroanao. Tany amina toerana masina iray toa an’ity ianao.”

Eo ivelan’ny tempolintsika no hametahantsika ny teny hoe: “Hamasinina ho an’ny Tompo.” Fantatro raha izaho manokana fa marina ireo teny ireo. Toerana masina ny tempoly izay andraisantsika fanambarana mora foana raha toa ny fontsika ka misokatra ho an’izany ary raha toa isika ka mendrika izany.

Taoriana kely tamin’io andro voalohany io dia mbola nahatsapa io fanahy io ihany aho. Ny fotoam-pivavahana tao amin’ny tempoly dia nahitana ireo teny sasantsasany izay nitondra fihetseham-po nanafana ny tao am-poko, izay nanamafy fa ny zavatra izay naseho an-tsary dia marina. Zavatra natao ho an’ny tenako manokana mikasika ny hoaviko no tsapako ary lasa tanteraka izany 40 taona taty aoriana tamin’ny alalan’ny antso mba hanompo avy amin’ny Tompo.

Niaina fahatsapana nitovy tamin’izany aho fony aho nanambady tany amin’ny Tempolin’i Logan Utah. Ny Filoha Spencer W. Kimball no nanao ny famehezana. Niteny tamin’ny teny fohy izy ary nanome ity torohevitra ity hoe: “Ry Hal sy Kathy, manàna fiainana toy ny hoe rehefa tonga ny antso dia ho afaka handeha mora foana ianareo.”

Rehefa nilaza an’ireo teny fohy ireo izy dia hitako tsara tao an-tsaiko tamin’ny loko mazava ny tendrombohitra iray mideza sy ny lalana iray mitondra mankeny an-tampon’izany. Nisy fefy fotsifotsy avy eo amin’ny ankavian-dalana izay takona ao ambadiky ny hazo mitandahatra rehefa mahazo ny tampon’ilay havoana. Nisy trano fotsifotsy iray zara raha tazana ao ambadik’ireo hazo.

Herintaona taty aoriana dia tsikaritro io tendrombohitra io rehefa nitondra anay tamin’izany lalana miakatra izany ny rafozan-dahiko. Tena ny antsipirian’ny zavatra hitako tamin’ny Filoha Kimball nanome ny toroheviny tao amin’ny tempoly no hitako.

Rehefa tonga teo an-tampon’ilay tendrombohitra izahay dia nijanona teo amin’ilay trano fotsy ny rafozan-dahiko. Nilaza taminay izy fa novidian’izy mivady ilay trano ary tian’izy ireo raha izaho sy ny zanany vavy no hipetraka ao amin’ilay trano kely fandraisam-bahiny. Izy ireo dia hipetraka ao amin’ny trano lehibe, tsy lavitra an’io. Noho izany, nandritra ny 10 taona nonenanay tao anatin’izany fananam-pianakaviana mahafinaritra izany dia miteny foana izahay sy ny vadiko efa ho isan’andro hoe: “Mila ankafizintsika ity satria tsy hitoetra ela eto isika.”

Nisy antso tonga avy tamin’i Neal A. Maxwell, tompon’andraikitry ny fampianarana an’ny Fiangonana. Ny fampitandremana nataon’ny Filoha Kimball mba ho “afaka handeha mora foana” dia lasa tanteraka. Izany dia antso hiala amin’ny toe-javatra izay toa mahafinaritra anao manokana mba hanompo amina andraikitra any amin’ny toerana izay tsy misy zavatra fantatro akory. Vonona nandao izany fotoana sy toerana nitondra fitahiana izany ny fianakavianay satria ny mpaminany iray tao amin’ny tempoly masina iray, izay toeran’ny fanambarana dia nahita zava-mitranga amin’ny hoavy izay nanomanana anay tamin’izany.

Fantatro fa ireo tempolin’ny Tompo dia toerana masina. Ny tanjoko amin’ny firesahana mikasika ny tempoly androany dia ny mba hampitomboana ny fanirianao sy ny ahy ho mendrika sy ho vonona amin’ireo fahafahana maro hahazoana ireo traikefan’ny tempoly izay ho tonga amintsika.

Ho ahy, ny antony lehibe indrindra manosika ahy ho mendrika ny hahazo traikefa momba ny tempoly dia ireo zavatra voalazan’ny Tompo mikasika ireo tranony masina:

“Ary raha toa ka manorina trano ho Ahy amin’ny anaran’ny Tompo ny oloko ary tsy mamela zavatra tsy madio hiditra izany mba tsy haloto izany, dia hitoetra amin’izany ny voninahitro;

“Eny, hanatrika ao Aho satria hiditra ao Aho, ary ny madio am-po rehetra izay hiditra ao dia hahita an’ Andriamanitra.

“Fa raha maloto izany, dia tsy hiditra ao Aho ary tsy ho ao ny voninahitro; fa tsy hiditra ao amin’ny tempoly tsy madio Aho.”1

Nohazavain’ny Filoha Russell M. Nelson mazava tsara tamintsika fa isika dia afaka “mahita” ny Mpamonjy ao amin’ny tempoly amin’ny fomba izay hahatonga Azy tsy ho vahiny amintsika intsony. Niteny an’izao ny Filoha Nelson hoe: “Ho fantatsika Izy. Ho takatsika ny asany sy ny voninahiny. Ary hanomboka ho tsapatsika ny fiantraikany tsy misy fetran’ny fiainany tsy manam-paharoa.”2

Raha toa izaho na ianao ka tsy madio tsara rehefa mankany amin’ny tempoly, dia tsy ho afaka ny hahita ny fampianarana ara-panahy mikasika ny Mpamonjy, izay raisintsika any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Rehefa mendrika ny handray izany fampianarana izany isika dia afaka hitombo amin’ny alalan’ny traikefantsika ao amin’ny tempoly ny fanantenana sy ny fifaliana ary ny fananana fijery tsara mandritra ny androm-piainantsika. Izany fanantenana sy fifaliana ary fijery tsara izany dia tsy ho azontsika raha tsy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy tanterahina ao amin’ny tempoly masina irery ihany. Ao amin’ny tempoly no ahafahantsika mahazo antoka ny amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mifono fitiavana izay hitohy aorian’ny fahafatesana sy haharitra mandrakizay.

Taona maro lasa izay, fony aho eveka dia nisy zatovolahy iray nandà ny fanasako mba ho mendrika ny hiaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra sy ny fianakaviana. Notantarainy tamiko tamin’ny fomba feno fahatezerana ireo fotoana nahafinaritra niarahany tamin’ireo namany. Navelako niteny izy. Avy eo izy nilaza tamiko mikasika ny fotoana iray nandritra ny fety nataony, tao anatina tabataba izay nahatsapany tampoka hoe irery izy. Nanontaniako azy izay zava-nitranga. Nilaza izy fa nahatsiaro ny fotoana niainany tamin’izy mbola zazalahy kely, izay nipetrahany teo am-pofoan-dreniny sy ny namihinan-dreniny azy. Nitomany kely izy nandritra ny fotoana fohy nilazany an’izany tantara izany. Nolazaiko taminy ny zavatra izay fantatro fa marina: “Ny hany fomba hahafahanao manana izany fahatsapana fianakaviana mamihina mandrakizay izany dia ny fiezahanao ho mendrika sy ny fanampianao ny hafa handray ireo ôrdônansin’ny famehezana ao amin’ny tempoly.”

Tsy haintsika ny antsipirian’ireo fifandraisana misy amin’ny fianakaviana any amin’ny tontolon’ny fanahy na izay mety hitranga aorian’ny fitsanganantsika amin’ny maty. Saingy haintsika tsara fa ny mpaminany Elia dia tonga araka ny nampanantenaina mba hampitodika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray.3 Ary fantatsika fa ny fahasambarantsika mandrakizay dia miankina amin’izay tsara indrindra vitantsika amin’ny fanomezana izany fahasambarana maharitra izany ho an’ireo havantsika maro arak’izay vitantsika.

Mahatsapa faniriana ny hahomby tahaka izany aho amin’ny fanasana ireo olona velona ao anatin’ny fianakaviana ny ho mendrika ny handray sy hanaja ireo ôrdônansin’ny famehezana ao amin’ny tempoly. Izany no ampahany ao anatin’ny fampanantenana ny amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly amin’izao andro farany izao.

Anisan’ny fahafahana lehibe iray ananantsika ny fotoana maha-mbola kely an’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika. Manana ny Fahazavan’i Kristy ho toy ny fanomezam-pahasoavana izy ireo tamin’ny fahaterahany. Manampy azy ireo izany hahatsapa ny atao hoe tsara sy ratsy. Noho izany antony izany, na dia ny fahitan’izy ireo tempoly na sarina tempoly dia afaka hamboly ao aminy faniriana ny hiditra ao anatin’izany indray andro any.

Avy eo dia ho tonga ny andro, rehefa zatovo izy ireo, hahazoany fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanatanterahana batisa isoloana tena any amin’ny tempoly. Amin’ny alalan’izany traikefa izany dia afaka ny hitombo ny fahatsapana ananan’izy ireo fa ny ôrdônansin’ny tempoly dia manondro lalandava mankany amin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Rehefa tsapan’izy ireo fa manome fahafahana ho an’ny olona iray ao amin’ny tontolon’ny fanahy izy ireo mba ho voadio amin’ny fahotana, dia hitombo ny fahatsapan’izy ireo hoe manampy ny Mpamonjy amin’ny asany masina amin’ny fitahiana ny zanaky ny Raintsika any An-danitra iray.

Efa hitako ny herin’io traikefa io nanova ny fiainan’ny zatovo iray. Taona maro lasa izay dia niaraka tamin’ny zanakavavy iray tany amin’ny tempoly aho ka efa taratara tamin’ny tolakandro tamin’izay. Izy no farany natao ho mpisolo tena tao amin’ny toerana fanaovana batisa. Nanontaniana ilay zanako vavy raha toa izy mbola afaka mijanona elaela hamita ny ôrdônansin’ireo olona rehetra izay efa nanomanana anarana. Nanaiky izy.

Nijery ny fidiran’ny zanako vavy tao amin’ny fitoeran-drano fanaovana batisa aho. Nanomboka ny batisa. Feno rano nikoriana ny tarehin’ilay zanako vavy kely isaky ny nivoaka avy tao amin’ny rano izy. Nanontaniana foana izy hoe, “Mbola afaka manao fanampiny ve ianao?” Nanaiky foana izy.

Amin’ny maha-ray be fiahiahiana ahy dia nanomboka nanantena aho fa efa mba afaka mandà ny tsy hanao intsony izy. Saingy tsaroako foana ilay izy hentitra tsara rehefa nanontaniana raha mbola afaka ny hanao fanampiny ka namaly tamin’ny feo kely feno fahavononana hoe “Eny.” Nijanona tao izy tamin’io andro io nandra-pahazon’ilay olona farany indrindra tanaty lisitra ny fitahian’ny batisa tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Rehefa nivoaka ny tempoly niaraka taminy aho ny alin’io dia talanjona tamin’ny zavatra izay hitako. Nisy zaza iray izay nasandratra sy niova teo imasoko tamin’ny alalan’ny fanompoana ny Tompo tao amin’ny tranony. Mbola tsaroako ny fahatsapana fahazavana sy fiadanana rehefa niara-niala ny tempoly izahay.

Nandeha teny ny fotoana. Mbola manohy miteny “eny” izy amin’ireo fanontaniana izay apetraky ny Tompo aminy raha toa izy mbola hanao zavatra fanampiny ho Azy na dia sarotra aza izany. Izany no vitan’ny asa atao any amin’ny tempoly ho antsika mba hanovana sy hanandratana antsika. Izany no antony mahatonga ny fanantenako ho anareo sy ireo havan-tianareo mba hitombo ny fanirianareo sy ny fahavononanareo ho mendrika ny handeha any amin’ny tranon’ny Tompo matetika araka izay tratranareo.

Te handray anareo ao Izy. Mivavaka aho ny mba hiezahanareo hatao ny hamboly ao am-pon’ireo zanaky ny Ray any An-danitra ny faniriana handeha ho any, izay toerana ahafahan’izy ireo mahatsiaro ho akaiky Azy, ary mba hanasanareo ihany koa ireo razambenareo mba ho mendrika ny hiaraka Aminy sy hiaraka aminareo mandrakizay.

Afaka ho antsika ireto teny ireto hoe:

Mahita ny tempoly

No mahafinaritra ahy.

Maniry ny ho any aho,

Hahatsapa ny Fanahy.

Satria ao ny tranon’ilay Ray,

Zay soa sy feno fitia.

Ka miomana aho dieny izao.

Fa izay no adidiko ety.4

Mijoro ho vavolombelona amim-pahamatorana aho fa isika dia zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana. Nisafidy an’i Jesoa Kristy Zanany Malala Izy ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Ny hany fomba tokana hahafahana miverina miara-miaina amin’ Izy Ireo sy ireo fianakaviantsika dia amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly masina. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Russell M. Nelson dia mihazona sy mampiasa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana izay mahatonga ny zanak’ Andriamanitra rehetra afaka hahazo ny fiainana mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.