Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Eo anivontsika Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Eo anivontsika Andriamanitra

Eo anivontsika Andriamanitra, eny Izy dia miahy manokana ny fiainantsika ary mitarika tokoa ireo zanany.

Efa hatry ny ela teo amin’ny tantara no niresahan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpaminany, mpanompony.1 Androany maraina dia nanana tombontsoa isika nihaino ny mpaminanin’ Andriamanitra niresaka tamin’izao tontolo izao. Tianay ianao ry Filoha Nelson ary mamporisika ny rehetra na aiza na aiza aho handalina sy hihaino ny teninao.

Talohan’ny nahatratrarako ny faha-12 taonako dia indroa ny fianakaviako no voatery nitsoaka niala ny fonenanay ka namerina nanorim-ponenana teo anivon’ny korontana, ny tahotra ary ny ahiahy nateraky ny ady sy ny fizarazarana ara-pôlitika. Fotoana nampatahotra ahy izany saingy ho an’ireo ray aman-dreny malalako dia tena tsy maintsy nampihorohoro azy ireo izany.

Ampahany kely tamin’ny vesatra nobaben’ny ray aman-dreniko ihany no nozarain’izy ireo taminay zanany efatra. Nozakain’izy ireo araka izay vitan’izy ireo ny fahoriana sy ny fijaliana. Tena tsy maintsy nampahory ny tahotra tsapan’izy ireo ka nandany ny fotoan’izy ireo sy nampihena ny fanantenan’izy ireo.

Nisy fiantraikany lehibe teo amin’izao tontolo izao io fotoan’ny fahaverezam-panantenana taorian’ny Ady Lehibe Faharoa io. Namela takaitra teo amiko izany.

Tamin’izany, dia tao anatin’ireo fotoana nahatsapako ho irery indrindra aho no matetika nanontany tena hoe: “Mba misy sombim-panantenana tavela ve eto amin’izao tontolo izao?”

Ireo anjely eo anivontsika

Rehefa nandinika io fanontaniana io aho dia nieritreritra momba ireo misiônerantsika izay tanora amerikana nanompo tany aminay nandritra ireny taona ireny. Nandao ny fandriam-pahalemana niainany tao an-tokantranony tany lavitra avy tany izy ireo hankany Alemana, tanin’ny fahavalon’izy ireo vao tsy ela, mba hanome fanantenana avy amin’ Andriamanitra ho an’ny vahoakanay. Tsy ny hanome tsiny, na handevilevy, na hampitsanga-menatra anay no nahatongavan’izy ireo. Nomen’izy ireo tamin’ny fo ny fahatanoran’izy ireo, tsy tamim-piandrandrana valisoa eto an-tany, fa tamin’ny finiavana ny hanampy ny hafa hahita ny fifaliana sy ny fiadanana izay niainan’izy ireo ihany.

Tamiko dia tonga lafatra ireny tanora lahy sy vavy ireny. Azoko antoka fa nanana fahalemena izy ireo saingy tsy hitako izany. Olona mendri-piderana foana no hiheverako azy ireo, eny, anjelin’ny fahazavana sy voninahitra, mpizara fangorahana sy hatsarana ary fahamarinana.

Raha notambesaran’ny fiahiahiana, fahatezerana, sy fankahalana ary tahotra izao tontolo izao, ny ohatra nasehon’ireo tanora ireo sy ny fampianaran’izy ireo dia nameno fanantenana ny fiainako. Nihoatra lavitra ny pôlitika, ny tantara, ny lonilony, ny fahasosorana, sy ny alahelo ary ny zavatra katsahin’ny tena manokana ny hafatry ny filazantsara nozarain’izy ireo. Nitondra valiny avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo fanontaniana nanananay nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny izany.

Ilay hafatra dia ny hoe velona Andriamanitra ary niraharaha anay, eny na dia tao anatin’ireny fotoana nisian’ny korontana, sy ny safotofoto ary savorovoro ireny aza. Tena niseho tokoa Izy tamin’izao androntsika izao mba hamerina fahamarinana sy fahazavana amin’ny laoniny, ny filazantsarany sy ny Fiangonany. Miresaka amin’ireo mpaminany indray Izy; eo anivontsika Andriamanitra, eny Izy dia miahy manokana ny fiainantsika ary mitarika tokoa ireo zanany.

Mahagaga ny zavatra azontsika ianarana rehefa mandinika akaiky kokoa ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana ary ny drafitry ny fahasambarana ho an’ireo zanany isika. Rehefa mahatsapa tena ho tsinontsinona, sy voailika ary hadino isika dia mianatra isika fa afaka mahazo toky fa tsy nanadino antsika Andriamanitra; raha ny marina dia manome ireo zanany rehetra zavatra tsy hain’ny saina takarina Izy: dia ny ho lasa “sady mpandova an’ Andriamanitra, no mpiray lova amin’i Kristy.”2

Inona no dikan’izany?

Izany dia midika fa hiaina mandrakizay isika, handray ny fahafenoan’ny fifaliana,3 ary hanana fahafahana ny “handova ireo fiandrianana, fanjakana, fanapahana sy hery.”4

Mampanetry tena tokoa ny mahafantatra fa ho to izany hoavy mamirapiratra sy masina izany, tsy noho ny amintsika fa noho Andriamanitra.

Koa raha fantatsika ary izany dia ahoana no mbola himenomenomantsika na mbola hahafeno hatezerana antsika? Ahoana no mbola hitanondrehantsika kanefa ilay Mpanjakan’ny mpanjaka dia manasa antsika hanainga ho amin’ny hoavy heniky ny hasambarana avy amin’ Andriamanitra izay tsy hain’ny saina takarina?5

Eo anivontsika ny famonjena

Noho ny fitiavana tonga lafatra ananan’ Andriamanitra ho antsika sy ny sorona mandrakizay nataon’i Jesoa Kristy, dia afaka ny ho voafafa sy tsy hotsaroina intsony ireo fahotana lehibe sy bitika nataontsika.6 Afaka mijoro madio sy mendrika ary masina eo anatrehany isika.

Safononoky ny fankasitrahana ho an’ny Raintsika any An-danitra ny foko. Takatro fa tsy nandahatra ireo zanany Izy mba hitolona sy hiaina fahasarotana ety an-tany tsy ombam-panantenana ho ana hoavy mamiratra sy mandrakizay. Nanome torolalana izay manambara ny lalana miverina any Aminy Izy. Ary i Jesoa Kristy Zanaka Malalany,7 sy ny sorona nataony ho antsika no ivon’izany rehetra izany.

Ny Sorompanavotana tsisy fetra nataon’ny Mpamonjy dia manova tanteraka ny fomba fijerintsika ny fandikan-dalantsika sy ny tsy fahatanterahantsika. Afaka mianatra avy amin’izy ireny isika ka ho feno fanantenana toy izay hitanondrika ao amin’izy ireny ka hahatsapa ho tsy azo havotana na very fanantenana.8 Ny fanomezana manadion’ny fibebahana dia manafaka antsika hamela any amin’ny lasa ireo fahotantsika ka ho tonga olom-baovao isika.9

Noho i Jesoa Kristy, ireo tsy fahombiazantsika dia tsy voatery hamaritra antsika. Afaka manefy antsika izy ireny.

Tahaka ny mpanao mozika izay manao fanazarana mitendry, ireo fahadisoana sy fahalemena ary ireo fahotantsika dia azontsika raisina ho toy ny fahafahana hahafantatra kokoa ny tenantsika, hanana fitiavana lalindalina sy tsy mihatsaravelatsihy kokoa ho an’ny hafa ary ho fanefena antsika amin’ny alalan’ny fibebahana.

Raha mibebaka isika dia tsy manala antsika an-daharana ny fahadisoana vitantsika. Ao anatin’ny fivoarantsika izy ireny.

Zazakely avokoa isika raha oharina amin’ireo olona be voninahitra izay natao hahatongavantsika. Tsy misy olona hivoatra avy amin’ny fandadizana ho amin’ny fandehanana sy hahay hihazakazaka ka tsy hianjera sy ho tafintohina ary haratra matetika. Izany no fomba ianarantsika.

Raha mitozo manazatra tena amim-paharisihana isika, milofo mandrakariva ny hitandrina ireo didin’ Andriamanitra ary mampifantoka ireo ezaka ataontsika amin’ny fibebahana, sy ny faharetana ary ny fampiharana izay ianarantsika, fitsipika anampy fitsipika, dia hanangona hazavana ho an’ny tenantsika isika.10 Ary na dia mety tsy takatsika tanteraka aza amin’izao fotoana izao ilay hery lehibe anaty ananantsika dia “fantatsika fa raha hiseho [ny Mpamonjy],” dia ho hitantsika eo amintsika ny endriny, ka “ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.”11

Fampanantenana lehibe tokoa izany!

Eny, misafotofoto izao tontolo izao. Ary marina fa manana fahalemena isika. Saingy tsy mila mitanondrika ao amin’ny fahaverezam-panantenana isika satria afaka matoky an’ Andriamanitra, sy afaka matoky an’i Jesoa Kristy Zanany, ary afaka manaiky ny fanomezana ny Fanahy mba hitarika antsika eo amin’ity lalana mankany amin’ny fiainana feno fifaliana sy fahasambarana avy amin’ Andriamanitra ity.12

Eo anivontsika i Jesoa

Matetika aho no nanontany tena hoe: Inona re no ho nampianarin’i Jesoa ary inona no ho nataony raha teto anivontsika Izy ankehitriny?

Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, i Jesoa Kristy dia nanatontosa ny fampanantenana nataony fa hamangy “ondry hafa.”13

Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy dia miresaka ny amin’izany fisehoana lehibe tamin’ireo vahoakan’ny kaontinanta amerikana izany. Manana io rakitsoratra io isika ho porofo mivaingana ny amin’ny asan’ny Mpamonjy.

Ireo vahoaka tao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia niaina tany amin’ny lafiny ilan’ny tany tany—ny tantaran’izy ireo, sy ny kolontsainy, ary ny toe-draharaha ara-pôlitikan’izy ireo dia hafa tamin’ny an’ny vahoaka nampianarin’i Jesoa nandritra ny fanompoany tety an-tany. Kanefa izy ireo dia nampianariny zavatra maro nitovy tamin’izay nampianariny tany amin’ny Tany Masina.

Nahoana Izy no nanao izany?

Satria ny Mpamonjy dia mampianatra fahamarinana mandrakizay sy tsy miova. Miantefa amin’ny olona ao anatin’ny sokajin-taona sy ny toe-java-misy rehetra izany.

Ny hafany dia hafatra nitondra sy mitondra fanantenana ary fiombonana—fijoroana ho vavolombelona fa Andriamanitra Raintsika any An-danitra dia tsy nandao ireo zanany.

Fa eo anivontsika Andriamanitra!

Niverina teto an-tany indray ny Mpamonjy roanjato taona lasa izay. Izy sy Andriamanitra Ray dia niara-niseho tamin’i Joseph Smith izay 14 taona ary nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Hatramin’izay andro izay dia nisokatra ny lanitra, ary anjely maro no nidina avy any an-danitra mba hitondra hafatra. Fahazavana sy fahalalana no nirotsaka avy any an-danitra.

Niteny tamin’izao tontolo izao indray ny Tompo Jesoa Kristy.

Inona no nolazainy?

Ho fitahiana antsika dia maro amin’ireo teniny no noraketina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana—misokatra ho an’ireo rehetra eto an-tany izay maniry ny hamaky sy handalina azy ireny. Tena sarobidy ho antsika ireo teny ireo amin’izao fotoana izao!

Koa tsy tokony ho gaga isika raha mahita fa mampianatra indray ny votoatin’ny filazantsarany ny Mpamonjy manao hoe: “Ho tia ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, amin’ny herinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra ianao; ary hanompo Azy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.”14 Mitaona antsika Izy hikatsaka an’ Andriamanitra15 sy hiaina ireo fampianarana izay nambarany tamin’ireo mpaminany mpanompony.16

Mampianatra antsika Izy mba hifankatia17 sy ho “feno fiantrana ny olon-drehetra.”18

Manasa antsika Izy mba hanao izay zavatra ho nataony, handehandeha hanao soa.19 “Aoka tsy ho tia amin’ny teny … isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.”20

Mampanao fanamby antsika Izy mba hifantoka amin’ilay asa lehibe nasainy atao: hitia, hizara, hanasa ny rehetra handray ny filazantsarany sy hankao amin’ny Fiangonany.21

Nandidy antsika Izy hanorina tempoly masina ka hiditra sy hanompo ao amin’izy ireny.22

Mampianatra antsika mba ho lasa mpianany Izy—fa ny fontsika dia tsy tokony hikatsaka ny vonihanitra ho an’ny tena manokana, ny harena, ny fankasitrahan’olombelona, na ny toeram-boninahitra. Mampianatra antsika Izy hoe, “hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao ianao ary hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa.”23

Manainga antsika Izy hikatsaka fifaliana, fahatakarana, fiadanana, fahamarinana, fahasambarana,24 ary ny fampanantenan’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.25

Andeha hampiantsika ny zavatra voalaza teo aloha. Ndeha hatao hoe tonga ao amin’ny paroasy, sampana, na ao an-tokantranonareo i Jesoa anio. Ho tahaka ny ahoana izany fotoana izany?

Ho fantany ny fahatsapana marina anananao. Tsy hanan-danja ny fisehoana ivelany. Ho fantany amin’ny tena maha-ianao anao ianao. Ho fantany ireo fanirian’ny fonao.

Ny malemy fanahy sy ny manetry tena dia hasandrany.

Hositraniny ny marary.

Ny mpisalasala dia hofenoiny finoana sy herim-po mba hino.

Hampianariny hanokatra ny fontsika amin’ Andriamanitra sy hanampy ny hafa isika.

Hankasitrahany sy hoderainy ny fahamarinan-toetra, ny fanetrentena, ny tsy fivadihana, ny fahatokiana, sy ny fangorahana ary ny fiantrana.

Ny fijerena Azy ao amin’ny masony fotsiny dia hampiova antsika tsy ho toy ny taloha. Hiova mandrakizay isika. Novain’ny fahatongavan-tsaina lalina fa eo anivontsika tokoa Andriamanitra.

Inona no hataontsika?26

Mitodika amin-katsaram-panahy amin’ilay zatovolahy nandritra ireo taona nitomboako aho. Raha afaka niverina tany amin’ny lasa aho dia ho nampionona azy ary ho niteny azy hanohy hikaroka. Ary ho nasaiko izy hanasa an’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainany, satria eo anivontsika Andriamanitra!

Ho anareo rahalahy sy anabavy malalako, ho anareo namana malalako ary ho anareo izay mikatsaka valim-panontaniana sy fahamarinana ary fahasambarana, dia manome anareo torohevitra mitovy amin’ilay teo aho: Mitozoa mikatsaka amim-pinoana sy amim-paharetana.27

Mangataha dia hahazo ianareo. Dondòny dia hovahana ianareo.28 Matokia ny Tompo.29

Andraikitra sy fahafahana lehibe ho antsika ny mahita an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Rehefa esorintsika amin’ny tenantsika ny avonavona ka manakaiky ny toeram-piandrianany amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina isika,30 dia hanakaiky antsika Izy.31

Rehefa mikatsaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy isika sy mandeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra, fitsipika anampy fitsipika, dia ho avy ilay andro izay hiainantsika ilay fanomezana tsy takatry ny saina amin’ny fandraisana ny fahafenoan’ny fifaliana.

Ry namako malala, tia anareo amin’ny fitiavana tanteraka ny Rainareo any An-danitra. Noporofoiny tamin’ny fomba tsy tambo isaina ny fitiavany saingy ambonin’izany rehetra izany dia noporofoiny tamin’ny fanolorana ny Zanany Lahitokana ho sorona sy ho fanomezana ho an’ireo zanany mba hahafahan’izy ireo miverina any amin’ny ray aman-drenin’izy ireo any an-danitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Raintsika any An-danitra, fa i Jesoa Kristy dia mitarika ny Fiangonany, fa ny Filoha Russell M. Nelson dia mpaminaniny.

Atolotro anareo ny fitiavako sy ny tsodranoko amin’ity vanim-potoan’ny Paska feno fifaliana ity. Sokafy ho an’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ny fonareo, na inona na inona toe-javatra iainanareo, fitsapana, fahoriana, na hadisoana nataonareo, dia afaka ny hahafantatra ianareo fa velona Izy, tia anareo Izy, ary noho Izy dia tsy ho irery na oviana na oviana ianareo.

Eo anivontsika Andriamanitra.

Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.