Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Afaka manangona an’i Isiraely ianao!
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Afaka manangona an’i Isiraely ianao!

Tena azoko antoka tanteraka fa vitanareo zatovo ny manao izany satria noho ny zavatra iray mifandray amin’ny maha-izy anareo ary noho ny hery goavana iray misy ao anatinareo.

Efa ho telo taona lasa izay dia nanasa ireo zatovo rehetra ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Filoha Russell M. Nelson “mba hirotsaka ao amin’ny tafiky ny zatovon’ny Tompo ho fanangonana an’i Isiraely” eo amin’ny lafy roan’ny voaly. Hoy izy hoe: “Izany fanangonana izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao.”1 Tena azoko antoka tanteraka fa vitanareo zatovo ny manao izany, ary manao izany tsara, satria noho ny (1) zavatra iray mifandray amin’ny maha-izy anareo ary (2) noho ny hery goavana iray misy ao anatinareo.

Sary
Rahalahy sy Rahavavy Corbitt

Iraika amby efapolo taoana lasa izay dia nisy misiônera anankiroa avy amin’ny Fiangonantsika izay nahatsapa ho voatarika hankeo amin’ny trano iray tany New Jersey, any Etazonia. Rehefa nandeha ny fotoana dia vita batisa avokoa ireo ray aman-dreny anankiroa sy ireo zanany 10 rehetra. Araka ny tenin’ny mpaminany dia “namela an’ Andriamanitra hanjaka”2 teo amin’ny fiainany izy ireo. Tokony hilaza aho hoe “amin’ny fiainanay.” Izaho no zanak’izy ireo fahatelo. 17 taona aho rehefa nanapa-kevitra hanao fanekempihavanana maharitra fa hanaraka an’i Jesoa Kristy. Mba fantatrareo moa hoe inona koa no fanapahan-kevitra noraisiko? Tsy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno aho. Be loatra izany tamiko. Ary tsy nisy nitaky izany avy tamiko, sa tsy izany? Mpikamban’ny Fiangonana vaovao aho. Tsy nanam-bola aho. Ankoatr’izay, na dia vao afaka bacc tamina sekoly ambaratonga faharoa manahirankirana iray izay tany akaikin’i Philadelphie Andrefana aza aho ary niatrika fanamby vitsivitsy izay nampatahotra dia raiki-tahotra anaty aho ny handao ny tokantrano nisy ahy mandritra ny roa taona.

Sary
Fianakaviana Corbitt

Ny tena maha-ianao anao

Kanefa vao avy nianatra aho fa izaho sy ny olombelona rehetra dia niara-niaina tamin’ny Raintsika any An-danitra tamin’ny naha-fanahy izay zanakalahiny sy zanakavaviny antsika talohan’ny nahaterantsika. Ny hafa dia nila nahafantatra tahaka ny nahafantarako fa Izy dia naniry mafy ho an’ireo zanany rehetra mba hiara-higoka ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy. Noho izany talohan’ny nahafahan’iza na iza tonga tety an-tany dia nampahafantariny antsika rehetra ilay drafiny tonga lafatra ho amin’ny famonjena sy fahasambarana miaraka amin’i Jesoa Kristy izay ho Mpamonjintsika. Nampalahelo anefa fa nanohitra ny drafitr’ Andriamanitra i Satana.3 Araka ny bokin’ny Fanambarana dia “nisy ady tany an-danitra”!4 Namitaka ny ampahatelony tamin’ireo fanahy zanaky ny Ray any An-danitra tamin-kafetsena i Satana mba hamela azy hanjaka amin’ny toeran’ Andriamanitra.5 Fa tsy izy ianao! Ny Apôstôly Jaona dia nahita fa nandresy an’i Satana ianao tamin’ny “teny filazana Azy.”6

Ny fahafantarako ny maha-izaho ahy niaraka tamin’ny fanampian’ny tsodranon’ny patriarika izay azoko dia nanome ahy herimpo sy finoana mba hanaiky ny fanasan’ny Filoha Spencer W. Kimball ny hanangona an’i Isiraely.7 Ho toy izany koa ny anareo ry namako malala isany. Ny fahafantaranao fa nandresy an’i Satana tamin’ny alalan’ny tenin’ny fijoroanao ho vavolombelona ianao taloha dia hanampy anao hitia sy hizara ary hanasa8 anio ary mandrakizay, ny hanasa ireo hafa hanatona sy hahita, hanatona sy hanampy ary hanatona sy ho isan’ny olony raha mbola mamely mafy izany ady ho an’ny fanahin’ireo zanak’ Andriamanitra izany.

Sary
Loholona Corbitt

Ilay finoana mahery vaika ao anatinareo

Ahoana kosa ny momba ilay hery goavana ao anatinareo? Eritrereto anie izao: Nihiaka tamim-pifaliana9 ianareo fa handeha amin’ny tontolo lavo izay toerana iray hiatrehan’ny rehetra fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy. Tsy afaka ny handresy azy ireo mihitsy isika amin’ny herintsika manokana. Tsy hijaly noho ny fahotantsika fotsiny ihany isika fa noho ny fahotan’ny hafa ihany koa. Ny olombelona dia saika nandalo ny karazana ratra sy fahadisoam-panantenana rehetra azo eritreretina10, miaraka amin’ny voalin’ny fanadinoina mandrakotra ny saintsika ary fahavalo ratsy indrindra manohy mikendry sy maka fanahy antsika. Ny fanantenana rehetra ny hiverina avy tafatsangana amin’ny maty ary madio amin’ilay fanatrehana masin’ Andriamanitra dia niankina tanteraka tamin’ny Olona iray izay nihazona ny fampanantenany.11

Inona no nanome hery hanao mba handrosoanao? Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring fa: “Nitaky finoana an’i Jesoa Kristy ny fanohanana ilay drafitry ny fahasambarana sy ny toeran’i Jesoa Kristy ao anatin’izany kanefa bitika ihany no mba fantatrareo ny amin’ny olana izay ho atrehanareo ao amin’ny fiainana an-tany.”12 Rehefa nampanantena i Jesoa Kristy fa ho tonga teto amin’ity fiainana an-tany ity ary hanolotra ny ainy ho fanangonana13 sy ho famonjena antsika dia tsy nino Azy fotsiny ihany ianao. Ianareo “fanahy ambony”14 dia nanana “finoana lehibe fatratra tokoa” ka nandray ireo fampanantenany ho azo antoka.15 Tsy afaka ny handainga Izy noho izany dia nahita Azy ianao ho toy ny efa nandatsaka ny rany sahady ho anao fotoana ela talohan’ny nahaterahany.16

Araka ireo teny maneho tandidona izay nolazain’i Jaona dia “naharesy an’i [Satana] amin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry”17 ianareo. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks fa tao amin’izany tontolo izany dia “nahita tany am-piandohana ny fiafarany [isika].”18

Eritrereto hoe indray andro alohan’ny handehananao any am-pianarana dia manome fampanantenana marina iray ny iray amin’ireo ray aman-dreninao fa afaka mihinana ny sakafo tena tianao indrindra ianao rehefa miverina avy mianatra! Tsindrin-daona ianao! Mbola any am-pianarana ianao dia efa mieritreritra ny tenanao mihinana izany sakafo izany ary renao sahady ny tsirony. Mandeha ho azy ny fizaranao amin’ny hafa ilay vaovao tsara. Ny fiandrandranao ny fodianao dia tena mahafaly anao ka dia toa maivana avokoa ireo fitsapam-pahaizana sy ireo fanamby any am-pianarana. Tsy misy na inona na inona afaka mamafa ny hafalianao na koa mampiahiahy anao satria tena azo antoka ilay fampanantenana! Torak’izany koa, talohan’ny nahaterahanareo “dia nianatra nijery ireo fampanantenana nataon’i Kristy ho fampanantenana azo antoka ianareo ary nanandrana ny famonjeny.19 Ny finoanareo lehibe dia mitovy amin’ny hozatra izay mihamafy sy mihangeza rehefa manazatra azy ianareo kanefa efa ao anatinareo izy ireo.

Ahoana no hamohazanareo ilay finoana goavana ao amin’i Kristy ary ampiasanareo izany mba hanangonana an’i Isiraely izao ary handresenareo an’i Satana indray? Amin’ny fianarana indray ny miandrandra sy mijery ireo fampanantenan’ny Tompo amin’ny fanangonana sy amin’ny famonjena ankehitriny amin’ny fomba azontsika antoka toy izany. Mampiasa ny Bokin’i Môrmôna sy ireo mpaminaniny Izy amin’ny ankapobeny mba hampianarana antsika ny fomba hanaovana izany. Fotoana ela talohan’i Kristy, ireo “mpaminany sy … mpisorona ary … mpampianatra [Nefita] dia nandresy lahatra [ny vahoaka] mba hiandrandra ny Mesia sy hino Azy izay ho avy, ho toy ny efa tonga sahady.”20 Nampianatra i Abinadia mpaminany hoe: “Ary ankehitriny, raha tsy tonga teo amin’izao tontolo izao i Kristy, satria miresaka ny amin’ny zavatra ho avy toy ny efa tonga sahady aho, dia tsy ho nety nisy ny fanavotana.”21 Toa an’i Almà dia “[n]iandrandra [t]amin’ny masom-pinoana”22 i Abinadia ary nahita ny fampanantenan’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena ho toa ny efa tanteraka. Izy ireo dia “nandresy an’i Satana tamin’ny ran’ilay Zanakondry sy ny fijoroany ho vavolombelona” fotoana ela talohan’ny nahaterahan’i Kristy, tahaka ny nataonareo ihany. Ary nomen’ny Tompo hery izy ireo mba hanasana sy hanangonana an’i Isiraely. Hanao toa izany aminareo ihany koa izy rehefa miandrandra amim-pinoana ianareo ary mijery an’i Isiraely voangona, maneran-tany ary ao anatin’ny “faribolana”23 misy anareo, ary asao ny rehetra!

An-jatony ireo misiônera izay niorina teo amin’ny finoan’izy ireo mahery vaika an’i Kristy talohan’ny nahaterahan’izy ireo no naka sary an-tsaina ireo izay nifandraisan’izy ireo na nampianarin’izy ireo ho toy ny manao akanjon’ny batisa na akanjon’ny tempoly. Ao amin’ny lahateny iray mitondra ny lohateny hoe “Manana ao an-tsaina dieny ety am-boalohany ilay fiafarana tiana hahatongavana,”24 dia nizara ohatra manokana ny Filoha Nelson ny amin’ny fanaovana izany ary nanome torolalana ireo mpitarika misahana ny asa fitoriana mba hampianatra ireo misiônerantsika hanao toy izany koa. Ny fahafantarana fa nampihatra ity finoana lehibe an’i Jesoa Kristy ity tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana izy ireo dia tena nanampy ireo misiônera malalantsika “hihaino Azy”25 ary hamelona ilay finoan’izy ireo lehibe ny hanangona an’i Isiraely araka ny efa nampanantenain’ny Tompo.

Mazava ho azy fa ny fieritreretana lainga dia manimba ny finoana.26 Ry namako isany, ny fakana sary an-tsaina na ny fijerena zavatra amin’ny nahim-po izay tsy mifanaraka amin’ilay tena maha-anareo anareo, indrindra ny pôrnôgrafia dia mampalemy ny finoanareo an’i Kristy ary raha tsy misy ny fibebahana dia mety hanimba izany. Mba ampiasao ny sainareo mba hampitomboana finoana an’i Kristy fa tsy handravana izany akory.

Ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo

Ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia fitaovana ara-paminaniana hanampiana anareo zatovo mba hamelona ilay finoanareo lehibe. Nampianatra ny Filoha Oaks hoe: “Iny fandaharan’asa iny dia natao hanampy anareo ho tonga kokoa tahaka ny Mpamonjintsika amin’ny lafin-javatra efatra: ara-panahy, ara-tsôsialy, ara-batana ary ara-pahalalana.”27 Rehefa mitarika ianareo zatovo, mitarika, eo amin’ny fiainana ny filazantsara , eo amin’ny fikarakarana ny hafa, eo amin’ny fanasana ny rehetra mba handray ny filazantsara, eo amin’ny fampiraisana ireo fianakaviana mandrakizay ary eo amin’ny fandrindrana zavatra atao mahafinaritra,28 dia hipoitra indray ilay finoanareo lehibe an’i Kristy izay nanananareo nandritra ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary hanome hery anareo hanaovanareo ny asan’ny Tompo eto amin’ity fiainana ity!

Ireo tanjona manokana koa, “indrindra ireo tanjona azo tratrarina ao anatin’ny fotoana fohy,”29 dia hanampy anareo hamelona indray ny finoanareo mahery vaika. Rehefa mametraka tanjona tsara ianareo dia miandrandra tahaka ny nataonareo teo aloha ary mahita izay tian’ny Raintsika any An-danitra hahatongavanareo na hahatongavan’ny olona iray hafa.30 Avy eo ianareo dia manao drafitra ny amin’ny fomba hanaovanareo izany. Nampianatra ny loholona Quentin L. Cook hoe: “Aza hamaivanina mihitsy ny maha-zava-dehibe ny fanaovana drafitra, ny fametrahana tanjona … ary ny [fanasana ny hafa], amin’ny masom-pinoana.”31

Anareo ny safidy! Nilaza ny Tompo hoe: “Ny fahafahana [misafidy] dia ao anatin’izy ireo.”32 Nanazava ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Tsy avy amin’ny kisendrasendra no hitomboan’ny finoanareo fa avy amin’ny safidy.”33 Nanampy izy hoe: “[Izay] fanontaniana amin-kitsimpo [mety anananareo] … dia ho alamina amim-paharetana sy amin’ny masom-pinoana.”34

Mijoro ho vavolombelona aho fa (1) ny maha-ianao anao sy (2) ilay herin’ny finoana goavana an’i Kristy izay ao anatinao dia hanome fahafahana anao “hanampy hanomana izao tontolo izao amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy indray amin’ny fanasana ny rehetra hanatona an’i Kristy sy handray ireo fitahian’ny Sorompanavotany.”35 Enga anie isika hizara ilay fifaliana avy amin’ilay fampanantenana azo antoky ny Bokin’i Môrôna hoe:

“Ny marina izay mihaino ny … mpaminany, ka … miandrandra amin’ny fiorenana kosa ao amin’i Kristy … na dia eo aza ny fanenjehana rehetra … ireo izay tsy ho faty.

“Fa … hositranin’i [Kristy] ireo ary hanana fiadanana miaraka Aminy.”36

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.