Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Zavatra tsy rariny mahasendaotra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Zavatra tsy rariny mahasendaotra

Sady takatr’i Jesoa Kristy ny zavatra tsy rariny no ananany ny hery hanolotra fanafodiny.

Tamin’ny taona 1994 dia nisy fandripahana olona tany Rwanda, firenena iray ao Afrika Atsinanana, izay amin’ny ampahany dia vokatry ny disadisa ara-poko efa raiki-tapisaka. Raha ny tombantombana dia efa mihoatra ny dimy hetsy ny isan’ny olona maty.1 Mahavariana fa amin’ny ankapobeny ny vahoakan’i Rwanda dia efa nihavana indray,2 saingy mbola misy fiantraikany amin’izy ireo hatrany ireny zava-nitranga ireny.

Folo taona lasa izay raha nitsidika an’i Rwanda izahay mivady dia tafaresaka tamin’ny mpandeha iray hafa tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Kigali. Nitaraina izy noho ny maha-tsy rariny an’ilay fandripahana olona ary nihetsi-po lalina raha nanontany hoe: “Raha nisy Andriamanitra, moa ve tsy efa nanao zavatra Izy handaminana izany?” Ho an’io lehilahy io, sy ho an’ny maro amintsika, dia toa tsy mifanaraka amin’ny fisian’ny Ray any An-danitra tsara fanahy sy be fitiavana ny fisian’ny fijaliana sy ny zavatra tsy rariny tsotra izao. Kanefa tena misy Izy, ary tsara fanahy sy tia ny zanany tsirairay amin’ny fomba tonga lafatra. Ireo hevitra mifanohitra ireo dia efa nisy hatry ny nisian’ny zanak’olombelona ary tsy azo hazavaina amin’ny fomba fohifohy na tsotsotra.

Hanombohana ny fanazavana azy dia ’ndeha handinika karazana zavatra samihafa tsy ara-drariny. Eritrereto hoe ao amin’ny fianakaviana iray dia mahazo vola isan-kerinandro ny ankizy tsirairay noho ny fanaovana ireo raharaha mahazatra ao an-trano. Ny zanakalahy anankiray, i John, dia nividy vatomamy. Ny zanakavavy iray, i Anna, dia nitahiry ny volany. Rehefa ela ny ela dia nividy bisikileta i Anna. Noeritreretin’i John fa tena tsy rariny raha nahazo bisikileta i Anna nefa izy tsy nahazo. Kanefa ny safidin’i John no nahatonga ilay tsy fitoviana, fa tsy ny zavatra nataon’ireo ray aman-dreniny. Ny fanapahan-kevitr’i Anna ny hamoy ilay fahafaham-po eo no eo entin’ny fihinanana vatomamy dia tsy nampihatra zavatra tsy rariny velively tamin’i John akory satria nanana fahafahana nitovy tamin’ny anabaviny izy.

Tahaka izany koa ny fanapahan-kevitsika dia mety hiteraka voka-tsoa na voka-dratsy rehefa ela. Araka ny nambaran’ny Tompo hoe: “Raha mahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina bebe kokoa noho ny iray hafa ny olona iray, eo amin’izao fiainana izao, noho ny fahazotoany sy ny fankatoavany dia hanana tombony mifanentana amin’izany izy any amin’ny tontolo ho avy.”3 Rehefa mahazo tombontsoa ny hafa noho ny safidy feno fahazotoana nataony dia tsy afaka ny hanatsoaka hevitra isika hoe niharan’ny tsy rariny rehefa nanana fahafahana nitovy tamin’izy ireo koa.

Misy ohatra iray hafa momba ny zavatra tsy ara-drariny avy tamin’ny toe-javatra niainan’i Ruth vadiko fony izy mbola kely. Indray andro i Ruth dia nahafantatra fa hoentin’ny reniny hividy kiraro vaovao i Merla zandriny vavy. Nitaraina i Ruth hoe: “Neny, tena tsy rariny kosa izany! I Merla no vao nahazo kiraro vaovao farany.”

Nanontany ny renin’i Ruth hoe: “Ruth, mbola antonona anao ve ny kiraronao?”

Namaly i Ruth hoe: “Eny.”

Dia hoy ny renin’i Ruth avy eo hoe: “Ny kiraron’i Merla efa tsy antonona azy intsony.”

Nanaiky i Ruth fa tokony hanana kiraro antonona azy avy ny ankizy tsirairay ao amin’ny fianakaviana. Na dia ho tian’i Ruth aza raha mba nahazo kiraro vaovao izy, dia nisinda ilay fijeriny hoe niharan’ny tsy ara-drariny rehefa hitany tamin’ny fomba fijerin-dreniny ilay toe-javatra.

Tsy hay hazavaina ny zavatra tsy ara-drariny sasany. Mahasendaotra ny zavatra tsy ara-drariny tsy hay hazavaina. Ny fiainana ao anatin’ny vatana tsy tonga lafatra na mety maratra na iharan’ny aretina no miteraka ny zavatra tsy ara-drariny. Tsy maintsy itrangan-javatra tsy ara-drariny ny fiainana an-tany. Misy olona teraka ao anatin’ny fanambinana, ny hafa kosa tsia. Ny sasany manana ray aman-dreny be fitiavana, ny hafa kosa tsia. Ny sasany miaina an-taonany maro, ny hafa taona vitsy fotsiny. Dia ohatr’izay hatrany hatrany. Misy olona sasany manao fahadisoana mandratra na dia rehefa miezaka manao ny tsara aza. Ny sasany misafidy ny tsy hiady amin’ny tsy rariny nefa afaka manao izany. Mampalahelo fa misy olona mampiasa ny fahafahana misafidy nomen’ Andriamanitra azy handratrana ny hafa nefa tsy tokony hanao izany velively.

Mety hitambatra ny karazan-javatra tsy ara-drariny maromaro samihafa ka miteraka zavatra tsy ara-drariny goavana izay mandrotika sy mandrava. Ohatra, ilay valanaretina COVID-19 dia mitanila ka miantraika kokoa amin’ireo izay efa marefo noho ny antony samihafa. Mangoraka ny foko ho an’ireo izay miatrika zavatra tsy ara-drariny toy izany, saingy manambara amin’ny foko mangoraka manontolo aho fa i Jesoa Kristy dia sady mahatakatra ny tsy rariny no manana ny hery hanomezana ny fanafodiny. Tsy misy zavatra afa-mitaha amin’ny tsy rariny niaretany. Tsy ara-drariny ny niainany ny fanaintainana sy ny fahoriana rehetran’ny zanak’olombelona manontolo. Tsy ara-drariny ny nijaliany noho ny fahotako sy fahadisoako sy ny anao. Saingy nisafidy ny hanao izany Izy noho ny fitiavany antsika sy ny Ray any An-danitra. Takany tsara ny zavatra iainantsika.4

Mirakitra ny soratra masina fa nitaraina ny Isiraelita fa nanaovan’ Andriamanitra zavatra tsy ara-drariny. Ho valin’izany dia nanontany i Jehovah hoe: “Fa moa mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hanana fangorahana ny zanakalahy naloaky ny kibony?” Araka ny tsy mampitombina ny hanadinoan’ny reny be fitiavana ny zanany madinika, dia nanambara i Jehovah fa vao mainka mafy orina kokoa noho izany ny fanoloran-tenany. Nilaza izy hoe: “Eny, mety manadino izy kanefa Izaho tsy hanadino anao. Indro, efa vitako tombokavatsa eo amin’ny felatanako ianao; ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.”5 Noho i Jesoa niaritra ilay sorona tsy misy fetra ho fanavotana dia mahatakatra tsara ny zavatra tsapantsika Izy.6 Fantany foana ny amintsika sy ny toe-javatra misy antsika.

Eo amin’ny fiainana an-tany isika dia afaka manatona “amin’ny fahasahiana” ny Mpamonjy ary hahazo fangorahana sy fanasitranana ary fanampiana.7 Na dia tsy hay hazavaina aza ny fijaliantsika dia afaka mitahy antsika amin’ny fomba tsotra, sy mahazatra ary manan-danja Andriamanitra. Rehefa mianatra mahafantatra ireo fitahiana ireo isika dia hitombo ny fatokiantsika an’ Andriamanitra. Any amin’ny mandrakizay dia hovahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy daholo ny tsy rariny rehetra. Rariny loatra raha tiantsika ho fantatra hoe amin’ny fomba ahoana sy rahoviana izany. Amin’ny fomba ahoana no hanaovan’Izy ireo izany? Rahoviana Izy ireo no hanao izany? Raha ny fahalalako azy dia tsy mbola nambaran’Izy ireo hoe amin’ny fomba ahoana na rahoviana.8 Fa ny fantatro dia hoe hataon’Izy ireo izany.

Ny zavatra iray tokony hataonitska rehefa ao anatin’ny toe-javatra tsy ara-drariny dia ny matoky fa “azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana.”9 Nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy ary efa “nifaoka” ny tsy rariny rehetra. Noho Izy dia afaka mahazo fiadanana isika amin’ity tontolo ity ary afaka matoky.10 Raha avelantsika i Jesoa Kristy dia hanokana ny zavatra tsy ara-drariny Izy ho tombontsoantsika.11 Tsy vitan’ny hoe hampionona antsika sy hamerina izay very fotsiny Izy,12 fa havadiny ho tombontsoantsika ny zavatra tsy ara-drariny. Raha mikasika ny hoe amin’ny fomba ahoana sy rahovianadia mila miaiky sy manaiky isika, tahaka ny nataon’i Almà hoe “tsy mampaninona izany; fa Andriamanitra no mahalala ireo zavatra rehetra ireo; ary ampy ho ahy ny mahalala fa izay no toe-javatra.”13

Azontsika atao ny miezaka mihazona ho amin’ny manaraka aloha ny fanontaniantsika momba ny hoe amin’ny fomba ahoana sy rahoviana ka hifantoka amin’ny fampiroboroboana ny finoana an’i Jesoa Kristy, hoe sady manana ny hery Izy hanitsiana ny zavatra rehetra no maniry mafy ny hanao izany.14 Tsy mitondra vokany ho antsika ny mahafantatra hoe amin’ny fomba ahoana na hoe rahoviana sady fijery tsy mahita lavitra rahateo izany.15

Rehefa mampiroborobo finoana an’i Jesoa Kristy isika dia tokony hiezaka ihany koa ho lasa tahaka Azy. Dia handray ny hafa amim-pangorahana isika avy eo ary hiezaka hanaisotra ny tsy rariny rehefa mahita izany,16 afaka miezaka manitsy ny tsy rariny isika eo amin’ny sehatra ahafahantsika manao izany. Marina tokoa fa nandidy antsika ny Tompo fa isika dia “tokony hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara, ary hanao zavatra maro amin’ny nahim-pon[tsika] ka hahatonga fahamarinana fatratra.”17

Olona iray izay nirotsaka tamin-kafanam-po tamin’ny fiadiana amin’ny tsy rariny i Bryan Stevenson mpisolovava. Natokany tamin’ny fisoloana vava ny voapanga tsy ara-drariny sy ny fampitsaharana ny sazy mihoampamana ary ny fiarovana ny zon’olombelona fototra ny maha-mpisolo vava azy teto Etazonia. Taona vitsy lasa Atoa Stevenson dia nisolo vava lehilahy iray voapanga tsy ara-drariny ho namono olona ka voaheloka ho faty. Nangataka ny fanampian’ny fiangonana Kristiana nisy an’ilay lehilahy teo an-toerana Atoa Stevenson, na dia tsy navitrika tao amin’ny fiangonany sy nalaza ratsy teo amin’ny fiarahamonina noho ny fanitsakitsaham-bady aza ilay rangahy.

Mba hampifantohana an’ireo mpanatrika amin’izay tena manan-danja dia noresahin’Atoa Stevenson tamin’izy ireo ny tantaran’ilay vehivavy voapanga ho nijangajanga ka nentina teo amin’i Jesoa. Naniry ny hitora-bato hahafaty azy ireo olona niapanga azy, saingy hoy i Jesoa: “Izay tsy nanota …, no aoka hitora-bato azy voalohany.”18 Niala ireo niapanga an’ilay vehivavy. Tsy nanameloka ilay vehivavy i Jesoa fa nandidy azy kosa mba tsy hanota intsony.19

Rehefa avy nitantara io tranga io Atoa Stevenson dia nanazava fa ny fanamarinan-tena sy ny tahotra ary ny fahatezerana no mahatonga ny olona, hatramin’ny Kristianina aza, hitora-bato ny olona solafaka. Nilaza izy avy eo hoe: “Tsy azontsika jerem-potsiny izany,” dia namporisika ireo mpanatrika izy mba ho lasa “mpisambo-bato natoraka.”20 Rahalahy sy anabavy, ny tsy fitoraham-bato no dingana voalohany amin’ny fandraisana ny hafa amim-pangorahana. Ny dingana faharoa dia ny misambotra ireo vato atoraky ny hafa.

Ny fomba fiatrehantsika ny tombontsoa sy ny kilema dia anisan’ny fitsapana eo amin’ny fiainana. Tsy dia izay lazaintsika loatra no hitsarana antsika fa ny fomba fandraisantsika ny marefo sy ny mizaka kilema.21 Amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mikatsaka ny hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika, dia ny mandehandeha manao soa.22 Maneho ny fitiavantsika ny mpiara-belona amintsika isika amin’ny fanaovana izay hiantohana ny voninahitr’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.

Tsara ny mandinika lalina ao an-tsaina ireo tombontsoa sy kilemantsika. Ho an’i John dia nanambara zavatra momba ny tenany ny fahatakarana ny antony nahazoan’i Anna an’ilay bisikileta. Ho an’i Ruth dia nanokatra ny fahatakarany ny fahitany ny filan’i Merla kiraro tamin’ny fomba fijerin-dreniny. Afaka manazava zavatra ny fiezahana mijery zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Rehefa lasa mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy isika dia lasa manana fangorahana sy fahatakarana ary fiantrana kokoa.

Miverina amin’ilay fanontaniana napetrak’ilay mpandeha tany Kigali aho izay nitaraina ny amin’ny tsy maha ara-drariny an’ilay fandripahana olona tao Rwanda ka nanontany hoe: “Raha nisy tokoa Andriamanitra, moa ve tsy efa nanao zavatra Izy handaminana izany?”

Tsy nanamaivana ny fahoriana naterak’ilay fandripahana olona akory izahay, ary rehefa niaiky fa tsy tena nahatakatra izany fahoriana izany dia namaly fa i Jesoa Kristy dia nanao zavatra momba ny zavatra mahasendaotra.23 Nanazava fitsipiky ny filazantsara maro momba an’i Jesoa Kristy izahay sy ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonany.24

Taorian’izay dia nanontany ilay olona, sady nanganohano, hoe: “Moa ve izany ianao milaza fa misy zavatra azoko atao ho an’ireo ray aman-dreniko sy ny dadatoako izay efa maty?”

“Izay tokoa!” hoy izahay. Nijoro ho vavolombelona izahay avy eo fa izay zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana dia azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary amin’ny alalan’ny fahefany dia afaka miaraka mandrakizay ny fianakaviana.

Rehefa miatrika zavatra tsy ara-drariny isika dia afaka na manalavitra an’ Andriamanitra na manatona Azy mba hangataka fanampiana sy fanohanana. Ohatra, ilay ady lava nifanaovan’ny Nefita sy ny Lamanita dia nisy fiantraikany tamin’ny olona tamin’ny fomba samihafa. Nilaza i Môrmôna fa “maro no efa nanjary nihamafy fo” raha toa ka “efa nihanalefaka noho ny fahoriany, hany ka nanetry ny tenany teo anoloan’ Andriamanitra” ny hafa.25

Aza avela hanenjana anao, na hanimba ny finoanao an’ Andriamanitra ny zavatra tsy ara-drariny. Fa mangataha fanampiana amin’ Andriamanitra. Ampitomboy ny fankasitrahanao ny Mpamonjy sy ny fianteheranao Aminy. Aza tezitra fa avelao Izy hanampy anao ho lasa tsara kokoa.26 Avelao Izy hanampy anao haharitra, ka hahatonga ny fahorianao “ho voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy.”27 Miaraha Aminy amin’ilay iraka nampanaovina Azy, dia ny “hanafaka izay nampahoriana,”28 sy ny hiezaka hampihena ny tsy rariny, ary ho lasa mpisambo-bato natoraka.29

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Mpamonjy. Mahatakatra ny tsy rariny Izy. Ny tombo-kavatsa eo am-pelatanany dia mampahatsiahy Azy mandrakariva ny aminao sy ny toe-javatra misy anao. Manompo anao Izy ao anatin’ny tebitebinao rehetra. Ho an’ireo izay manatona Azy dia hosoloiny satroboninahitra tsara tarehy ny lavenom-pisaonana, fifaliana sy firavoravoana no ho solon’ny alahelo sy ny fahoriana, fankasitrahana sy fiderana no ho solon’ny fahakiviana sy ny famoizam-po.30 Hitondra valisoa mihoatra noho izay azonao eritreretina ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hatokana ho tombontsoanao izay zavatra tsy rariny rehetra, indrindra fa ireo zavatra tsy rariny mahasendoatra. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny John Reader, Africa: A Biography of the Continent (1999), 635–36, 673–79.

  2. Tena manano sarotra ny fampihavanana ny vahoakan’i Rwanda na dia ananana fanantenana aza. Misy ireo izay mametra-panontaniana ny amin’ny alaliny sy ny faharetany. Jereo ohatra ny, “The Great Rwanda Debate: Paragon or Prison?,” Economist, Mar. 27, 2021, 41–43.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:19; nampiana fanamafisana.

  4. Jereo ny Hebreo 4:15.

  5. 1 Nefia 21:15–16.

  6. Jereo ny Almà 7:11–13.

  7. Jereo ny Hebreo 4:16; jereo koa ny Isaia 41:10; 43:2; 46:4; 61:1–3.

  8. Teny fampitandremana: Mila manohitra ny fakam-panahy hamorona firehan-kevitry ny tena manokana isika ny amin’ny hoe amin’ny fomba ahoana sy hoe rahoviana na dia maharesy lahatra sy mitombina aza izany. Tsy afaka ny hanana ny rariny isika amin’ny famenoana ny banga amin’izay zavatra tsy mbola nambaran’ Andriamanitra isika.

  9. Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2018), 52; jereo koa ny Isaia 61:2–3; Apokalypsy 21:4. Ny hoe “azo ahitsy … ny zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana” dia mety hidika fa hovahana na halefahana na hesorina ireo vokatry ny zavatra tsy ara-drariny mihatra amintsika. Tao amin’ny lahateny ho an’ny fihaonambe farany nataon’ny Loholona Joseph B. Wirthlin mitondra ny lohateny hoe “Avelao hitranga izay hitranga, ary tiavo izany dia nilaza izy fa “Ny ranomaso rehetra latsaka androany dia hiverina ho ranomasom-pifaliana sy fankasitrahana avo zato heny. … Manjaka ny fitsipiky ny fanonerana” (Liahona, nôv 2008, 28).

  10. Jereo ny Jaona 16:33.

  11. Jereo ny 2 Nefia 2:2.

  12. Jereo ny Joba 42:10, 12–13; Jakôba 3:1.

  13. Almà 40:5.

  14. Jereo ny Môzià 4:9.

  15. Jereo ny Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 93. Ny Myope dia midika hoe mahita tsara ny zavatra akaiky fa tsy dia mahita ny zavatra lavitra.

  16. Ohatra, nilaza ny Kapiteny Môrônia fa tsy mety raha mijoro sy “tsy manao na inona na inona” ny olona rehefa afaka manampy ny hafa (jereo ny Almà 60:9–11; jereo koa ny 2 Korintiana 1:3).

  17. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27; jereo ihany koa ny andininy 26, 28–29.

  18. Jaona 8:7.

  19. Jereo ny Jaona 8:10–11; ny Dikantenin’i Joseph Smith ny andininy 11 dia ahitana hoe: “Ary ilay vehivavy nidera an’ Andriamanitra nanomboka tamin’io ora io, sy nino ny anarany,” izay midika fa ny tsy fanamelohan’ny Tompo sy ny fandidiany hoe “aza manota intsony” dia niantraika tamin’ny androm-piainan’ilay vehivavy sisa.

  20. Bryan Stevenson, Just Mercy: A Story of Justice and Redemption (2015), 308–9.

  21. Jereo ny Matio 25:31–46.

  22. Jereo ny Asan’ny Apostoly 10:38; jereo koa ny Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, nôv. 2019.

  23. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17, 22–23.

  24. Ireo fitsipika ireo dia hazavaina mazava tsara ao amin’ny “Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” ChurchofJesusChrist.org.

  25. Almà 62:41.

  26. Jereo ny Amos C. Brown, in Boyd Matheson, “‘It Can Be Well with This Nation’ If We Lock Arms as Children of God,” Church News, jolay 25, 2019, churchnews.com.

  27. Almà 31:38.

  28. Jereo ny Lioka 4:16–19. Ny hoe manasitrana ny fo torotoro dia ny mamerina amin’ny laoniny ireo izay simba na torotoro ny sainy, na ny sitrapony, na toe-tsainy, na ny maha-izy azy (jereo ny James Strong, The New Strong’s Expanded Exhaustive Concordance of the Bible [2010], Hebrew dictionary section, 139 sy 271).

  29. Jereo ohatra ny Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020; Dallin H. Oaks, “Tiavo ny fahavalonareo,” Liahona, nôv. 2020. Nanentana ny Filoha Nelson hoe: “Anio aho dia manao antso avo amin’ireo mpikambana manerana izao tontolo izao mba hitarika ny lalana amin’ny fialana amin’ireo toe-tsaina sy fihetsika manavakavaka. Miangavy anareo aho mba hamporisika ny fanajana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.” Izany dia mihoatra lavitra noho ny hoe toe-tsaina sy fihetsika manohitra ny fanavakavahana fotsiny. Nizara ny tenin’ny Reverende Theresa A. Dear ny Filoha Oaks hoe: “Ny fanavakavaham-bolon-koditra dia mihamahazo vahana amin’ny alalan’ny fankahalana, ny fanaovana tsindry hazo lena, ny tsikombakomba miafina, ny fileferana, ny tsy firaharahiana ary ny fahanginana.” Dia nilaza izy avy eo hoe: “Amin’ny maha-olom-pirenena sy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia tsy maintsy manao izay vitantsika isika hamongorana ny fanavakavaham-bolon-koditra.”

  30. Jereo ny Isaia 61:3. Ny hoe mahazo satroboninahitra tsara tarehy dia midika fa lasa mpiray lova amin’i Jesoa Kristy isika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Jereo koa ny Donald W. Parry, Jay A. Parry, sy ny Tina M. Peterson, Understanding Isaiah (1998), 541–43.