Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tsy afaka mandresy izy ireo, tsy afaka mianjera isika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Tsy afaka mandresy izy ireo, tsy afaka mianjera isika

Rehefa manangana ny fototra iorenantsika amin’i Jesoa Kristy isika dia tsy afaka mianjera!

Ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza tamin’ny fihaonambentsika maneran-tany farany teo hoe: “Mandritra izao fotoan-tsarotra izay efa novinanian’i Paoly Apôstôly izao dia efa tsy miezaka manafina ny fanafihany ny drafitr’ Andriamanitra intsony mihitsy i Satana. Efa betsaka ny ratsy tsy afenina intsony. Noho izany ny hany fomba ahafahana ho velona ara-panahy dia ny fahavononana hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika, sy hianatra ny hihaino ny feony, ary hampiasa ny herintsika hanangonana an’i Isiraely.”1

Moa ve ny fontsika vonona tokoa sa nihamafy rehefa mieritreritra an’io fanasan’ny mpaminany hianatra ny hihaino ny feon’ Andriamanitra io isika? Andao hotadidiantsika ny torohevitra nomena ao amin’ny Jakôba 6:6: “Eny, anio, raha te hihaino ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo; fa nahoana no te ho faty ianareo?” Andeha isika hivonona hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika.

Ahoana no hamelantsika an’ Andriamanitra fa tsy ny fahavalo hanjaka eo amin’ny fiainantsika? Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:34 dia mamaky isika hoe: “Koa aza matahotra ry ondry vitsy; manaova soa; avelao hitambatra ny tany sy ny helo hanohitra anareo, fa raha miorina amin’ny vatolampiko ianareo, dia tsy afaka mandresy izy ireo.” Fampanantenana manan-danja izany. Na dia hitambatra hanohitra antsika aza ny tany sy ny helo dia tsy afaka mandresy izy ireo raha toa isika ka misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanorina ny fiainantsika eo ambonin’ny vatolampiny.

Rehefa niresaka tamin’ireo mpianany i Jesoa Kristy dia nampianatra mikasika ny lehilahy manan-tsaina iray sy ny lehilahy adala iray, voarakitra ao amin’ny Matio toko faha 7 ao amin’ny Testamenta Vaovao. Maro aminareo no efa naheno ilay hiran’ny Kilonga hoe “Ny hendry sy ny adala.”2 Raha toa ianareo ka maka fotoana hampitahana ireo andininy efatra ao amin’ilay hira dia hahita fa ny andininy voalohany sy faha-2 dia misy itoviany be amin’ny andininy faha-3 sy faha-4. Samy nanorina trano na ilay lehilahy manan-tsaina na ilay lehilahy adala. Te hanome ny zavatra ilain’ny fianakaviany avy izy ireo amin’ny fanomezana trano tsara aro sy mampahazo aina. Te hiaina amim-pahasambarana miaraka amin’ny fianakaviany izy ireo, toa ahy sy ianao. Nitovitovy ny toe-javatra nanodidina azy ireo: “Nilatsaka ary tsy nijanona, nitondra riaka ny ranonorana.” Mihira izany indroa isika rehefa mihira an’io hira io. Ny hany fahasamihafana dia ilay lehilahy hendry nanorina ny tranony tambony vatolampy koa dia mbola nijoro ilay trano, fa ilay lehilahy adala kosa nanorina ny tranony tambony fasika koa dia rava izany. Noho izany dia tena manan-danja ny toerana iorenantsika ary izany dia miantraika mivantana amin’ny vokatra any am-parany sy mandrakizay.

Manantena sy mivavaka aho ny mba hahitantsika sy hitoerantsika eo ambony fototra azo antoka eo am-pananganantsika ny fiainantsika ho avy. Nampahatsiahivina isika ao amin’ny Helamàna 5:12 hoe: “Ary ankehitriny, ry zanako, tsarovy, tsarovy fa eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo; ka rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipikany ao amin’ny tadio, eny, rehefa hamely anareo ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery aminareo izany mba hisintona anareo hidina any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenanareo eo amboniny, izay fototra azo antoka, dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy.”

Izany no fampanantenana avy amin’ Andriamanitra! Rehefa manangana ny fototra iorenantsika amin’i Jesoa Kristy isika dia tsy afaka mianjera! Raha toa isika ka maharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany dia hanampy antsika Andriamanitra hanorina ny fiainantsika eo ambonin’ny vatolampiny, ary ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:69). Tsy afaka hanova ny zavatra rehetra izay ho avy isika saingy afaka misafidy ny fomba hiomanantsika amin’ny ho avy kosa isika.

Mety hieritreritra ny sasany amintsika hoe: “Tsara ny filazantsara noho izany dia tokony atao ho isan’ny fiainantsika izany, angamba eo amin’ny indray mandeha isan-kerinandro eo.” Ny fandehanana any am-piangonana in-dray mandeha isan-kerinandro fotsiny dia tsy ho ampy hiorenantsika eo ambony vatolampy. Ny fiainantsika iray manontolo dia tokony ho fenoina amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy ampahany eo amin’ny fiainantsika ny filazantsara, fa ny fiainantsika mihitsy raha ny marina no ampahany ao anatin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Eritrereto izany. Tsy marina ve izany? Ny fiainantsika eto an-tany dia ampahany ao anatin’ny drafitry ny famonjena sy ny fisandratana fotsiny ihany.

Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra. Tia antsika rehetra Izy. Mahafantatra ny zavatra tokony ho vitantsika Izy mihoatra lavitra noho izay fantatsika momba ny tenantsika. Tsy ny antsipiriany eo amin’ny fiainantsika fotsiny no fantany. Andriamanitra dia mahita ireo antsipiriany ao anatin’ireo antsipiriany eo amin’ny fiainantsika.

Miangavy aho, araho ny torohevitra hendry omen’ny Filoha Nelson, ny mpaminanintsika velona. Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5–6 hoe:

“Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra.

“Fa amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo; eny, ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny haizina eo anoloanareo ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany.”

Noho izany antony izany dia, tsy afaka mandresy izy ireo, tsy afaka mianjera isika!

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ho avy fanindroany indray i Kristy toy izay nataony tamin’ny voalohany, fa amin’ity indray mitoraka ity dia ho amim-boninahitra izany. Manantena sy mivavaka aho mba ho vonona ny handray Azy, na eto amin’ity lafin’ny voaly ity na any ambadik’izany. Eto am-pankalazantsika izao vaninandro Paska mahafinaritra izao dia manantena aho fa, noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Môrônia 7:41), izaho dia afaka hiakatra sy hihaona amin’ilay Mpahary ahy ary hanambara hoe: “Misaotra.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 95.

  2. “Ny hendry sy ny adala,” Bokin-kiran’ny ankizy,, 132